Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Oktobra, 2011
Peace & Sport : Fifampiresahana sy Filaminana Amin'ny Alalan'ny Fanatanjahantena
Meday alimo nandritra ny Lalao Olaimpika 1984, tompondaka erantany amin'ny taranja pentathlon [dimy indray miaraka] maoderina tamin'ny 1987, Joël Bouzou no mpanorina sy filohan'ny Peace and Sport, fikambanana miaro ny fandriampahalemana...
Okraina: Sarimihetsika Fanadihadiana Vaovao Manasongadina ny Fiainan-dry Klitschko Mirahalahy sy ny Asany
Diso fantatra amin'ny hoe "The Klitschko Brothers" - "Ry Klitschko Mirahalahy ", ireo Okrainiana Vitali sy Wladimir Klitschko no nibahana ny divizionan'ny lanja mavesatra rehefa nisintaka i Lennox Lewis tamin'ny 2004. Na izany aza, ny horonantsary fanahihadiana ny fiainany mitondra ny lohateny hoe Klitschko, navoakan-dry zareo (azo jerena eto ny ampahan-tsary fampahafantarana), hatramin'ny nofinofy ara-politikan'ilay zokiny indrindra amin'izy mirahalahy, Vitali, dia maneho fa ireto lehilahy ireto dia tsy vitan'ny hoe atleta tsotra fotsiny.
Panama Nanokatra ny Lalao Fiadiana Ho Tompondaka Eran-tany Amin'ny Baseball
Nosokafana tamin'ny Asabotsy 1 Oktobra, ny fiadiana ho tompondaka erantany faha-39 ny Baseball (IBAF). Nahazo voninahitra hampiantrano azy ity i Panama tamin'ny volana Novambra farany ary sambany no nampiantrano hetsika goavana...