· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Febroary, 2018

Taiwan: Inona No Azon'ny Baseball Atao ?

...nanainga ireo mpitia baseball sasany hitondra ny fahatsiarovany ny baseball...Tsy fahafahampo ho an'ny Tranon'ny Fo Masina fotsiny ny vokatra azo fa ho an'ireo mpitia baseball ihany koa

27 Febroary 2018

Makaô: Ireo Fihobiana Masiatsiaka Mandritra Ny Matson'ny Fanilo Olaimpika

Tsy toy ny tany amin'ireo firenena hafa nolalovany, tsiky fotsiny no azon'ny Fanilo Olaimpika androany tao Makaô, ny dingany farany mialoha an'i Shina Tanibe. Efa nahavita nitondra ny Fanilo manerana ny tanàna tsy nisy mpanakantsakana ireo mpihazakazaka. Mifanohitra amin'izay kosa, tamin'ny alalan'ny fanofahofana ireo saina dia tena notehafan'ireo mpijery ilay izy, mpitazana izay zara raha nahafehy ny fientenentanan-dry zareo arakaraky ny nitetezan'ilay fanilo an'ity zanatany Portiogey teo aloha ity, naverina ho ambany fifehezan'ny Shnoa tamin'ny taona 1999

20 Febroary 2018

Nahavotra Ilay Frantsay Mpihanika Tendrombohitra Tao Nanga Parbat, Pakistan Ny Hetsika Fanangonam-bola, Saingy Tsy Avotra Kosa ny Namany Iray Niaraka Taminy

Nahavita nanangom-bola ampy hamatsiana ny asa fanavotana ho an'ilay Frantsay mpihanika tendrombohitra Elizabeth Revol, izay nihanika ny Nanga Parbat ao Pakistana, tendrombohitra fahasivy avo indrindra manerantany ny fikambanana iraisam-pirenen'ny mpihanika tendrombohitra. Tsy voavonjy kosa ny mpiara-mpihanika tendrombohitra aminy, Tomek Mackiewicz, noho ny toetr'andro ratsy, ary voalaza fa namoy ny ainy.

12 Febroary 2018