· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Desambra, 2010

Lalao baolina soccer Malezia-Indonezia nivadika ho fifanaovana teny mahery (Taim-bava)

  31 Desambra 2010

Malezia sy Indonezia no ekipa roa tonga tamin'ny famaranana ny lalao fiadina izay ho tompon-dakan'ny Asean Football Federation Suzuki Cup. Tenifototra roa no namadika azy ity ho lasa lohahevitra teo anivon'ny vohikala, ‘Hate Malaysia’ sy ‘#loveindonesia’ satria naneho ny tsy fahafaliany tamin'ny faharesen'ny tarika notohanany tamin'ny lalao fihodinana voalohany ireo Indoneziana mponin'ny aterineto

Jordania: Herisetra amina baolina kitra sa Fanavakavahana?

Ireo tatitry ny Fampahalalam-baovao dia maminavina fa 250 any ho any ny naratra taorian'ny lalao baolina kitra tao atsimon'i Amman nifanandrinan'ny tarika Wihdat, izay matetika no tohanan'ireo Jordaniana manam-pihaviana Palestiniana, sy ny tarika al-Faisali, izay mazàna kosa no tohanan'ireo Jordaniana manam-pihaviana avy any Transjordania. Miresaka momba ny loza nitranga ireo mpandefa Tweets

Kuweit: “Mitsangàna ary miadia ho an'ny tanoranao!”

I Abdulla Al-Moussawi, antsoia koa hoe  “Sayed, ilay vatosoan'i Arabia,” izay heverina ho Maradona any aoriana, no niteraka resabe tao amin'ny bilaogin'i Mark. Mpana-talenta vao sivy taona monja i Abdulla, afaka jerenao eto amin'ity sary mihetsika ao amin'ny YouTube ity ny filalaovany baolina kitra. Ity sarimihetsika ity no hitan'i Marcel, terantany néerlandais mpitsikilo...