Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Febroary, 2021
Tarika hip-hop iray tsy mitendry afa-tsy zavamaneno nentim-paharazana mba hanorenana kolontsaina Kazakhstani vaovao
Tetikasa andrana ara-mozika iray no miezaka manova ny fomba fijery ratsy atao amin’ny kolontsaina ambanivohitra, amin’ny famokarana hira vaovao mampiasa ireo zavamaneno nentim-paharazana.
Hotarihan'i Beijing ny ankizy mpianatra ao Hong Kong hahay ny fiarovam-pirenena
Takian'ny torolalana, navoaka tamin'ny 5 febroary ny mpampianatra amin'ny ambaratonga rehetra hampianatra ireo fandikan-dalàna mivoitra amin'ny lalànan'ny fiarovam-pirenena ao Hong Kong.
Ao Trinidad & Tobago, tratran'ny fahirano ny vehivavy, indraindray na ny voambolana aza tsy misy heriny
Ny tiako dia tontolo izay tsy mety ahafahana mamono antsika. Ny tiako dia nosy izay ifohazantsika sy idirantsika taxis izay ahazoana antoka feno fa tsy ho alaina ankeriny isika.'
Rosia: Mitady fialokalofana any Géorgie ilay [zazavao] voantso ho miaramila
Nangataka fialokalofana any amin'ny Repoblikan'i Géorgie mba handosirana ireo “fepetra tsy zaka” ao amin'ny tafika Rosiana i Aleksandr Glukhov, tanora Rosiana 21 taona voantso ho miaramila. Tao amin'ny toerana fisakafoana McDonald's any Tbilisi no iray tamin'ireo fisehoan'i Glukhov tamin'ny fampitam-baovao.
[FAMERENANA] ‘The Milk Tea Alliance': Thailandy, Taiwan ary Hong Kong miray hina hitolona ho amin'ny demaokrasia
Tsy nahatratra ny fandefasana mivantana ny webinar [seminera-web] Global Voices Insights momba ny "Milk Tea Alliance"? Indro ary ny famerenana azy ho hitanareo.