Tamin'ny 29 Aogositra, nosokafan'ny FC Barcelona ny akademiany football voalohany tao Jalalabad, tanàna iray any atsimon'i Kyrgyzstan, Azia Afovoany ny FC Barcelona. Natrehan'ny filohan'i Kyrgyzstan Sadyr Japarov, izay nanokanana ny akademia niaraka tamin'ny filohan'ny FC Barcelona Joan Laporta sy ireo mpilalao malaza teo aloha Carles Puyol sy Rivaldo ny lanonam-panokafana. Raha niresaka ny hagoavan'ity tetikasa ity i Japarov dia navoitrany fa “iray amin'ireo tetikasa fotodrafitrasan'ny baolina fandaka lehibe indrindra tsy ao Kyrgyzstan ihany, fa any Azia Afovoany ihany koa ny fananganana ny akademia.” Ary tsy fanitaran-dresaka izany.
Ity misy ranty Instagram misy sary sy horonan-tsary avy amin'ny lanonam-panokafana.
Faha-29-n'ny fananganana nataon'ny FC Barcelona manerantany ary voalohany tany Azia Afovoany io akademia ao Jalalabad io. Efa tamin’ny taona 2021 no nambara ny fikasana hanangana fotodrafitrasa toy izany, saingy tsy nisy nifantoka tamin'izany, nandingana izany ho toy ny fampanantenana lainga hafa nomen’ny mpanao politika aloham-pifidianana.
Nivaingana izany roa taona taty aoriana. Mirefy 4,5 ha ny velarany ary mahazaka mpianatra 200 eo ho eo, afaka mipetraka sy manazatra tena ary mianatra ao amin’io toerana io eo ambany fitarihan’ny manampahaizana vahiny. Ankoatra izany, afaka izy mampiantrano ankizy 2.000–3.000 hiofana isan'andro. Ny fepetra takian'i Espaina amin'ny fananganana sy fitantanana ny akademian'ny baolina fandaka dia ny fampiasana ny mari-pamantaran'ny akademian'ny FC Barcelona ao Jalalabad.
Tsy izany ihany. Mikasa ny hanitatra ny fiaraha-miasa amin'ny FC Barcelona i Kyrgyzstan. Tamin'ny 30 aogositra, nametraka vatofototra hananganana akademian'ny baolina fandaka iray hafa ao Bishkek renivohitra ireo olona ireo, ahitana ny mpitantana ny FC Barcelona sy ny mpitarika ara-politika ao Kyrgyzstan. Tombanana haharitra telo taona ny famitana azy io ary misanda 10 miliara KGS (eo ho eo amin'ny 113 tapitrisa dolara eo). Ao anatin'ny famitana azy ny kianja filalaovam-baolina fandaka maromaro sy kianjabe iray ahafahan'ny olona marobe mijery, tobim-pitsaboana, foibe fandraharahana, trano fandraisam-bahiny, trano fonenana ary sekoly, ankoatra ny hafa.
Tsy ny fanokafana ny akademia sy ny fametrahana vatofototra ho an'ny akademia iray hafa no matsiro indrindra nandrasan'ny mpankafy baolina fandaka ao Kyrgyzstan nandritra ny iray volana izay. Tamin'ny 30 aogositra, ny kianjaben'i Dolon Omurzakov no nandray ny lalao baolina kitra nandrasan'ny maro ifanandrinan'ny “Malazan'i Barcelona” sy ny “Malazan'i Azia”.
Samy nanana mpilalao menavazana ny ekipa roa tonta, toa an'i Carles Puyol, Edgar Davids, ary Rivaldo eo amin'ny ekipan'i Barcelona. Ny ekipa tompon-trano indray nahitana mpilalao avy any Kyrgyzstan, Kazakhstan, Iran, EAM, Tajikistan ary Ozbekistan. Nandray anjara tamin'ny lalao sy nilalao ho an'ny ekipa tompon-trano ihany koa i Japarov, izay fantatra ho mpiondana baolina fandaka fatratra ary milalao amin'ny maha-mpanafika azy. Nosoloina teo amin’ny tapany voalohany amin’ny lalao izy rehefa avy niseho teo amin’ny fiaingana sy tsy nahafaty baolina. Nofaranana tamin’ny fandresen’ny Olomalazan'i FC Barcelona tamin’ny isa 3 noho 0 ny lalao.
Ity misy lahatsary YouTube miaraka ahitana ireo songadin'ny lalao.
Simban'ny vaovao nitorian‘ny fampanoavana ao an-tanànan'i Bishkek ny fampahalalam-baovao tsy miankina Kloop sy ny fitakiana ny fanakatonana azy io noho ny fanadihadiana nataony amin'izay tompon'ny akademia izany rehaka izany. Nomarihan‘ny fitoriana fa nambaran'ny valin'ny fisafoana nataon'ny Komitim-panjakana misahana ny Fiarovam-pirenena (GKNB) fa “nokendren'i Kloop ny hanakiana mafy ny politikan'ny governemanta amin'izao fotoana izao” ary “ny ankamaroan'ny famoahana dia miiba tanteraka, mikendry ny hanala baraka ny solontenan’ny sampan-draharaham-panjakana sy monisipaly”.
Manambara zavatra ny fotoana nitoriana. Napetraka avy hatrany ny fitoriana taorian'ny namoahan'i Kloop ny fanadihadiana tamin'ny fomba nahatonga ireo zanaky ny lehiben'ny GKNB ankehitriny, Kamchybek Tashiyev, sy ireo manodidina akaiky an'i Japarov ho ao ambadiky ny fanokafana ny akademia FC Barcelona ao Jalalabad. Amin'ny 26 septambra ny fotoam-pitsarana amin'ny raharaha. Niaiky ny tonian-dahatsoratry ny Kloop fa efa manampò izy ny hiandan'ny fitsarana amin'ny mpampanoa lalàna sy ny hanomezana baiko ny fanakatonana an'i Kloop ary hanohy ny asany ny fampahalalam-baovao na inona na inona didim-pitsarana hoavy.