Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Oktobra, 2012
Chile: #LosQueSobran Fanentanana Manosika Ny Tanora Handeha Any Amin'ny Biraom-Pifidianana
Misy vondro-pikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Shiliana iray miara-dia handrisika ny tanora Shiliana hifidy mandritra ny Fifidianana Kaominaly izay hotontosaina amin'ny Alahady 28 Oktobra 2012. Manao izao hetsika izao ireto fikambanana ireto...
Taorian'ny Horohorontany, Nanangana Gazetim-Paritra Ny Olo-tsotra Ao Japana
Zara fa misy mahalala ny voka-dratsin'ny ‘Horohorontany lehibe tao Atsinanan'i Japan’ (fantatry ny iraisampirenena ho horohorontanin'i Japana 2011) tao Otsuchi, tanàna kely ao amin'ny prefektioran'i Iwate. Tsy dia fantatra izany noho ny...
Fahirano Ny Antenimera Portiogey: “Tsy Tetibolanay io”
Nisy fahirano ny Antenimiera Portiogey [pt] nitranga tamin'ny 15 Oktobra 2012, andro ofisialy nametrahan'ny fitondrana Portiogey ny tetibolam-panjakana 2013 [pt] tamin'ny Filohan'ny Antenimiera. Gaga amin'ny tsy filazan'ny fahitalavitra amin'izy ity olo-tsotra mampita vaovao
Madagasikara: dingana lehibe no vitan'ny Global Voices amin'ny teny Malagasy
Vao avy napariaka ny lahatsoratra faha 5'000 nadika amin'ny teny Malagasy ny tetikasa Lingua Global Voices amin'ny Malagasy.
Shina: Nitoraka tamin'ny kiraro ny mpianatra iray hiarovana ny fahafahana maneho hevitra
Tamin'ny 7 oktobra 2012 lasa teo dia notorahan'ny mpianatra iray avy ao amin'ny oniversite Hainan tamin'ny kiraro ny mpitantara maoista iray antsoina hoe Sima Nan, nanoherany ny tsy fahafahana maneho hevitra any Shina.
Repoblika Dominikana : Volavolan-dalàna Fanenjanana Kokoa Ny Fanasaziana Ny Tsy Ampy Taona
Nolanian'ny Antenimieram-pirenena ny Lalàna mikendry ny hampiakatra ny fanasaziana faratampony ho an'ny nahafaty olona mialoha ny fahafenoan'ny taonany izay mampiady hevitra fatratra. Saingy tsy maneho fanohanana ilay lalàna tahaka izany ny fiarahamonim-pirenena isan-karazany
Kenya: Afaka Mividy Antsika Ny Vola Hoy Ny ‘Campus Divas for Rich Men’
Ny "Campus Divas For Rich Men" (Kalamanjan'i Campus ho an'ireo Lehilahy Manan-karena) dia pejy irao ao amin'ny Facebook natokana hanjonoana ireo tovovavy Kenyana mbola mpianatra ary latsaky ny 26 taona hiaraka amin'ireo lehilahy manan-karena, anatin'ny sokajin-taona rehetra. Ny adihevitra mikasika ilay pejy dia nampipongatra ny olana tahaka ny fanarahamaso ny tambajotra sosialy, VIH/AIDS, finoana sy fomban-drazana Afrikana, ny vintana ho an'ireo tanora Keniana, ny fahantrana, ny fitiavam-bola tafahoatra ary ny tsindrin'ireo mitovy amin'ny tena eo amin'ny samy Keniana mpianatry ny anjerimanontolo.