Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Jolay, 2012
Kolombià: #Yodigoaquiestoy, Fitaovana Hanoherana Ny Fampiasana Ankizy
[Avy ao amin’ny teny Espaniola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana] Tsy vaovao ny olana amin’ny fampiasana ankizy ao Amerika Latina. Tamin’ny taona 2009, namoaka andian-dahatsoratra momba ny fampiasana...
Bahamas: Fanamarihana Tamin'ny Fitifirana tao Colorado
Tsy dia nisy fanehoan-kevitra mivaingana loatra teny anivon'ny tontolon'ny bilaogy Caribbean mikasika ilay fifitirana tao aminà trano iray fandefasana sarimihetsika tao Colorado - izay lazaina ho ny tena nahafaty olona betsaka indrindra teo amin'ny tantaran'i Etazonia ankehitriny - notehirizin'ny bilaogera Bahamiana roa, izay ho azy ireo dia vaovao mahakasika akaiky ny taniny
Syria: Lahatsary Mitatitra Ny Fiakaran'ny Fifandirana
Mampirehitra ny haino aman-jerim-bahoaka ny vaovao misy ao Syria. Nahafahan'ireo mpijery mba hanaraka ireo dingana tena nampiakatra avo ny hamafin'ny fifanolanana ny lahatsary nalefan'ireo mafana fo tao amin'ny YouTube.
Ejipta: Lahatsary Fanadihadiana Mpanao Gazety Tao Anatin'ny Revolisiona Atao Fitetezam-Paritra Any Etazonia
Tenin'ny nanatri-maso (Words of Witness), mitety faritra ao Etazonia ilay “lahatsary fanadihadiana” momba ilay tovovavy mpanao gazety nitatitra mikasika ny revolisiona Ejipsiana. Nandeha voalohany tao amin'ny fetiben'ny sarimihetsika ao Kalifornia...
Zambia: Maro Noho Ny Atleta Ny Manampahefana Ho Any Amin'ny J.O. Londres?
Ny fandraisana anjara no zava-dehibe? Ny tompondaka erantany teo amin'ny 400metatra misy fefy, Samuel Matete, no Zambiana farany nahazo meday olaimpika fony tany Atlanta 1996 raha tany Los Angeles 1984 kosa ny meday voalohany tamin'ny alalan'ny mpanao ady totohondry Keith Mwila.
Libanona: Resadresaka Nifanaovana Tamin'i “Brofessional Review”
Sivy volana lasa izay, nanangana bilaogy mifandraika amin'izay rehetra miompana amin'ny haibika (design) ry zareo. Miandry fatratra izay avoakany na ny heviny ny mpamaky raha vao misy marika na doka fanentanana na varoboba mipaka any amin'ny tsena. Nifampitafatafa tamin'izy ireo hahalalana bebe kokoa amin'izay ataony ny Global Voices Online
Iran: Zazavavy Kely 13 Taona Ve No Atahoran'ny Fitondràna?
Tsy ela akory izay dia niteraka fisavoritahan-tsaina ny fitsaràna iray momba ny filaminana tamin'ny nanakànany ny fivahinianana any ivelany ho an'ny zanaka vaviny 13 taona, Mehraveh Khandan sy ny vadin'i Nasrin Sotoudeh, mpisolovava mpiaro zon'olombelona mbola any amponja. Nasrin Stoudeh dia voaheloka hifonja 11 taona an-tranomaizina.
Madagasikara: Mankafy ny Fiadiana Tompon-dakan'i Afrika 2012 ho an'ny baolina lavalava
Madagasikara no mampiantrano ny Fiadiana Tompon-daka nokarakarain'ny Konfederasiona Afrikana ho an'ny Baolina Lavalava (CAR), fifaninanan'ny Vondrona 1B nanomboka ny 4 Jolay hatramin'ny 11 Jolay lasa teo. Ireo firenena hafa tao amin'ny vondrona dia i Maraoka, Namibia ary Senegaly. Raha sahirana tamin'ny olana ara-toekarena sy ara-politika ny firenena nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakàna tamin'ny 2009, miezaka ny miala amin'ny adin-tsainy isanandro ny vahoaka Malagasy amin'ny alalan'ny ekipa Nasionaly Malagasy amin'ny baolina lavalava, fantatra amin'ny anarana hoe "Makis de Madagascar" (Ny Maki an'i Madagasikara)
Ozbekistana: Tambajotra Sosialy ‘Nasionaly’ Hala Tàhaka Tamin'ny Facebook
Nokianin'ireo mpiondana aterineto ny Youface, ilay tolotra tambajotra "nasionaly" natomboka ao Ozbekistana, ho toy ny "hala tàhaka ratsy" ny Facebook. Nefa kosa, ilay tolotra izay lazaina fa miezaka ny "hampiroborobo ny fitiavana ny an'ny tena" dia samihafa amin'ny Facebook sy ny tambajotra sosialy mampiasa ny fiteny Rosiana malaza eny anivon'ireo Uzbek mpanjifa. Ny sasany amin'ireo mpiondana aterineto sy ny manampahaizana dia matahotra sao ny tena tanjona amin'io sehatra "nasionaly" io dia ny hanaraha-maso ireo mpampiasa aterineto ao amin'ny firenena.
Mozambika: Fodian'ireo Mpianatra Voaroaka Avy Any Sodana
Dimy tamin'ireo mpianatra telopolo nisoratra hahazo vatsim-pianarana ao amin'ny Anjerimanontolo Iraisampirenen'i Sodana izay, tany akaikin'ny faran'ny Aprily, no nanasonia fitarainana iray teny anatin'ireo tambajotra sosialy, mikasika ny olana ara-bola sy sosialy atrehan-dry zareo ao amin'ity firenena mampiantrano an-dry zareo ity, ary efa tafaverina any Mozambika ...Raha izay mba fantatra, tsy misy, hatramin'ny anio, olona nandray ny andraikiny