Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Oktobra, 2014
Fahatsiarovana An'i Hazel Ward-Redman ilay Olo-Malaza Mpisava Làlana Ny TV Tao Trinidad & Tobago
Nodimandry i Hazel Ward-Redman, izay nanasongadina ny talenta ara.javakanto sy mozikan'ireo tanora ao Trinidad sy Tobago tamin'ny alàlan'ny fandaharany tao amin'ny fahitalavitra. Maneho fanajàna azy ireo taizany sy ireo mpankafy.
Afaka Ho Raràna Tsy Hividy Toaka Ve Ireo Vehivavy Ao Myanmar?
Ny tahan'ny fisotroana toaka ao Myanmar no ambany indrindra any amin'ny faritra Atsimo-Atsinanan'i Azia, maro anefa ny resaka fa miova izany ankehitriny. Voatatitra fa miady hevitra amin'ny fandraràna ireo vehivavy any amin'ny faritra sasany tsy hahazo hividy toaka ireo manampahefana.
Hong Kong: Tahotra Ny Hery Famoretana Toy Ny Tany Tiananmen Raha Mitohy Kosa Ny Fihetsiketsehana
Miantso ny lehiben'ny mpanatanteraka ao Hong Kong mba hametra-pialàna ny Occupy Central, raha samy matahotra fidirana an-tsehatry mahery vaika avy amin'i Beijing ireo mpikambana avy amin'ny ankolafy roa, ny mpomba ny governemanta sy ny ankolafy mpanohitra.
‘Nofinofy Kely Ho Lasa Fiovàna’, Hetsika Tsara Indrindran'ny Media Sosialy Any Oganda
Nitafatafa tamin'i Esther Kalenzi, mpamorona ny 40 Days Over 40 Smiles i Tumusiime Patrick momba ny asa soa ataony, izay manampy ireo ankizy sy vondron'olona marefo mba hahazo fampianarana an-tsekoly sy fampianarana mikasika ny fiainana.
Voaràra ny Fanaovana Fihetsiketsehana Ao Thailandy, Saingy Nataon'Ireo Mpianatra izany Hanohanana ny Hetsika Ao Hong Kong
Namoaka lalàna fandraràna fivorian'ny olona dimy noho mihoatra ny miaramila Thailandey, izay nandrombaka fahefana tamin'ny volana Mey lasa teo. Saingy tsy manakana ireo mpianatra haneho fanohanana hoan'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong izany.
Midina Ny Hofantranon'ny Mpianatra, Afa-tsy Ao Parisy
Midina ny hofantrano any aminà tanàna 13 afa-tsy Parisy izay tsy maintsy anomànana 1.249 euros ho anà efitrano 2. Fa nahoana i Parisy no miavaka ?