Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Desambra, 2012
Nanohina An'i Meksika ny Fahafatesan’ilay Kolombiana Mpilalao Baolina Kitra Miguel Calero
Fanavaozam-baovao (4 Desambra 2012): Tamin'ny alalan'ny fanambarana an-gazety navoaka Facebook [es] no nilazan'ny Pachuca Football Club (Meksika) fa maty tamin'ny talata 4 desambra i Miguel Calero. Nandalo fotoan-tsarotra ilay mpialalao baolina kitra Kolombiana...
Football: Iza no Mitàna Ny Zava-Bita Tsara indrindra, Messi avy any Argentina sa Chitalu avy any Zambia ?
Saiky montsan'ilay mpilalao baolina fandaka Argentiniana Lionel Messi avokoa ny zava-bita tsara indrindra amin'ny baolina voarakitra ka anisan'izany ihany koa ny baolina tafiditra tanatin'ny taom-pilalaovana iray, sa tsy izay moa? Nisy azo...
Mipetraka Ho Tantaran'ny Football Boliviana Ilay ‘Dakan'ny Maingoka’ Nataon'ilay Lohalaharana
Nahavita 'dakan'ny Maingoka' hatreny ivelan'ny faritra tsy azo ivalozana i Gastón Mealla, lohalaharan'ny Nacional Potosí 24 taona, ka tafiditra ny baolina. Na dia tsy tafiditra tao anatin'ny baolina tafiditra 3 tsara indrindran'ny taona aza ny baolina mahatalanjona tafiditr'i Gastón Mealla dia hitoetra ho iray amin'ny baolina tsara sy mampitolagaga eo amin'ny tantaran'ny football Boliviana ilay dakan'ny maingoka.
Fuleco, Biby Famantarana Fifaninanan-Dalao Mampisara-tSaina an'i Brezila
Hantsoina hoe Fuleco ilay biby famantarana ny fiadiana ho tompon-daka manerantany hatao any Brezila. Safidy nampalahelo satria amin'ny tenin-jatovo breziliana dia mety hidika hoe "lava-pitombenana" io na hoe olona kamo na mpandainga. Nilaza ny tsy fahafaliany manerana ny tambajotra sosialy ny mpiserasera breziliana. Efa nisy ny fanangonan-tsonia nahavoriana sonia mihoatra ny 39 000.
Lalao Virtoaly Nahazoany Asa Tena Izy, Lasa Mpitantana Baolina Kitra Ao Azerbaijan Izy
Tamin'ny 21 Novambra 2012, namafisina fa i Vugar Huseynzade no mpitantana vaovao ny ekipan'ny FC Baku, Azerbaijan, 21 taona izy ary nahavita fianarana ambony teny amin'ny oniversite, ny filalaovana lalao Football Manager...