Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Oktobra, 2012
Pôrtô Riko: Mirehareha Amin'ny Maha-Pelaka Azy ny Mpanao Ady Totohondry Orlando Cruz
Novakian'ny mpanao ady totohondry Pôrtôrikana Orlando "The Phenomenon" Cruz ny fahitana ny ankapoben'ny tontolo haiady tamin'ny fanambarana vao haingana nataony mikasika ny fironany ara-pananahana.
Manohy Ny Diany Ho Any Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-tany 2014 i Panamà, i Honduras ary i Costa Rica
Tafakatra amin'ny dingana famaranana ao amin'ny Concacaf i Panama, i Honduras ary i Costa Rica, fifanintsanana hankanesana any amin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany FIFA 2014 any Brezila. Ireo mpitia baolina kitra dia niady hevitra tamin'ny tambajotra sosialy samy hafa momba ireo lalao fifnanintsanana nahafinaritra.
Oganda: Ilay Fanomezana Jobily Volamena Izay Tsy Tontosa Mihitsy
Raha mbola mankalaza ny faha-50 taonan'ny fahaleovantenany i Oganda ny 9 Oktobra 2012, mba nanantena ny tsirairay fa ho fanomezana lehibe tsara indrindra ny fandresena amin'ny fiadiana ny ho Tompondakan'i Afrika....
Kenià: Tompondaka Safari Rugby 7s Mampientanentana Ny Mpanohana
Lalao ara-panatanjahantena lehibe iray no natao tany Afrika Atsinanana ny 21 ka hatramin'ny 23 Septambra,2012, teo tany Nairobi, renivohitr'i Kenià - Ny Safari Sevens , lalao fifanintsanana rugby ataon'ny firenena fito manana moron-drano izay niandoha tamin'ny 1995 nefa tafiditra amin'ny fandaharam-potoana amin'ny fihaonana ara-panatanjahan-tena Keniana.