Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Febroary, 2023
Mitaky ny zony ety anaty tambajotra ry zareo Togoley
Ao Togo, mampiasa fikatrohana an-tserasera ireo tanora mba ho ren'ny mponina fa indrindra koa ny governemanta.
Ao Nizera, mihoatra ny antsasa-manilan'ireo ankizy no tsy manana sora-piankohonana
Noho ny tsy fisian'ny sampan-draharaha mpirakitra fahaterahana eny ambanivohitra, efa ho ny antsasaky ny ankizy ao Nizera no tsy voasoratra eo am-pahaterahana
Tontolon'ny mozika Tôgôley miditra anaty fanatontoloana, nefa tsy manary ny fototra niaviany
Manankarena amin'ny fahasamihafàn'ny fiteny sy ny mozika i Tôgô, miditra amin'ny fanatontoloana ny mozikany izy, izay efa ekena eo amin'ny sehatra nasiônaly sy iraisampirenena
Fantaro i Jean de Dieu Sovon
GV : Afaka ambaranao aminay ve ny momba anao ? Iza marina moa i Jean de Dieu Sovon ? Jean de Dieu Sovon (JDS) : Ao anatin'ny sora-pahaterahana dia Kosssi Agbéko Sovon no anarako. Mpanao gazety aho ary Jean de Dieu Sovon no anarana entiko ao anatin'izay asa izay. Zaza faharoa ao anatin'ireo...
Fantaro i Guillaume Cottin
GV : Afaka ambaranao aminay ve ny momba anao ? Iza marina moa i Guillaume Cottin ? Izaho no Guillaume, 24 taona ary somary malala-tsaina ihany (raha ny fihevitro XD). Miasa ao anatin'ny sehatry ny fanabeazam-bahoaka aho ary tia mampita ireo soatoavina maha-olona hankany amin'ireo tanora (tanora kokoa noho izaho, mazava ho...
Any Rosia, tsy azo antoka ho an'ny ankizy ny lalao video. Saingy tsy noho ny antony mahazatra
Nikita Uvarov, a teenager from Siberia, is serving a five-year jail sentence for planning to build the FSB building and blow it up in Minecraft. Migadra dimy taona noho ny fikasana hanorina ny tranoben’ny FSB sy hanapoaka izany ao amin'ny Minecraft i Nikita Uvarov, zatovo avy any Siberia.
100 taona taty aoriana, niverina mafonja indray ny Tanabra. Fitontonganan'ny fitiavana mozika Sodaney ve ?
Niverina ao Khartoum ny mozikan'ny Tanabra avy any ambanivohitra, namporisihan'ireo miaramila taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny tafika, tamin'ny fotoana nanirian'ireo Sodaney hamelona indray ny kolontsaina eo amin'ny fiainany andavanandro.
Ahoana no ahafahan'ny Fetibe Black Star Line sy ny hip-hop hampavitrika kokoa ny pan-afrikanisma
Nisongadina tamin'ny fetibe ny fanomezam-boninahitra an’i Garvey nanomezana ny anarany hoan'ny orinasany fandefasana entana sy ny fampianarany sy ny fanatanterahana ny lova napetrany tamin'ny fampiraisana ny vahoaka Afrikana tamin'ny alalan'ny fiantsoana ireo mpanakanto amerikana ho any Afrika sy ny famafazana ny voan'ny fifanakalozana ara-kolontsaina.