Sambany nampiantrano ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany teo amin'ireo klioba kok-boru avy any Kyrgyzstan, Kazakhstan, Rosia, Etazonia, Ozbekistan ary Afghanistan i Kyrgyzstan ny 13 ka hatramin'ny 20 aogositra. Nahitana ekipa maherin'ny 20 ny fifaninanana ary notontosaina teo amoron'ny farihin'i Issyk Kul tsara tarehy any avaratra andrefan'ny firenena. Nandresy ny “Astana” Kazakhstan nandritra ny lalao famaranana tamin'ny isa 10:1 ny “Yntymak” avy any Kyrgyzstan ary nahazo ny loka KGS 2 tapitrisa (eo ho eo amin'ny 22.700 dolara amerikana).
Ity misy lahatsary YouTube manasongadina ny fifaninanana.
Ity kosa lahatsoratra Instagram momba ny traikefan'ny ekipa amerikana tamin'ny fifaninanana.
Kok-boru, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe kokpar (amin'ny teny Kazakh) sy buzkashi (amin'ny teny Persiana), dia lalao nentim-paharazana lalaovina indrindra amin'ny soavaly any Azia Afovoany. Soritana mazava tsara ho fitambaran'ny polo, tolona ary fitaingenana soavaly izy ity. Ny voka-dratsy ara-batana sy ny loza mifandray amin'ny filalaovana kok-boru no mahatonga azy io ho iray amin'ireo fanatanjahantena henjana indrindra manerantany. Ny anarany, izay adika hoe amboadia volondavenona, dia avy amin'ny angano izay milaza fa mamatotra ny vavan'ny amboadia, manenjika azy ireo amin'ny soavaly, ary ifanosehan'ireo mpiady Tiorkika fahiny, razamben'ny vahoaka Kyrgyz ankehitriny, mandritra ny lalao. Ho azy ireo sy ho an'ny soavaly dia fanazaran-tena amin'ny fahakingana sy ny fitondra-tsoavaly ary ny herim-po ilaina amin'ny ady izany.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary nampiasa fatin'osy tsy misy loha ny mpilalao, ka niteraka anarana hafa ho kok-boru: ulak tartysh (mitarika osy). Tamin'ny taona 1996, nanaovana dingana voalohany ho lasa fanatanjahantena fanta-daza ny kok-boru, rehefa nampiditra fitsipika momba izany ilay Kyrgyz talen'ny sarimihetsika malaza Bolot Shamshiyev. Nanomboka teo dia tsy maintsy manana mpilalao 12 sy soavaly 12 ny ekipa tsirairay. Lalaovina eo amin'ny ekipa roa, ahitana mpilalao efatra isaky ny ekipa eo amin'ny kianja 200 metatra amin'ny halavany sy 60-70 metatra sakany ny lalao.
Misy fe-potoana telo 20 minitra sy fiatoana 10 minitra eo anelanelan'ny fe-potoana tsirairay ny lalao tsirairay. Nampiditra tanjona (goal) manokana antsoina hoe tai-kazan amin'ny endrika vilany lehibe napetraka eny amin'ny tendrony roa eo amin'ny kianja ihany koa i Shamshiyev. Mba hahazoana isa, tsy maintsy mitoraka fatin'osy amin'ny tai-kazan-n'ny mpifanandrina ireo mpilalao; misy tai-kazan roa eny an-kianja. Ny toraka iray mahazo isa iray. Na iza na iza ekipa nahatoraka bebe kokoa, dia mandresy.
Tamin'ny taona 1998, nanangana ny federasiona kok-boru nasionaly voalohany indrindra i Kyrgyzstan mba hampiroborobo sy hampivelatra ny lovany. Telo taona taty aoriana, nitsangana ny federasiona iraisampirenena kok-boru. Nanaraka izany ireo federasiona kok-boru nasionaly tany amin'ireo firenena manodidina. Tamin'ny Lalao Manerantany Nomad (WNG-ang), fifaninanana ara-panatanjahantena amin'ny endrika lalao Olaimpika, nampiantranoin'i Kyrgyzstan tamin'ny taona 2014 no nisehoan'ny kihon-dalana hampalaza ny kok-boru any an-dafin'i Azia Afovoany .
Ity ny lahatsary fampahafantarana ny Lalao Iraisam-pirenena Nomad 2016.
Tonga niaraka tamin'ny WNG ny governemanta Kyrgyz mba hampiroborobo ny lova ara-kolontsain'ireo firenena mpifindrafindra monina sy hisarihana mpizahatany vahiny. Nanomboka tamin'ny taona 2014, WNG efatra no notontosaina tany Kyrgyzstan sy Torkia, nahasarika mpandray anjara avy amin'ny firenena zato mahery. Tamin'ireo lalao ireo no nahalalan'ny any ivelany momba ny kok-boru, fifaninanana malaza indrindra tamin'ny hetsika iray manontolo. Nihaino tsara izao tontolo izao. Tamin'ny taona 2017, nampidirina tao amin'ny lisitry ny UNESCO momba ny Lova Ara-kolontsaina Tsy azo Tsapain-tanana ho an'ny olombelona ny kok-boru. Tao ambadik'ity fahombiazana ity, tamin'ny taona 2018, namoaka sarimihetsika malaza antsoina hoe Kok-Boru feno gidragidra sy tantara an-tsehatra ny talen'ny sarimihetsika malaza ao Kyrgyzstan, Ruslan Akun.
Ity ny fampahafantarana fohy momba ny sarimihetsika Kok-Boru.
Nahatsikaritra ny fitomboan-dazan'ity lalao ity ireo mpifanolo-bodirindrina amin'i Kyrgyzstan. Tamin'ny taona 2017, nampiantrano ny fiadiana ny tompondaka eran-tany kokpar voalohany teo ambany fitsipika hafa i Kazakhstan. Tsy tanteraka noho ny areti-mandringana ny fikasan'i Ozbekistan hampiantrano ny fiadiana ny tompondaka kok-boru voalohany tamin'ny taona 2020. Niseho ihany koa ny fahalianana amin'ny kok-boru teo amin'ireo orinasa mpamokatra media manerantany. Tamin'ny taona 2020, nasongadina tao amin'ny andiana lahatsary fanadihadiana Home Game an'ny Netflix momba ireo fanatanjahantena nentim-paharazana tsy manam-paharoa sy mampidi-doza manerana izao tontolo izao ny kok-boru.
Ity ny fampahafantarana fohy momba ny andian-tantara Home Game.
Toa mamiratra ny hoavin'ny kok-boru, saingy tandindomin-doza kosa ny lazany iraisampirenena amin'izao fotoana izao noho ny resabe mandeha mikasika ny fitsipika eo amin'ireo mpikambana ao amin'ny federasiona iraisampirenena kok-boru. Tsy nasiana olana intsony ny fampiasana moulage, fatin'osy sandoka tsy misy loha milanja 32-35 kilao, fa tsy tena biby maty. Tsy nifankahazo noho ny fanovana fitsipi-dalao i Kyrgyzstan sy Kazakhstan, ary manohana ny fanafohezana ny fotoan-dalao sy ny fanesorana ny tai-kazans i Kazakhstan noho ny voalaza fa ahiahy ara-piarovana.
Manohitra mafy ireo fiovana ireo i Kyrgyzstan, firenena manandanja indrindra sy mpitarika niavian'ny lazan'ny kok-boru, amin'ny filazàna fa hiaro ny lalao amin'ny lafiny maha-zava-dehibe sy fialamboly izany izy. Ao anatin'ny olana ny andaniny sy ny ankilany, saingy ilaina ny marimaritra iraisana mba hanohizana ny lazan'ny kok-boru any amin'ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao.