Mpihazakazaka Trinbagoniana maka fotoana hakana sary ny hazo poui

Hazo poui mavokely mamony any Trinite. Sary avy amin'i Bobbi Gail Xavier, nahazoana alalana.

Iray amin'ireo endrika mahafinaritra indrindra amin'ny vanin-taona maina ao Trinite sy Tobago ny famonin'ny poui. Ravaka amin’ny endrika avo izay maniry hatrany amin'ny 12 metatra eo ho eo izy io, ary ampiasaina indrindra amin'ny endriky ny faritra ho an'ny daholobe sy an'olona manokana noho ny famoniny mahafinaritra. Na mavo marevaka na mavokely matsatso ny voninkazo Pouis, saika mitovy amin'ny  voninkazon'ny serizy tropikaly any Japana.

Matetika tsikaritra betsaka eny an-tehezan-tendrombohitra maina mandritra izao vanim-potoanan'ny taona izao ny Pouis, sy eny amin’ny sisin'ny lalambe migodana rehetra eny, fa ny tena toerana hahitanao azy ireo akaiky sy mivondrona dia manodidina ny Queen's Park Savannah any Port d’Espagne, izay ijoroan'izy ireo tahaka ireny mpiambina manamorona ny lalan’ny fanaovana hazakazaka manodidina ny toerana maitso lehibe indrindra ao an-drenivohitra.

Manao fanatanjahan-tena tsy tapaka manodidina ny Savannah ilay mpisera Facebook,  Bobbi Gail Xavier mpihazakazaka mahafatrapo sady mpankafy ny fakana sary; mihazakazaka any amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena ihany koa izy ary mizara ny traikefany amin'ny namana sy mpanaraka amin'ny alàlan'ny fakana sy fandefasana sarin'ny toerana mahafinaritra. Mazava ho azy, mameno ny kaontiny tato ho ato ny hazo poui; navoaka eto indray ny sasany amin'ireo sariny mahafinaritra indrindra rehefa nahazoana alalana avy aminy.

Manaraka ny famantaranandro, ankavia miankavanana: Hazo poui mavo marevaka eo an-tokotanin'ny toeram-piasana manamorona ny araben'i St. Clair, iray amin'ireo lalana manamorona ny Queen's Park Savannah, feno voninkazo ka lasa karipetra amin'ny tany. Mpihazakazaka iray nandalo ny andiana pouis mavokely rehefa nanatona ny Queen's Royal College, ny voalohany amin'ny Fito tena Fatratra, andiana tranobe manan-tantara eo amin'ny ilany andrefan'ny Savannah. Misy poui mavo mamony eo amin'ny fidirana amin'ny Akademia Nasionalin'ny Zavakanto An-tsehatra (NAPA), eo amin’ny ilany atsimon’i Savannah.

Havia miankavanana: Poui mavokely iray misongadina manoloana ny lanitra manga eo am-piandohan'ny faritra Cocorite, izay mitondra mankany amin'ny saikinosy andrefan'i Trinidad. Raha tazanina avy ety ambany dia toa tahaka ny satroboninahitra ny voninkazon'ity hazo ity. Ny karipetram-boninkazo mavokely no manamorona ny lalana fandehanana an-tongotra eo amin'ny ilany atsinanan'ny Savannah.

Manaraka ny famantaranandro avy any ambony, ankavia miankavanana: Manangasanga ny Poui mavokely; Hoy i Xavier momba ity sary ity: “Naka ​​sary poui marobe aho androany maraina, fa nisongadina ity iray ity, na dia ahitana fiara maro aza.” Sarin’ny poui mavokely nalaina sary akaiky. Mihodikodina eny amin'ny Savannah ny fiara rehefa mody masoandro, lafika tonga lafatra ho an'ny poui mavo hafa manamorona ny NAPA ny masoandro milentika. Mitaratra daholo ny pouis rehetra rehefa milentika ny masoandro, fa toy ny hoe notrohan’ny lanitra ny lokon’ny voninkazony mavokely sy miloko volamena.

Na dia toa matroka aza ny lokon'izy ireo rehefa takariva, dia mbola mitana ny famirapiratan'ny hatsaran-tarehin'izy ireo ny pouis rehefa mivadika ho alina ny andro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.