· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Oktobra, 2018

Shina: Niala i Liu Xiang ary Malahelo Izahay

Nanohina an'i Shina ny Alatsinainy teo ny fahenoana fa naratra ny tongotr'i Liu Xiang ary tsy afaka ny hifaninana mandritra ny fotoana voafetra izy. Naverin'i He Caitou navoaka tao amin'ny Baidu ilay resaka ny fanehoankevitra iray nivoaka iray volana lasa izay, nilazan'ny olona iray fa nanofy ny zava-nitranga ny tenany.

31 Oktobra 2018

Ny feon'ny vehivavy Afrikanina tamin'ity herinandro ity

Maneho hevitra momba ny hamaroan'ireo antidahy ao anatin'ny politika sy ao anatin'ny governemantan'i Kenya ny Diary of a Mad Kenyan . Manontany tena amin'ny fomba nisafidianan'ireo lehilahy ntaolo, mpampihatra ny politika ntaolo, an'i John Githongo mba hitantana ny hetsika fanentanana amin'ny fanoherana ny kolikoly izy.

21 Oktobra 2018

Koety: Na eo aza ny fahavaratra, tsy mangina mihitsy aty!

Despite the heat, Kuwaitis are braving the weather and making the most of outdoor activities. While some are enjoying boating and Flugtag games, one Kuwaiti blogger got more than she bargained for when she ventured out to sea without her sun block. Read Abdullatif Al Omar's report of this week's Kuwait round up to learn more. / Na eo aza ny hafanana, miatrika ny toetrandro ireo Koetiana ary manararaotra hatrany ny zavatra atao an-kalamanjana. Raha toa ka tia ny fandehanana an-tsambo sy ny lalao Flugtag ny sasany, nahazo mihoatra ny zavatra nampoiziny ny blaogera koetiana iray rehefa nandeha teny an-dranomasina tsy nihosotra fanakanana masoandro. Vakio ny tatitry ny herinandro nataon'i Abdullatif Al Omar mikasika an'i Koety mba hahafantarana bebe kokoa mikasika izany.

16 Oktobra 2018

Japana: Misedra olana ny tolona Sumo

Volana vitsivitsy henjana teo amin'ny tontolon'ny tolona sumo, "fanatanjahatena nasionaly" Japoney. Voalohany,  niverina tao amin'ny tanindrazany ilay mpitolona Mongoliana, Asashoryu, iray amin'ny yokozuna (kilasy ambony indrindra amin'ny tolona) mba ho tsaboina noho ny fikorontanana ara-tsaina vokatry ny fanakianana fa tsy nahavita ny adidiny izy.

10 Oktobra 2018