Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Oktobra, 2019
‘Ny anay koa vola aloha vao fahafahana': Esoesoin'ireo mpamorona ny South Park ny NBA
Sioka tokana monja momba ny fihetsiketsehana ao Hong Kong dia mety hiteraka adin-teny eo amin'i Shina sy i Etazonia ary hamarana ny vinavinam-barotry ny NBA ao amin'ny tanibe Shina .
Naverina tamin'ny toerany indray ilay mpivaro-boanjo Trinidadiana tiam-bahoaka any amin'ny fijerena lalao cricket
Nahaliana ny mpankafy lalao cricket ny resaka momba ireo mpivaro-boanjony sy ny fifanarahana fanohanana ara-bola nanomezana ny orinasa mpivarotra tsakitsaky manokana ny zony tao amin'ny fifaninanana lalao cricket tany amin'ny faritra.
Lasa malaza maneran-tany i Samuel Eto'o, Kameroney kintan'ny baolina kitra, ary handeha hisotro ronono amin'ny faha-38 taonany
Mpilalao tanora indrindra tamin'ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany tamin'ny 1998 tany Frantsa, nahavita fahombiazana tsara be i Eto'o tany amin'ny nisy azy niaraka tamin'ny klioba niofanany, ny Akademia Kaji Sports, talohan'ny nifindrany tao amin'ny Real Madrid ho toy ny mpilalao tanora, tamin'ny faha-15 taonany.
Mety tsy hiatrika ny fifanitsanana iraisam-pirenena izay atrehany voalohany ny ekipan'ny mpilalao baolina kitra manana fahasembanana any Kamerona
Niforona tamin'ny volana Martsa tamin'ny heintaona ny ekipan'ny mpilalao tapa-tongotra Kameroney ary mila ny fandraisana anjara iraisam-pirenena mba hahazoany fankatoavana avy amin'ny Federasionan'ny Baolina Kitra ho an'ny Mpilalao Tapa-tongotra Maneran-tany. Tsy mbola misy antenaina anefa ny momba ny dian'izy ireo.