Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Jolay, 2010
Bangladesh: ankizy iray ananganana indray ny sekoly
Ankizy iray dia ampy nitantarana ny fahasimban'ny trano fianarany nanoloana ny fakantsary : nandritra ny volana nanaraka izay, isaorana i Shawn Ahmed avy ao amin'ny Uncultered Project and Nerdfighters, izay...
Ireo mpitoraka blaogy mikasika ny lamaody any Indonezia
Ireo mpitoraka blaogy malaza any Indonezia dia ireo mpitoraka blaogy miresaka lamaody sy ny fomba fiainana izay matetika tanora vehivavy . Iza izy ireo ary fa maninona izy ireo no malaza?
Slovakia: Ireo fitsangatsanganan-tsekoly Hongroazy
Mampifandray ny fihetsik'ireo Slovaky mponin'ny aterineto amin'ny lalàna Hongroa vaovao izay mety hitondra ireo ankizy mpianatra Hongroa any amin'ireo firenena mpiray vody rindrina any Hongrie teo aloha i Tibor Blazko .
Maraoka: Zazakely iray mpitoraka blaogy miarahaba an'izao tontolo izao
Nanomboka nanana blaogy i Salma teo amin'ny fahaenin-taonany mba ahafahany mifandray amin'ny namany sy ny fianakaviany.Tia manoratra tantara fohy sy mizara ny olana mahazo azy isan'andro any an-tsekoly amin'izao tontolo izao ity zaza Maraokana mpitoraka blaogy ity saingy eo imason'ny raiamandreniny avokoa izany.
Inde: Avy amin'ny tora-bato teny an-dalamben'i Kashmir ka hatramin'ny fanoherana ny Facebook
Mangotraky ny fihenjanana sy ny haromontana amin'ireo herim-piarovana Indiana izay nahafaty tanora mpanohitra maromaro , ny Indiana mitantana an'i Kashmir . Natao ny fanakanana ny simaiso (SMS) hanakanana ireo tsaho ary miha-miankina hatrany amin'ireo fitaovan'ny haino aman-jery ara-tsosialy hizaràna ny vaovao sy hitondra ireo fanoherana atao azy ireo ny tanora Kashmiri .
Palestina: Ny hirifirin'ny sesitany
Ny mpitsoa-ponenana Palestiniana no iray isan'ny betsaka indrindra amin'ireo vahoaka nafindra-monina maneran-tany, miaraka amin'ny Masoivohon'ny Firenena Mikambana misahana ny Asa sy Fanampiana ny mpitsoa-ponenana ao Palestina any Proche Orient (UNRWA) izay mitondra fanampiana ho ana mpitsoa-ponenana voasoratra anarana efa ho 4.7 tapitrisa any amin'ny faritra Palestiana bodoina, Jordan, Libanona ary Syria. Mbola an-tapitrisany koa ireo Palestiniana nafindra monina sy mpitsoa-ponenana miaina eran'izao tontolo izao. Na izany aza, lalim-paka ny fifikiran'izy ireo amin'ny tanindrazana nilaozan'izy ireo, na ny raiamandreniny na ny raibe sy renibeny any aoriana any. Mpitoraka blaogy roa avy ao Gaza no nanoratra momba ny hirifirin'izany hoe an-tsesitany.
Togo: Manararaotra ny fivoaran'ny teknolojia ireo vehivavy sy ireo tanora
Tamin'ny faha-17 Jona, nisokatra tany Ouagadougou, Burkina-Faso[fr] nyfihaonam-be panafrikana fahatelo mikasika ny fomba fampiasa tsara indrindra ny ICT [TIC amin'ny teny Frantsay; Teknolojian'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana] any amin'ny tany miteny frantsay ao Afrika . Raha miompana kokoa amin'ireo ftetika hifehezana ny heloka bevava anaty Aterineto ny fihaonam-be, ireo tontolon'ny blaogy Togolezy kosa dia manararaotra sy miresaka ny tanjaky ny teknolojian'ny fampitam-baovao ho amin'ny fampandrosoana, indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora
Bahrain: Atsaharo amin'izay!
Miaraka amin'ny volana masin'ny Ramadan silamo (volana fifadian-kanina) izay mihamanakaiky haingana dia haingana, ilay mpitoraka blaogy Bahraini Tawfeeq Al Rayash dia manenjika bitro roa. Mifady hanina mandritra ny telo volana...
Philippines: Ny hevitry ny mpitoraka blaogy momba ny fanabeazana mikasika ny firaisana ara-nofo
Eo am-pampiharana ny fandaharam-pianaran'i Etazonia taloha izay naverina indray momba ny fanabeazana ara-pananahana ho an'ny ankizy sy ny tanora, eny amin'ny sekolim-panjakàna, ny Governemanta Filipiana amin'ity taom-pianarana ity na dia naneho fanoherana goavana an'io fandaharam-pianarana io aza ny Fiangonana Katôlika. Nanadihady mikasika izany ny mpitoraka blaogy.
Malezia: Mihevitra ny hanafoana fanadinana roa ny Ministeran'ny Fanabeazana
Ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Maleziana, Muhyiddin Yassin, dia nilaza tsy ela akory izay ny mety hanafoanana andiam-panadianana roa voarakitra ao anatin'ny rafi-pampianarana amin'izao fotoana. Miady hevitra momba izay mety ho tombontsoan'ny mpianatra amin'ity fanavaozana ity ireo mpitoraka blaogy