LAHATSARY: Miomana ho amin'ny fivoizana am-bisikileta 805 kilaometatra 

 

1 Jona, Nathan Matias sy Ivan Sigal manomboka ny fivoizana am-bisikileta 500 maily.

Ora vitsy monja sisa dia hanomboka ny fandehandehanany am-bisikileta 500 maily any Californie Afovoany i Nathan Matias sy Ivan Sigal, manaraka ny lalan'ny Diaben'ny Tantsaha any Californie tamin'ny taona 1966. Ao amin'ity horonantsary ity no hiresahan’izy ireo ny fiomanany ho amin'ity dia lavitra ity.

Hanangonam-bola hanohanana ny Rising Voices, izay fandaharan’asa fampiatiana nomerikan’ny Global Voices sy ny Central California Environmental Justice Network ity fandehandehanana am-bisikileta ity.

Vakio bebe kokoa momba ilay fandehandehanana am-bisikileta, anisan'izany ny tanjon'izy ireo sy ny lalana handalovany ao amin'ny pejy fitantaranay manokana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.