Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Avrily, 2019
Rosia: Hetsi-panoherana An-kerim-po sy ny Lalàna
Tamin'ny 17 Novambra 2006, nankatò volavolan-dalàna iray manafoana ny tahàm-pandraisana anjara farany ambany indrindra (20%) ho an'ireo fifidianana rehetra any Rosia ny Duma Rosiana. Androany, nanao sonia izany ho lalàna ny filoha Vladimir Putin.
Azia Atsimo: Tsy fananana Asa, Fikambanan-drelijiozy, Valala, Mpangataka Mpanefoefo Ary Fandriana Fanampiny An'ireo Blaogera
Azia Atsimo, faritra iray amin'ireo mahantra indrindra erantany. Tsy fananana asa no iray amin'ireo olana goavana ho an'ireo firenena rehetra ao amin'ny faritra. Manoratra ampahany iray mikasika ny asa ao Azia Atsimo ny South Asia Biz. Dinihany ireo vavahadin-tserasera momba ny asaan-tambajotra any Nepal, India, Bangladesh, Pakistana, ary Sri Lanka.
Ireo Libiana Blaogera Tao anatin'ny Herinandro
Somary nahaliana iny herinandro lasa iny raha toa ka niresaka mikasika ireo fahamendrehana mifandraika amin'ny zava-misy virtoaly sy ny tontolo miafina, na momba ny vintana amin'ny Second Life (Fiainana Faharoa) izay afaka hidiranao foana na rahoviana na rahoviana raha toa ka leo amin'ny fiainanao amin'izao fotoana izao ianao.
SARIPIKA : Nitohy nanerana an’i Venezoela ny hetsi-panoherana
Nitohy tany amin’ireo tanandehibe Venezoeliana maro ny fihetsiketsehana nokarakaraina sy notarihin’ireo mpianatra ny ankamaroany. Feno ny sarin'ireo fihetsiketsehana ireo ny tambajotra sosialy ary indrindra fa ny Twitter.
Ejypta: Polisy namono tovolahy, 12 taona
Zeinobia, avy any Ejypta, nitatitra fa maty novonoin'ny polisy ilay tovolahy 12 taona voasambotra noho ny fangalarana tany anaty magazay.
Niteraka hetsi-panoherana tany amin'ireo faritry ny anjerimanontolo any Torkia ny fanararaotana sy ny fanorisorenana ara-nofo
"Nanery ahy izy ... Nakapokapony teo amin'ny tany in-telo na in-efatra ny lohako . Torana aho. Rehefa nanokatra ny masoko aho dia efa tamin'ny 1.30 maraina ny ora."
Japana: Fandikanteny Ifarimbonana amin'ny Fotoan'ny Krizy
Niditra teo amin'ny sehatra iraisampirenena i Japana rehefa voadonan'ilay horohorontany nahatsiravina tamin'ny 11 Martsa 2011. Raha toa ka nikoriana avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao ireo fanadihadiana, hatsaran-tsitrapo, torohevitra sy fanomezana ara-bola maro, nanao izay vitany kosa ireo olompirenena tsotra, tamin'ny fandraisana anjara tanatin'irep tetikasa fandikan-teny ifarimbonana ohatra.
Mamelively mpianatra lisea iray mitsikera ny governemanta ny fampitam-baovao mpanohana ny fanjakana Hongroà
Niaritra fanaratsiana amin'ny fahaizany sy iharan'ny fanohintohinana ara-nofo mihitsy aza i Nagy, tamin'ny niantsoan'ny sehatra iray azy ho "makorelina".
Tanora manao rastà na manao tombokavatsa ao Nizeria? Mety hanorisory sy hamono anao ny polisy
SARS: 'Sampana polisy miasa ivelan'ny lalàna'
Maraoka : Nakaton’ny Facebook ny kaontin’ny vondrona mpikatroka manandratra ny mahalahika sy ny mpanorina azy
Hita fa toa tsy mihatra ny fanambarana momba ny zo sy ny andraikitra raha tsy misy mpisera maro manohitra ny fisian’ny vondrona iray, ary rehefa nesorina izany dia matiteka mahatsikaritra ireo mpanorina fa tsy afaka manokatra izany intsony izy ireo.