Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Jona, 2013
Iran : ” Ho Any Amin'ny Amboara Eran-tany Amin'ny Baolina Kitra Izahay!” (Lahatsary maro)
Nahazo aina be ny Iraniana tamin'ny fankalazana natao ho an'ny fiovana. Ny Talata 18 Jona 2013 nameno fifaliana ny lalàmbe izy ireo taorian'ny nahatafakatra ny Ekipa nasionalin'ny baolina kitran'i Iran ho amin'ny Amboara Maneran-tanin'ny Baolina kitra 2014 izay atao ao Brezila.
Brezila, Goavana Vaovao Eo Amin'ny Sehatry Ny Fiadiana Tsy Mahafaty
Mampanontany tena ny Fitsarana Breziliana ny fampiasana fitaovam-piadiana tondroina ho tsy mahafaty raha miezaka ny mampiroborobo ny fanondranana azy ireny ho any amin'ny firenena tahaka an'i Torkia na ny Emirà Arabo ny Firenena.
Fitadiavan-Daza Iraisampirenenan'i Rosia: Hitsifotra (Elefanta Fotsy) ?
Raha manohy ny politikany amin'ny fampiasana ny hetsika iraisampirenena i Putin hanehoana fa mendrika hanaovana fampiasam-bola i Rosia, ny mpandoa hetran'ny firenena kosa efa manomboka mahatsapa fa ry zareo ihany no handoa ny faktiora.
Vladimir Putin: Tompon'ny Peratra (Super Bowl)
Nangalatra ny peratr'i Robert Kraft tompon'ny Super Bowl antsoina hoe New England Patriots ve i Vladimir Putin tamin'ny 2005? Maro ny bilaogera Rosiana nanao io fanontaniana io, rehefa niteny i Kraft tamin'ny 4 Jona 2013, tao amin'ny tafatafa hita ao amin'ny New York Post fa tsy nanolotra ny peratra ho fanomezana izy ny tena marina.
Trinidad & Tobago : Izay Mety No Ataovy
Na ahoana na ahoana no tianao hamaritana azy - ny foto-kevitra, ny fitsipika moraly, ny toetra - no mamehy ny fitsipi-pitondrantena amin'ny fanaovana izay mety. Miaraka amin'ny fitsingidingidinan'i Trinidad sy Tobago ho any amin'ny laharana faha-80 amin'ny Fandaharan'ny Transparency International tamin'ny taona 2012 mikasika ny Fomba fahitàny ny Kolikoly, bilaogera vitsivitsy avy ao an-toerana no nifanakalo hevitra momba ny resaka fahamendrehana.
Brezila: Maizina Hoavy, Sarimbavy Lasibatry ny Fanondranana Olona
Ity lahatsoratr'i Andrea Dipp, avy ao amin'ny Agência Pública (izay mpiara-miasa amin'ny Global Voices ), ity dia navoaka ho tahaka ny lahatsoratra fanadihadiana momba ireo “travestis” (sarimbavy) avy ao Fortaleza,...
Tafakatra Amin'ny Fiadiana Ny Tompon-daka Maneran-tany Ho An'ny Baolina Kitra i Japana, Miparitaka Ny Lazan'ny Fahaizan'ny Mpitandro Filaminana Mifehy Vahoaka
Raha an'i Japana ireo mpankafy noho izy ekipa voalohany tafakatra amin'ny Fiadiana izay ho Tompon-dakan'ny baolina kitra FIFA, nisongadina ny mpitandro filaminana raha nandray fanamafisam-peo mba hitarihana ireo vahoaka marobe teny amin'ny faritra malazan'i Sibuya, Tokyo izy, ny alin'ny 4 Jona 2013.
Brezila : Miandry ny Mondialy Ho Fahazoam-Bola i Marcela Handehanana Any Eoropa
Ity lahatsoratr'i Andrea Dipp, avy ao amin'ny Agência Pública (izay mpiara-miasa amin'ny Global Voices ), ity dia navoaka ho tahaka ny lahatsoratra fanadihadiana momba ireo “travestis” (sarimbavy) avy ao Fortaleza,...