Handray ny lalaon'ny nosy 2023 aty amin'ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara

Fango ofisialin'ny lalaon'ny Nosy Ranomasimbe Indianina 2023. Lemur catta, biby famantarana an'i Madagasikara. Gidro miavaka manana rambo fotsy sy mainty mitsipitsipika, antsoina koa hoe “maki” Sary: Orange actu, nahazoana alalana.

Fanintelony izao no hampiantrano ny lalaon’ny Nosy eto amin'ny Ranomasimbe Indianina i Madagasikara manomboka amin'ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao.

Lalao ara-panatanjahantena ny Lalaon’ny Nosy izay ihaonan’ireo atleta avy amin’ireo nosy samihafa any amin’ny faritra atsimo-andrefan’ny ranomasimbe Indianina amin’ny fifaninanana fanatanjahantena maromaro. Tafiditra ao anatin’ity hetsika ity ny fandraisana anjaran’ny nosy Maorisy, Seychelles, Union des Comores, Madagasikara, Mayotte, ny nosy La Réunion ary ny Maldives.

Ny niandohan’ny lalaon’ny Nosy Indianina dia avy amin’ny Komitim-paritry ny Olaimpika sy ny Fanatanjahantena (CROS) any La Réunion izay nanolo-kevitra ny hikarakara lalao ara-panatanjahantena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny anarana hoe “Lalaon’ny ranomasimbe Indianina” tao anatin'ny tanjon'ny fivoriambeny tamin’ny taona 1974. Nankatoavin'ny Komity iraisampirenena olaimpika (IOC) izany hevitra izany tamin’ny taona 1976. Notontosaina tany Saint-Denis de La Réunion avy eo ny andiany voalohany tamin’ny taona 1979 mitondra ny anarana hoe “Lalaon’ny ranomasimbe Indianina”. Taorian'ity andiany voalohany ity dia niova ho “Lalaon'ny Nosy Ranomasimbe Indianina” ny anarana nisalorany.

Amin’ny ankapobeny dia isaky ny efa-taona no misy JIOI ary araka ny sata mifehy ny lalaon’ny Nosy Ranomasimbe Indianina, tsy maintsy mitovy na mihoatra ny folo ny taranja ara-panatanjahantena, ary tsy maintsy ahitana ny atletisma sy ny lomano.

Madagasikara, izay efa nampiantrano ny JIOI indroa teo aloha, ny taona 1990 sy ny taona 2007 no firenena hampiantrano fanintelony amin’ny andiany fahiraika ambin’ny folo amin’ny JIOI ny taona 2023. Napetraky ny komity mpikarakara ny teny filamatra ny lalao : « Fandresena ao anaty firaisankina sy ny fahasamihafana ». Teny filamatra izay hiraina am-pireharehana ao anatin'ny hira faneva ofisialin'ny Lalaon'ny Nosy 2023.

Nampahafantarina tamin'ny volana Mey nandritra ny lanonana ofisialy ny hira faneva sy ny fango. Namoaka ny hira faneva ofisialy tao amin'ny pejy Facebook-ny  ny Filohan'ny Repoblika Malagasy, Andry Nirina Rajoelina:

“C’est avec amour que je vous partage l’hymne des jeux des Jeux des îles de l'Océan Indien” https://www.facebook.com

La victoire dans l’unité et la diversité

“Am-pitiavana no izarako aminareo ny hira fanevan'ny lalaon’ny Nosy Ranomasimbe Indianina”

Fandresena ao anatin'ny Firaisankina sy ny Fahasamihafana

Lalao manamafy ny firaisankina isam-paritra

Amin’ny alalan’ireo JIOI ireo, manana tanjona maromaro ireo tompon-kevitra: mametraka ny firahalahina sy ny fifankahazoan-kevitra eo amin’ny vahoakan’ny Nosy Ranomasina; mandray anjara amin’ny fiaraha-miasa isam-paritra ho fampandrosoana ny fanatanjahantena any amin’ny faritra, miaraka amin’ny fandraisana anjaran’ireo mpanao fanatanjahantena avy amin’ny Nosy Mpikambana samihafa, tsy misy fanavakavahana ara-pirazanana, ara-pinoana na ara-politika. Ireo lalao ireo ihany koa dia mampiroborobo ny firaisankinam-paritra amin'ny fametrahana fandaharam-piofanana iraisana eo amin'ny sehatry ny teknika, ny fitsarana ary ny fandaminana ary ny fanatanterahana ny lalao madinika miaraka amin'ny fandraisan'anjaran'ny mpikambana ao amin'ny CIJ  ho fampiroboroboana ny Olaimpisma sy ny fanarahana ny fitsipika iraisampirenena.

Taranja ara-panatanjahantena 17 no hotanterahina mandritra ity andiany faha-11 ity, dia ny atletisma, ny basikety, ny ady totohondry, ny badminton, ny bisikileta, ny baolina kitra, ny fibatana fonjamby, ny handball, ny judo, ny karate, ny tolona, ​​ny lomano, ny rugby 7, tenisy, tenisy ambony latabatra, petanque, ary volley. Nambaran’ny komity mpikarakara fa ho fiarovana ny atleta rehetra, eto amin’ny Renivohitra, Antananarivo ihany no hanaovana ny fifaninanana.

Nandritra ny lahateniny tamin'ny lanonana fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fango sy ny hira fanevan'ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara teny amin’ny Ivotoeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato, nanamafy ny finiavany ny Filoham-pirenena fa ho lalao fanehoana ny rehareham-pirenena izy ity ary ho tsara kokoa noho ireo lalao teo aloha.​

Hanomboka ny 25 aogositra izao ny lanonam-panokafana ny hetsika ary ny 3 septambra 2023 izao ny famaranana ny hetsika eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina Antananarivo.

Misy ireo efa mientanentana amin’ny fampiantranoana ity hetsika lehibe ity ho firaisankina ary koa ho fanohanana ireo atleta Malagasy. Tahaka izany i Haingotiana Sarah izay nanoratra tao amin'ny kaontiny Twitter:

Handeha hiara-hientana amin'ny Lalaon'ny nosy 2023 🔥 Fankalazana ara-panatanjahatena manome lanja ny toe-tsain’ny ekipa sy ny fahaiza-manao ara-panatanjahantena any amin’ireo nosin’ny ranomasimbe Indianina. Vonona hanohana ireo atleta ankafizintsika ? 💪🏅

Fandraisana anjaran'ny Sinoa amin'ny fikarakarana ny JIOI 2023

Saingy toa voakitika ny hambom-pirenenan’ny Malagasy. Nanambara ny governemanta fa ho hafanain'ny ekipa sora-dihy Shinoa ny fanokafana sy ny famaranana ny lalao. Nahatezitra ny Malagasy maro amin'ny tambajotra sosialy io fanapahan-kevitra io. Ka namoaka tao amin'ny Facebook-ny ny Vaovaon'i KOLO TV, fahitalavitra tsy miankina iray hoe:

Tsy mahatoky ny fahaiza-manaon’ny Malagasy ny fitondram-panjakana ka nanafatra teknisiana sinoa hamolavola ny seho fanokafana sy famaranana ny lalaon’ny Nosy hotanterahana eto amintsika afaka herinandro vitsy. Tohina vokatr’izany ireo andrarezin’ny kanto sy ny kolontsaina Malagasy izay nanantena sy nanomana ny hampiseho ny fahaiza-manaony ho hitan’izao tontolo izao saingy izao ny vahiny izao no omen’ny mpitondra tombondahiny.

Taorian'ny resabe nateraky ny fidirana amin'ny manampahaizana sinoa, kanefa misy ny fahaiza-manao eo an-toerana, dia nanome fanazavana ho an'ny mpanao gazety ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, André Haja Resampa:

Des experts chinois du mouvement d’ensemble sont arrivés à Madagascar pour collaborer avec les figurants malgaches qui ont déjà concocté quelque chose, ils vont travailler ensemble dans la conception, la réalisation de certaines figures.

Tonga eto Madagasikara ireo manampahaizana Sinoa hiara-hiasa amin’ireo Malagasy mpanao sora-dihy izay efa nanomana zavatra, hiara-hiasa amin’ny famolavolana, ny fanatanterahana ny sora-dihy sasany izy ireo.​

Tsy azo antoka fa ampy ity fikasana hiaro ny fandraisana anjaran'ny Shinoa ity. Tena matanjaka i Shina eto Madagasikara saingy toa ny vitsy an'isa akaiky eo amin'ny fitondrana ihany no mahazo tombony amin'izany. Araka ny voalazan'ity tatitra avy amin'ny Ivo-toerana Frantsay momba ny Fifandraisana iraisampirenena ity:

C’est dans l’économie informelle de l’exploitation des ressources naturelles que les opérateurs chinois jouent un rôle majeur, contribuant à perpétuer l’extractivisme dont Madagascar peine à sortir depuis l’indépendance et jouant de fait un rôle important dans le financement des pouvoirs qui se succèdent.

Ao anatin’ny toe-karena tsy ara-dalàna amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary no tena mitana anjara toerana lehibe ny mpandraharaha sinoa, manampy amin’ny fampaharetan'ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izay tsy mety tafavoaka amin'izany i Madagasikara hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena ary raha ny marina dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny famatsiam-bola ireo fahefana nifandimby.

Folo andro latsaka mialoha ny fanombohan’ny lalao, manome antoka ny fitondram-panjakana fa vonona i Madagasikara handray ny JIOI 2023 ary efa mandeha tsara ny fanomanana. Tena tombony ho an’ny filoha am-perinasa ny fahombiazan’ity hetsika ity, izay kandidà handimby azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny novambra 2023.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.