Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Oktobra, 2016
Manana Anarana Mahatsikaiky Ny Sarim-Biby Famantarana Ny Mondialy 2018 Ao Rosia Ary Tsy Azonao Akory Aza Izany
Aloha loatra ny famantarana raha ho masoivoho tsara/iraka mahomby ho an'i Rosia na ho ilay fifaninanana baolina kitra lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao ity biby ity, saingy tsara ny milaza fa lasa nalaza be vetivety teo i Zabivaka.
Ny Baolina Kitra An'i Brezila, Ny Kok-Boru An'i Kyrgyzstan
Fitsapana talenta sy hery ny fanatanjahantena fitaingenan-tsoavaly ifanandrinana amin'ny Kok-Buro, ary matetika mihinana ny amboara ny mpilalao rehefa mifarana ny lalao iray.
Tonga Ao Tsetsenia Ny Haiady MMA, Ary Tompondaka Sahady Ny Zanaky ny Mpitondra Ao An-Toerana
Na dia zatra manao dokambarotra ao amin'ny media sosialy aza i Kadyrov dia mbola manao izay hanafintohina ny olona hatrany, raha hita ho mpandray anjara tamin'ny fifaninanana haiady mifangaro notontosaina tao Grozny ny zanany telo mirahalahy.
Mikorisarisa Eny “An-Dohasahan'ny Havoana Arivo” Ry Besorongolan'i Afrika Atsimo
Lalao tsy mahazatra ny ao Afrika Atsimo, indrindra eo amin'ny mainty hoditra ny Skateboarding na ny fikorisana an-takelakazo.
Ny Thailandey amin'ny Faritra Be Mponina no Voalohany Milalao Ao Amin'ny Kianja Filalaovam-baolina Tsy Mahitsizoro ‘Voalohany Eto Amin'Izao Tontolo Izao’
Nanaporofo ity kianja filalaovam-baolina tsy mahazatra ity fa afaka mampiroborobo ny famoronana ampiasaina hikarakarana toerana ho ilaina ny famoronana ivelan'ny fefy mahazatra.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...