Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Mey, 2008
Rosìa : Soratsoratra eny amin'ny rindrin'ny tànanan'i Moasko
Lyndon no manapariaka ao amin'ny Scraps of Moscow ireo sarina soratsoratra any amin'ny rindrin'ny tànana'i Moasko izay nalaina tamin'ny taona 2004-2005, rehefa avy “nandio” ireo andian-tsary teo am-pelatanany izy.
Kôngô (RDK) : Fanentanana ho fampitsaharana ireo fanolanana
Black Looks [fijerin'ny mainty] no mitatitra mikasika ny fanentanana ho fampitsaharana ireo fanolanana sy herisetra mikasika ny fitaovam-pananahan'ny vehivavy any Kôngô (RDK) : The one month campaign against sexual violence...
Guyana : Ny itiavako azy
Guyana-Gyal no mizara izay fomba fijeriny izay fomba ahafantarana fa tena fitiavana ? any Guyana : Mammy, you know what I think love is? It ain’t the giving of things....
Brezila: Famonoan-jaza ataon'ny fampahalalam-baovao fampisehoana
Maty tao anatin’ny toe-javatra tsy dia mazava loatra ny zazavavy iray. Ny rainy sy ny renikeliny avy hatrany no voalohany ahiahian’ny haino aman-jery sy ny hevitry ny olona amin’ny ankapobeny, saingy mbola andalana ny fanadihadiana ofisialy. Mba mety ve ny mampino mponina mahatratra 160 000 000 heloka famonoana ny zanany vavy alohan’ny fivoahan’ny didim-pitsarana amin’ity raharaha ity? Fa inona daholo ny resaka manodidina sy ambadik’ity raharaha ity ? miresaka momba izany ny tontolom-bolongana breziliana.