Nanala rakotra ny tanànany “smart” voalohany, avy amin'ny anaran'ny filohany teo aloha, i Turkmenistan

Ny tanànan'i Arkadag ao Turkmenistan vao naseho. Saripika avy amin'ny tranonkala-n'ny Governemantan'i Turkmenistan.

Tamin'ny 29 Jona, notokanan'ny filohan'i Turkmenistan Serdar Berdymukhamedov ny tanànan'i Arkadag, 30 km miala ny renivohitra Ashgabat. Taorian’ny fahavitan’ny trano miisa 339 no nanaovana ny fitokanana, ka hita ao ny trano fonenana, biraom-panjakana, hopitaly, toeram-panatanjahantena, sekoly ary akanin-jaza. Izy rehetra ireo dia naorina tao anatin'ny fanorenana dingana voalohany nanomboka tamin'ny taona 2019. Amin'ny fotoana hahavitan'ny dingana faharoa sady farany, dia handany 5 miliara dolara ao amin'ny tanàna, izay hipetrahan'ny olona 73.000 amin'ny velarana 1.000 hektara ny firenena .

Indro misy horonantsary YouTube ahitana ny lanonana nokarakaraina tamin'ny andro fanokanana an'i Arkadag.

Avy amin'ny anaran'ny filoha teo aloha sady rain'ilay ankehitriny, Gurbanguly Berdymukhamedov, izay nitondra an'i Turkmenistan teo anelanelan'ny taona 2006 ka hatramin'ny taona 2022 ny anaran'ny tanàna voalohany heverina ho “smart” ao amin'ny firenena ity. Nitondra ny anaram-boninahitra Arkadag, izay midika hoe patirao-mpiaro i Berdymukhamedov rainy. Fitondrana jadona malaza amin'ny tahirin'etona goavana ao aminy i Turkmenistan, ambivitry ny fitokana-monina tanteraka, ary malaza amin'ny fanandratan-tena naorin'ny filohany roa teo aloha. Nahazo ny fahaleovantenany tamin'ny Firaisana Sovietika ny firenena tamin'ny taona 1991, nanomboka teo ka hatramin'ny taona 2006 dia notarihin'i Saparmurat Niyazov, izay malaza indrindra amin'ny fananganana sarivongana volamena, maneho ny tenany, manana haavo 12 metatra. Nanangana ny fanandratany ny tenany manokana i Berdymukhamedov nandritra ny fitondrany ary ny fanehoana izany farany indrindra dia ny tanànan'i Arkadag.

Ity misy lahatsary YouTube momba ny fitondrana jadona ao Turkmenistan.

Naseho tamin'ny tsingerintaonany faha-66 ny tanàna. Tany Arabia Saodita izy tamin'ny andro fitokanana, nanatontosa hajj, fivahiniana masina ho an'ny Miozolomana. Somary hafahafa ihany ny tsy fanatrehany io lanonana io noho izy nisantatra ny fanorenana ny tanàna ary niandraikitra manokana ny fanaraha-maso ny dingana rehetra tao anatin’ny efa-taona farany toy ny fisafoana sy ny fisafidianana ireo fitaovana ara-panatanjahantena an’ny klioba baolina fandaka ao an-toerana.

Na izany aza, nanitatra zavatra lehibe maro amin'ny fanandratana ny tenany ny tsy fanatrehany. Nanomboka teo amin'ny tsangambaton-tsoavaly “Akkhan” ny fety, izay natsangana ho fanomezam-boninahitra ny soavaly Akhal-Teke nankafizin'i Berdymukhamedov rainy indrindra. Notokanan’ny filoha ihany koa ny tsangambato “Arkadag” mirefy 43 metatra, sarivongan’ny rainy mitaingina soavaly. Nisy sarivongana mitovitovy amin'izany vita amin'ny varahina ary norakofana volamena 24 karat koa naorina tao Ashgabat tamin'ny taona 2015. Eo koa ny Foibem-Pitsaboana sy Fanarenana nomena avy amin'ny anaran'ny Berdymuhamedov rainy, ary tahirim-bola fiantrana, gazety, fantsona fahitalavitra, ary klioba baolina fandaka antsoina hoe Arkadag.

Ny tsangambato “Akkhan” ao Arkadag naorina ho fanomezam-boninahitra ny soavaly tian'ny filohan'i Turkmenistan teo aloha Gurbanguly Berdymukhamedov. Saripika avy amin'ny  website-n'ny Governemantan'i Turkmenistan.

Tsy ny fanandrata-tena no tena zava-dehibe amin'i Arkadag raha amin'ny kabary ofisialy. Nampiroboroboin'ny manampahefana ho tanàna “smart” voalohany ao amin'ny firenena izay mampiasa ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana hiaka farany amin'ny fiainana andavanandro izany. Tiara fitateram-bahoaka sy fiara mandeha amin'ny herinaratra ihany no mandeha ao an-tanàna, jiron'ny fifamoivoizana no mandrindra ny fivezivezen'ny fiara arakaraka ny fahabetsahan'ny mpifamoivoy, hary-takelaka (tablette) ny trano fonenana ahafahan'ny mponina manara-maso ny fanjifana rano, herinaratra ary hafanana. Naseho ny songadina farany rehefa nitsidika ny iray tamin'ireo trano ny filoham-pirenena ary nijery raboto-mpanadio mamafa karipetra teo amin'ny lalantsara.

Fiara mandeha herinaratra ao Arkadag. Saripika avy amin'ny website-n'ny Governemantan'i Turkmenistan.

Mbola manjavozavo ny hoavin'i Arkadag noho ny fitsipika tsirefesimandidy sy hafahafa ataon'ny governemanta ho an'ireo honina ao aminy. Voalaza fa ny mpiasam-panjakana latsaky ny 35 taona ihany no mahazo mipetraka maimaim-poana ao, arahana fepetra tsy maintsy hihazonana ny tranony raha tsy voaroaka ao anatin’ny folo taona. Tsy mahazo mitondra fiara manokana ao an-tanàna ihany koa ny mponina ao aminy; tsy maintsy mametraka izany any ivelan'ny tanàna izy ireo ary maka fitateram-bahoaka kosa. Milentika amin'ny fiainan'ny olona tonga aao Arkadag ny fomba fiasa teny midina feno nampiharina nandritra ny fandrafetana sy fananganana ny tanàna. Raha mihabetsaka sady dilirina ny fitsipika toy izany, dia mety hitoetra ho foana tahaka ny ankehitriny i Arkadag.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.