· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Aogositra, 2009

USA: “Ho roahina hody aho amin'ny Alarobia”

Herta Llusho dia mpianatra vao 19 taona mety ho voaroaka hiala an'i Etazonia hody any Albania amin'ny Alarobia 19 Aogositra. Mpitoraka blaogy maro ao amin'ny DreamActivist.org sy blaogy maro hafa ho an'ny zon'ny mpifindra monina no miantso ny Amerikana mba hanampy azy.

18 Aogositra 2009

Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael Bogar

Taorian’ireo disadisa telo tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny Tetikasa Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i Global Voices Online momba ny tanjaky ny fitaovana haino aman-jery vaovao hisorohana disadisa sy hamerenana ny fifandraisana eo amin’ireo firenena mifanditra.

14 Aogositra 2009

Firenena Mikambana: fifaninanana horonantsary ho an'ny olona 9-25 taona momba ny fifindra-monina

Mikarakara ny fifaninanana horonantsary Plural+ momba ny fananganana fiaraha-monina mandray andraikitra sy mahay mifandefitra kokoa ny 'Vovonana momba ny sivilizasiona ao amin'ny Firenena Mikambana [United Nations Alliance of Civilizations]'. Misokatra ho an'ireo mpandray anjara rehetra eo anelanelan'ny 9 hatramin'ny 25 taona hatramin'ny 30 Septambra io fifaninanana io

04 Aogositra 2009

Shina: Ho vita hatreo ve ny politikan'ny zaza tokana?

Araka ny voalazan'ny Time magazine, dia mety hiova ny politikan'ny zaza tokana, anankiray amin'ny maha shina an'i Shina ankehitriny. Taorian'ny fandrisihan'ny tompon'andraikitra momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana avy any Shanghai...

02 Aogositra 2009