· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Jolay, 2010

Amboara Eran-tany taona 2010: Iza no omena tsiny tamin'ny fomba filalaon'i Nizeria?

  16 Jolay 2010

Diso fanantenana ny mpankafy baolina kitra tamin'ny talata raha nihena tsikelikely ny vintana farany ho an'ny ekipa Nizeriana handroso amin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany taona 2010 raha niafara tamin'ny isa 2 noho 2 ny fihaonany tamin'i Korea Atsimo. Teo amin'ny tontolon'ny blaogy, ny fahadisoam-panantenana no tena nanjaka, na tsy dia nahagaga loatra ny mpankafy maro aza ny voka-dalao.

Nizeria: Iza no nampiova hevitra ny Filoha— Facebook sa FIFA?

  13 Jolay 2010

Taorian'ny nahazoany tsikera an-jatony tao amin'ny pejy Facebook-ny ny Filohan'i Nizeria dia nanafoana ny fampiatoana ny ekipa nasionalin'ny baolina kitra. Kanefa tena ho valin'ny feon'ireo olona mitaraina ao amin'ny Facebook ve no nampiova ny hevitry ny filoha? Sa noho ny tsindry avy amin'ny mpanolotsaina eran-tanin'ny baoilna kitra?

Myanmar: Resaka manodidina ny amboara eran-tany

  12 Jolay 2010

Nahazo ny aretin'ny amboara eran-tany 2010 i Myanmar. Lasa ara-dalàna ny herinaratra any amin'ny renivohitra, afaka mijery ireo lalao maimaim-poana eny amin'ireo fahitalavitry ny fanjakana ireo mpankafy, misokatra mandritry ny sasak'alina ireo bara sy ireo fisotroana dite, ireo gazety ny fanatanjahan-tena dia nahazo fahazahoana hamoaka vaovao isanandro, ary maro ireo mponina faly fa avy any Myanmar ireo mpandihan'i Shakira tamin'ilay hira Waka Waka.

Brezila: Ny baolina kitra sy ny fitiavan-tanindrazana nandritra ny mondialy

  10 Jolay 2010

Maro ireo mpitoraka bilaogy any Brezila no nanakiana ny fivadibadiky ny onjan'ny fitiavan-tanindrazana niseho tamin'ny fiadiana ny tompon-dakan'ny amboara eran-tany . Endriky ny foto-kevitra fasista ny fitiavan-tanindrazana ho an'ny sasany, raha toa ka midika fahadisoam-panantenana kosa ny ekipa Breziliana ho an'ny hafa ka aleon'izy ireo manohana ny ekipam-pirenen'i Arzantina .