Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Novambra, 2018
Fiampitàna An'Ireo Sisintany Siria-Tiorka: Loza Isan'ora

"Nanao hazakazaka madinika 50 metatra teo ho eo izy ireo manelanelana ny làlana tara sy ny tendrombohitra... 30 minitra taty aoriana, nijanona ilay mpitaridalana sady niteny tamin'izy ireo fa efa nihoaran'izy ireo ny faritra mampididoza."
Ejipta: Literatiora “Kleenex” ao amin'ny foaran'ny boky iraisampirenena ao Kairo
Nataon'ny bilaogera ejipsiana nihotakotaka ny Foaran'ny boky iraisampirenena 2009 tao Kairo tamin'ny famoahan-dry zareo lohatenim-boky vaovao miisa 15. Ny dinan'ny mpanoratra no mametraka ny literatioran'ny bilaogera ho literatiora "Kleenex".
Na dia eo aza ny fandrahonana amin'ny fisamborana, dia lasa nalaza tao Thailandy ny hira rap mitsikera ny fitondrana miaramila
As a response to the 40-million-view music video, the Thai government launched its own rap song celebrating innovation and progress (it flopped). Ho setrin'ny lahatsarin-kira nahasarika mpijery miisa 40 tapitrisa dia namorona ny hirany rap manokana ny governemanta Thailandey izay mankalaza ny fanavaozana sy ny fandrosoana (tsy nahomby).
Arzantina: 20 taonan'ny sarimihetsika sy sarimiaina “El Mate” maimaim-poana any an-tsekoly
Nandritra ny 20 taona mahery, ankizy sy zatovo Arzantiniana an-jatony maro no nianatra momba ny fanaovana horonantsarimihetsika sy sarimiaina izay tafiditra ao anatin'ny fandaharana Taller de Cine El Mate, ary ahafahan'ireo ankizy avy ao amin'ny kaominina Vicente López ao Buenos Aires mandray anjara sy mitrandraka ny dingana fanaovana filma maimaim-poana.
Sahara Andrefana: Adihevitra mikasika ny sarintanin'i McDonald
Niatrika adihevitra ny sampan'ny McDonald Maraokana tamin'ny herinandro lasa taorian'ny namoahany kilalaon'ankizy "Happy Meal" izay ahitana sarintanin'i Maraoka. Ny sisintany eo amin'ny sarintany dia manasaraka an'i Sahara Andrefana amin'i Maraoka; Faritany ifandiran'i Maraoka sy ny Front Polisario tohanan'ny Alzeriana i Sahara Andrefana.
Lahatsary: Mihatsara hatrany ny toe-draharaha iainan'ireo tanora pelaka
Natombok'i Dan Savage ho toy ny fomba hanakanana ny tovolahy pelaka tsy hamono tena ny tetikasa It Gets Better, amin'ny alàlan'ny lahatsary manazava ny mety ho fiainan'ny olon-dehibe pelaka: tsara kokoa. Ary avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, mizara ny tantarany ihany koa ny olon-kafa.
Malezia: Tokony hofoanan'ny sekoly ve ny fanadinana?
Volana vitsy lasa izay, nanambara ny mety hisian'ny fitsapam-pahaizana eny an-tsekoly ny Praiminisitra lefitra sady Minisitry ny Fampianarana ao Malezia, Muhyiddin Yassin, mba hanoloana ny fomba mifantoka amin'ny fanadinana ankehitriny amin'ny alàlan'ny fanafoanana ny UPSR (Fanadinana eny amin'ny Sekoly fanabeazana fototra) sy ny PMR (Sertifikàn'ny fampianarana fototra).
Japana: Ny Ankizy amin'izao Fotoana
Inona no ataonao rehefa mankaleo anao ireo ankizivavy tanora manao toy ny any an-tranony anatin'ny fiarandalamby nefa ianao reraka avy any am-piasàna ary mba te hiaina fotsiny? Tofoka tanteraka ity lehilahy iray 35 taona tao Yokohama ka nandaka ankizivavy 17 taona iray nipetraka sy niresaka tamin'ny namany teo akaikin'ity rangahy.
Sahara Andrefana: Tapitra ny fahavaratra ho an'ny ankizy Sahrawi
Fotoana hanararaotan'ny olona maro hijery toerana vaovao, samihafa ny fahavaratra. Mandeha any ivelan'ny sisintan'ny firenena izy ireo, ary mitrandraka fiteny, tontolo sy rafitrano samihafa. Mety hiova ny fiainana mandritra ny fialan-tsasatra fahavaratra, satria tsy azo antoka izao tontolo izao ary maro ireo fanamby ivelan'ny tanindrazana sy ny asa mahazatra.
Na eo aza ireo Sakana Rehetra, Faly koa i Yemen!
Navadika ho anaty tontolo Yemenita ilay hira Happy malaza an'i Pharrell William, mampiseho ny fahaiza-mamorona sy ny talentan'ireo tanora Yemenita, ny fanahin-dry zareo mijery foana ny lafitsaran-javatra ary ny hanihaniny.