· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Febroary, 2013

Syria: “Lens of a Young Homsi”, Sarin'ny Tanàna Iray Atao Fahirano

Nanjary loharanom-baovao manana ny lanjany mikasika ny tanàna Siriana iray iharan'ny fahirano ny vondronà iray ahitàna tanora mpaka sary avy ao Homs. Fanampin'ny fanaovany izay hahafantaran'izao tontolo izao ny zava-mitranga isanandro ao Homs, mahazo fangatahana ihany koa ry zareo isanandro avy amin'ireo olona nandositra ny tanàna ka te-hahalala raha toa rava na tsia ny trano fonenan'izy ireny.

Manakenda Ny Artista Ny Lalàna Ao Japana Mikasika Ny Fahavetavetana

  19 Febroary 2013

Nosamborina ilay mpaka sary lamaody antsoina hoe Leslie Kee noho ny famarotana sary mamoafady tamin'ny fampirantiana nataony farany teo tao Tokyo. Fa fanehoana talenta ve ny sanganasany sa fanehoana fahavetavetana? Ao anatin'ity lahatsoratra ity isika dia mahita ny fisian'ny lalàna izay 'manamavo' ny fanehoana ny talenta ao Japana.

Bangladesh: Mankao Shahbagh Avokoa ny Lalana Rehetra

  12 Febroary 2013

Ao Shahbagh, mandray andraikitra ny tanora ary nampitsahatra ny resaka politika tamin'ny andro fahaefatry ny hetsika. Mpanao fihetsiketsehana an'arivony no manohy mibodo ny arabe fiolanana midadasika indrindra ao andrenivohitr'i Bangladesh,...