Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Desambra, 2018
Novonoin'ny Federasionan'ny Fanatanjahantena Ireo Nofinofin'ny Olaimpiana Hoy ny Didy Avy Amin'ny Tribonaly ao Trinidad & Tobago
Nisy fivadibadihanana sy fihodikondinan-javatra mihoatra lavitra noho ny zimnastika fanao mahazatra ny antambo rehetra, saingy nihevitra ny rehetra fa tsy ara-dalàna ny fanalàna ankeriny an'i Williams ary niady mafy ireo mpisolovava azy hatramin'izay mba hahazoany rariny.
Fampidirana anatin'ny Tolon'ny Bilaogy Somaliana
Fehiny voalohany amin'ny bilaogy Somaliana ity, sampana kely anatin'ny tontolon'ny bilaogy Afrikana kanefa mitombo hatrany. Araka ny mety efa ho nampoizina dia tanora ny ankamaroan'ireo bilaogera Somaliana, mipetraka ivelan'i Somalia ary manoratra amin'ny teny Anglisy.
Ny Tsiambaratelon'i Ejipta an-dahatsary
Iray amin'ireo lahatsary manala ny saron'ireo tsiambaratelo sy marina mahatsiravina any Ejipta ny "Hideous", mampiseho ny fifanoherana eo amin'ny fiainan'ireo mpanana tsy mivaky loha sy ireo mahantrana eny an-dàlambe. Ny "To H.E Mrs Suzanne Mubarak" kosa mitatitra ny fanararaotana ankizy, ny herisetra ataon'ny mpitandro filaminana ary ny fahantrana lalina.