Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Mey, 2012

29 Mey 2012

Zeorzia: Andianà Mpitondra Fivavahana Ortôdôksa Nanafika Mafàna Fo LGBT

Teo am-panaovana diabe hanamarihana ny 17 May, Andro Manerantany Hiadiana Amin'ny Fanilikilihana, dia nosakanan'ny andianà Kristiana Ortodoksa ireo Olona Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana LGBT Zeorziana,tao Tbilisi, renivohitra Zeorziana. Tatitr'i Mirian Jugheli

28 Mey 2012

Andian-dahatsary: Miady Amin'ny Fanilikilihana ny Fitenin-Janatany

Ny tantaran’ny mpitolona sy ny fiarahamonina indizeny manerantany izay mijoro manohitra ny fanavakavahana sy manome vahaolana hanomezan-danja indray ny fitenin-drenin’ny indizeny no hoentin’ny andian-dahatsary Al Jazeera's Living the Language (Ny fomba iainan’i Al Jazeera ny Fiteniny) ho antsika.

27 Mey 2012

Maoritania: Kapoka Mandrivorivo Nataon'ny Mpianatra Tamin'ny Prezidansa

Nanao fanambarana tsy nampoizina [ar] nandritra ny valan-dresaka nomanin'izy ireo sady nampitain'ny televizionam-panjakana Maoritaniana tamin'ny 3 Mey teo ny vondrona mpianatra Maoritaniana iray. Nambaran-dry zareo ary fa nanandrana nanolikoly azy ireo hampitsaharana ny tolony hitaky ny zon'ny mpianatra sy hampitsahatra ny hetsi-panoherana sy ny sit-ins isan-karazany ny chief of staff Isselkou Ould...

23 Mey 2012

Lahatsary: Fahafahana Manangana Mandritra Ny Fanazarana Manao Media Ao Amin'ny Rising Voices

Nanatontosa ny atrikasa fandraisam-peo ny tetikasa Karen Border News eo amin'ny sisintany manelanelana an'i Myanmar sy i Thailandy, vatsian'ny Rising Voices.

22 Mey 2012

Lahatsary: Misokatra Ny Latsabato Ho An'ny Adobe Youth Voices Aspire Awards

Mampiseho ny asany avy amin'ny alalan'ny Adobe Youth Voices Aspire Awards ireo tanora tsy ampy fivelomana mianatra ireo fitaovan'ny multimedia. Ao anatin'io fifaninanana io ny lahatsary fanadihaiana, rakikira an-tsary, tononkalo, raki-peo, fanomezana endrika, fitantàrana, sarimiaina ary saripika.

21 Mey 2012

Makedonia: Zavakanto Graffiti Nandritra”Fotoan'ny Antikite Velomina Indray”

Nisy Lahatsary fampafantarana fohy momba ny graffiti Makedonianina ao anatin'ny fotoan'ny fanohanan'ny fitondrana ny zavakanto sady mampiroborobo ny fananganan-trano sy fanorenana goavana nokarakarain'ny manampahaizana vehivavy sady bilaogera roa–Vasilka Dimitrovska sy Ilina Jakimovska–naseho tao amin'ny efi-pivorian'ny tranombakoka vao nohavaozina Buffalo TAG 2012. Nampitondrania ny lohateny hoe “Liona, Mpiady ary ny Artistan'ny Graffiti : Tohitra kolontsaina...

18 Mey 2012

Arzantina: Manova Ny Manodidina Amin'ny Alalan'ny “Hangara” Ara-Kolontsaina

Eo an-dalam-panovana ny manodidina azy amin'ny alalan'ny kolontsaina, zavakanto ary ny fitaovana fampitan'olo-tsotra vaovao ny "Hangara"n-kolontsaina Piedrabuenarte miorina amin'ny tanàna manamorona an'i Buenos Aires, Arzantina. Resadresaka momba izany

17 Mey 2012

Kenià : Hokaramaina Sa Tsia Ireo Mpianatra asa (#PayInterns)?

Nanomboka adihevitra mafana iray ilay Keniana mpandefa Tweet @RobertAlai ny faha 14 May, 2012 mikasika ny tokony hanakaraman'ireo Orinasa ireo mpianatra asa. Nanambara izy fa ny tsy fanomezana karama ireo mpianatra asa dia endrika fanararaotana. Nampiasa ny tenifototra #PayInterns ireo mpandefa Tweet mba hanontaniana ny momba izany ary mandrisika ireo...

Alzeria: Nihena Ny Tahan'ny Mpifidy Nandritra Ny Fifidianana Solombavambahoaka

Hatramin'izay nisian'ny lohataona Arabo izay, tamin'ny 10 Mey lasa teo no nisy fifidianana solombavambahoaka voalohany tao Alzeria. Nasehoan'ireo vahoaka marobe tamin'ny alalan'ny tsy fandehanany mifidy ny tsy fankasitrahany ny rafitra politika misy ankehitriny.

Indonezia: Tsy Nomena Alalana Ny Fampisehoan'i Lady Gaga

Taorian'ny fanerena nataon'ny vondrona politisiana mametraka an'i Lady Gaga ho mpivavaka amin'ny devoly, nanambara ny polisy Indoneziana fa tsy hanome fahazoan-dalana amin'ilay fampisehoana nandrasana fatratra hataon'i Lady Gaga tany Jakarta, ka niteraka fahadisoam-panantenana ny mpankasitraka azy mihoatra ny 50.000.