Tantara mikasika ny Fanatanjahantena
Ny fomba nahatonga ny rugby ho anaty ADN-n'ireo Afrikàna Tatsimo
Neken'ireo Afrikàna Tatsimo avy amin'ny lokon-koditra samihafa ny ekipa iray izay fon'ireo Afrikaners sy ny apartheid taloha, fomba ahoana no nahatongavany tamin'izany?
Tafiditra anaty tantara noho ny isa ambony indrindra tsy mbola nisy teo amin'ny cricket sokajy vehivavy T20I ny Antilles, fa afaka ny handrombaka io andiany io ve izy ireo?
Azo antoka tamin'ny ampahany ny fandresen'ny ekipa noho ny fahaizana mahatalanjona ananan'ny kapiteniny, ilay Barbadiana Hayley Matthews, izay nahazo ny isa 132 tamin'ireo 64.
Mbola mamiratra sy manome aingam-panahy hatrany ireo taranaka nahazo medaly volamenan'ny mpanao ady tolona ao Kyrgyzstan
Mialoha ny Lalao Olaimpika fahavaratra 2024 any Paris, ankinina amin'izy ireo ny fanantenan'ny firenena handrombaka medaly volamena Olaimpika, izay mbola tsy azon'i Kyrgyzstan.
Manintona mpankafy vaovao manerana izao tontolo izao hatrany ny lalao nasionalin'i Kyrgyzstan, kok-boru
Tamin'ny Lalao Manerantany Nomad (WNG-ang) voalohany nampiantranoin'i Kyrgyzstan tamin'ny taona 2014 no nipoiran'ny kihon-dalana nampalaza ny kok-boru any ivelan'i Azia Afovoany.
Nanokatra ny akademiany voalohany ao Azia Afovoany ny FC Barcelona ary miroso hanangana maro kokoa
Faha-29-n'ny fananganana nataon'ny FC Barcelona manerantany ary voalohany tany Azia Afovoany io akademia ao Jalalabad io.
Handray ny lalaon'ny nosy 2023 aty amin'ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara
Fanintelony hampiantrano ny lalaon’ny Nosy eto amin'ny Ranomasimbe Indianina manomboka amin'ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao i Madagasikara.
Nanala rakotra ny tanànany “smart” voalohany, avy amin'ny anaran'ny filohany teo aloha, i Turkmenistan
Mbola manjavozavo ny hoavin'i Arkadag noho ny fitsipika tsirefesimandidy sy hafahafa ataon'ny governemanta ho an'ireo honina ao aminy
Nepaley iray mpihanika tendrombohitra namonjy Maleziana iray mpihanika tendrombohitra avy ao amin'ny “Faritry ny Fahafatesana” ao an-tendrombohitr'i Everest
Ny 18 May, nandritra ny diany, Gelje Sherpa, mpihanika tendrombohitra matihanina sady Nepaley mpitari-dalana, dia nahavita asa famonjena nahatalanjona tamin'ny alalan'ny fanavotany Maleziana iray mpihanika tendrombohitra teo an-Tendrombohitr'i Everest.
LAHATSARY: Miomana ho amin'ny fivoizana am-bisikileta 805 kilaometatra
Hiainga androany 1 jona hanao ny fandehanany am-bisikileta 500 maily izay hanaovana fanangonam-bola i Nathan Matias sy Ivan Sigal. Ao amin'ity horonantsary ity izy ireo no miresaka ny fiomanany amin'ny dia.
Mpihazakazaka Trinbagoniana maka fotoana hakana sary ny hazo poui
Iray amin'ireo endrika mahafinaritra indrindra amin'ny vanin-taona maina ao Trinite sy Tobago ny famonin'ny poui.