Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Septambra, 2011
Alzeria : Lalao Baolina Kitra, Toerana Vaovao Hanehoana Tsy Fitovian-kevitra
Nahita fomba vaovao hanaovana izay hihainoana ny feon'izy ireo ny Alzeriana. Ireo mpijery baolina kitra dia nanararaotra ny fotoana mba hilazana ny fahitan'izy ireo ny politika, ao amin'ny firenena izay niaro fatratra ny tenany tamin'ilay revolisiona antsoina hoe Lohataona Arabo
Masedonia: Fankalazana Ny Fandresena Amin'ny Lalao Basketball Manerana An'i Litoania
Niely manerana ireo arabe, lavarangana sy kianjan'ny firenena anatin'ny tontolon'ny bilaogy ny fankalazana ny fahatafidiran'ny Niely manerana ny araben'ny firenena, lavarangana sy kianjan'ny tanàna, tanaty tontolon'ny bilaogy ny fankalazana ny fidiran'ny Masedoniana amin'ny manasa-dàlana amin'ny fiadiana ny ho tompon-daka Eoropeana amin'ny lalao basket-ball. Mitatitra i Filip Stojanovski reports.
Libia: Lalao Baolina Kitra Voalohany Nandreseny amin'ny maha-Firenena Malalaka azy
Resin'i Libia tamin'ny isa 1-0 i Mozambika tamin'ny fifantenana ireo hiady ny Tompon-dakan'i Afrika amin'ny baolina kitra, fandreseny voalohany hatramin'ny nionganan'ny fitondran'i Muammar Gaddafi. Feno fifaliana ao anatin'ny Twitter satria dia mankamamy ny fandreseny voalohany amin'ny maha-firenena malalaka an'i Libia
Kolombia : Nolavin'ny Federasiônin'ny Baolina Kitra ny Fametraham-pialàn'i ‘Bolillo’ Gómez Tsy Ho Mpanazatra
nolavin'ny Federasiôna ny fametraham-pialan'i Hernán Darío Gómez [Eng] (‘Bolillo’) tsy ho mpanazatra ny ekipam-pirenena, izay natolotr'i 'Bolillo' taorian'ny fikasihan-tànana vehivavy iray. Ireo fampahalalàm-baovao ara-tsosialy Kolombiana dia nizara ny zavatra rehetra avy amin'ny tsikera amin'ny fanajana vehivavy sy ny fandanjalanjana hoe iza no mety afaka hisolo azy.