
Mpanao tolona ao Kyrgyzstan nahazo medaly tamin'ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany 2023 tany Belgrade, Serbia. Sary avy amin'ny pejy Facebook an'ny Federasionan'ny Tolona ao Kyrgyzstan.
Dimy ny fitambaran‘ny medaly azon'ny ekipa nasionalin’i Kyrgyzstan lahy sy vavy tamin’ny Fiadiana ny Tompondaka Eran-tany amin’ny Tolona 2023 izay natao ny 16 ka hatramin’ny 24 septambra tany Belgrade, Serbia. Nahazo medaly volamena telo, volafotsy iray ary alimo iray, nitana ny laharana fahatelo amin'ny ankapobeny ny firenena, aorian’i Japana sy Etazonia. Raha niresaka momba io zava-bita io, nanamarika avy hatrany ny mpandinika sasany fa nanatri-maso fananganana fahefana amin'ny tolona Aziatika iray hafa izao tontolo izao.
Mijoro aorian'ity songadina tsy mampino an'i Kyrgyzstan, firenena kely sy manjavozavo ao Azia Afovoany, amin'ireo taranaka volamenan'ny mpanao tolona, mpanazatra, sy ny asa mahomby ataon'ny federasion'ny tolona ao amin'ny firenena izao. Tany Belgrade, nandresy fanintelony tamin'ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany i Aisuluu Tynybekova, raha niaro ny anaram-boninahitr'izy ireo kosa i Akzol Makhmudov sy Zholaman Sharshenbekov ary lasa tompondaka maneran-tany indroa. Mipetraka eo amin'ny loha laharana ao amin'ny United World Wrestling (UWW) amin'ny sokajin-danjany avy ny telo amin'izy ireo.
Ity misy ranty Instagram ahitana ny fankalazan'i Zholaman Sharshenbekov ny fandreseny.
Mialoha ny Lalao Olaimpika fahavaratra 2024 any Paris, ankinina amin'izy ireo ny fanantenan'ny firenena handrombaka medaly volamena Olaimpika, izay mbola tsy azon'i Kyrgyzstan. Toa olona tsy noheverina mihitsy no mitarika ny fikatsahana io loka be mpitsiriritra io.
Ao amin'ny firenena iray izay mitàna toerana ambony indrindra ny tolona ary misongadina ireo atleta lehilahy, angamba i Tynybekova no malaza indrindra sy azo antoka fa tena mahasarika olona. Tamin'ny taona 2019, nanatontosa zava-bita tsy mbola vitan'ny mpanao ady tolona hafa avy any Kyrgyzstan izy ary lasa tompondaka eran-tany.
Ity misy lahatsoratra tao amin'ny Instagram misy ny sarin'i Aisuluu Tynybekova tao Bishkek, Kyrgyzstan.
Tamin'ny Lalao Olaimpika fahavaratra 2020 tany Tokyo, izay natao tamin'ny taona 2021 noho ny COVID-19, laharana faharoa i Tynybekova, resy tamin'ny isa tokana tamin'ny famaranana. Roa volana taty aoriana, tamin'ny Oktobra 2021, nahazo ny tompondaka eran-tany faharoa tany Oslo, Norvezy izy.
Tsy mora ny lalan'i Tynybekova mankany amin'nymaha-mpanao ady tolona mendrika indrindra azy teo amin'ny tantaran'i Kyrgyzstan. Lehibe tao amin'ny tanàna lavitra sy mahantra ao Naryn, faritra mangatsiaka sy henjana any atsinanana izy, ary tsy tena niofana noho ny tsy fahampian'ny fitaovana sy ny fampiofanana raha tsy nifindra tany Bishkek renivohitra tamin'ny fahatanorany, taona efa somary tara be raha ho an'ny atleta matihanina hanomboka fiofanana.
Tany izy no nihaona tamin'i Nurbek Izabekov, izay mety ho lasa lehiben'ny mpanazatra ny ekipampirenen'ny tolona ho an'ny vehivavy. Nampahatsiahy ny tolona nataon’izy ireo, nilaza izy hoe: “Rehefa nanomboka izahay dia tsy avelan'ny olona hiditra amin'ny toeram-panatanjahan-tena indraindray. Rehefa niady taminy aho, dia nihomehy anay ny olona.”
Tsy i Tynybekova irery no mpianatra malaza eo ambany fitarihan'i Izabekov. Fa anisan'izany i Meerim Zhumanazarova, nahazo medaly alimo olaimpika sady tompondaka eran-tany, sy Aiperi Medet kyzy, izay nahazo ny laharana fahadimy tamin'ny lalao olaimpika farany teo ary nahazo medaly volafotsy tamin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2023 tany Belgrade.
Nampiditra fiovana lehibe teo amin'ny fiarahamonina Kyrgyz ny fahombiazan'ny mpianatr'i Izabekov tsy mbola nisy toy izany. “Mampiofana vehivavy ihany koa ireo mpampiofana natao hiara-niasa tamin'ny ankizilahy. Mifandray aminay ny ray aman-dreny. Tian'izy ireo ny zanany ho (dimbin'i) Aisuluu, Meerim na Aiperi”, hoy i Izabekov tamim-pireharehana.
Hatramin'ny zava-bita manan-tantara nataon'i Tynybekova tamin'ny taona 2019, nirotsaka an-tsehatra ireo mpanao ady tolona Kyrgyz, nahazo medaly 16 tamin'ireo fiadiana ny tompondaka eran-tany telo farany, nahitana volamena fito, volafotsy telo ary alimo enina. Maro amin'ireo medaly ireo no voalohany teo amin'ny tantaran'ny firenena. Teo anelanelan'ny taona 1991 sy 2019, medaly 9 monja no azon'i Kyrgyzstan tamin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, ary tsy nisy volamena.
Ity misy lahatsary YouTube misy ny fandresen'i Akzhol Makhmudov tamin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany tamin'ny taona 2022, izay nahatonga azy ho mpanao ady tolona lehilahy voalohany teo amin'ny firenena nahazo medaly volamena tamin'ny tolona Grika-Romana.
Herintaona latsaka hahatongavan'ny Lalao Olaimpika, mitazana tsara ny vahoaka ao Kyrgyzstan. Ny fanantenan'izy ireo dia ny hamirapiratan'ireo mpanao ady tolona ireo eo amin'ny sehatra lehibe indrindra ary hanohy hanome aingam-panahy ny mpiray tanindrazana aminy.