Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Desambra, 2010
COP16: Famaranana avy amin'ireo Tanora Mpikaroka
Niblaogy ireo tanora "mpikaroka" avy amin'ny Tetikasa Manangàna mpanelanelana nandritra ny Fivorian'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro, izay natao tany Cancun, Mexico. ireto ny santionany amin'ny fanambarana sy eritreritra farany momba izay nitranga tao amin'ny COP16 avy amin'ny fomba fijerin'ny fireneny trsirairay avy.
Puerto Rico: Mitoetra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico ny mpitandro filaminana
Taorian'ny fifaranan'ny fitokonana roa andro nataon'ny mpianatra, nitoetra tao amin'ny "campus" foibe an'ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico ny mpitandro filaminana, voalohany izao hatramin'ny 1981, izay mialoha ny fitokonan'ny mpianatra amin'ny 14 Desambra. Mitobatobaka ny fanehoan-kevitra amin'ny tontolon'ny blaogy sy ny media sosialy.
Syria: Avelao hirotsaka ny ranomandry!
Toetrandro tsy nahazatra loatra narahan-tafiotra no nanamarika ny herinandro lasa teo tany amin'ny faritra maro tany Levant, raha nirotsaka ny orana efa nandrasana ela sy ny ranomandry tsy nampoizina nandrakotra izay rehetra taka-maso. Tao an-drenivohitra Siriana, sambany rakotra ranomandry indray ny arabe rehetra raha tsy nisy izany an-taona maro. Tao Damas, na dia misy ranomandry tsindraindray ihany aza, tsy dia mijanona ela eo ambonin'ny tany ireny.
Kuweit: “Mitsangàna ary miadia ho an'ny tanoranao!”
I Abdulla Al-Moussawi, antsoia koa hoe “Sayed, ilay vatosoan'i Arabia,” izay heverina ho Maradona any aoriana, no niteraka resabe tao amin'ny bilaogin'i Mark. Mpana-talenta vao sivy taona monja i Abdulla, afaka jerenao eto...
Zazavavy Maleziana 14 taona manambady
Tokony afaka hanambady ve ny zazavavy 14 taona? Vao haingana izay dia namela zazavavy iray 14 taona hanambady lehilahy mpampianatra 23 taona ny Fitsarana Syariah any Malaizia. Miady hevitra mikasika ny fanambadian'ireo ankizy ny mpitoraka-bilaogy