Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Jona, 2018
Mandritra ny Amboara Manerantany, mahazo olana i Meksika rehefa mihiaka fahadalàna ny mpanohana azy
Ho fanampin'ny mety hoheverina ho kiaka mankahala pelaka, mety hiteraka olana goavana hoan'ny ekipam-pirenena meksikana ny “EEEEEH P…”. Araka ny ambaran'ny fitsipiky ny FIFA.
Kintan'ny football iray vao misandratra anisan'ny Uyghurs iray tapitrisa mahery alefa any amin'ny toby fanarenan-tsaina shinoa
Tombanana ho mihoatra ny iray tapitrisa ny Uyghurs any Xinjiang nalefa tany amin'ny toby fanarenan-tsaina mba ho esorina izay nianarany ary hanitsiana ny fijeriny ara-pivavahana sy ara-politika.
Amboaran'ny Konfederasiona: Noresen'i Ejipta i Italia, tompondaka manerantanin'ny football
Mbola niroso dingana mankany amin'ny manasa-dalan'ny Amboaran'ny Konfederasiona ihany i Ejipta taorian'ny fandresena Ejiptiana 1-0 manoloana an'i Italia, tompondaka manerantany. Taorian'ny lalao, maro ireo Ejiptiana nidina an-dalambe mampaneno ny anjomaran'ny fiara amin'ny sasakalina. Lasa feno fiara ny arabe izay nalalaka nandritra ny lalao.
Ravoravo amin'ny fanombohan'ny Mondialy ny Rosiana, na dia hoavy aza ny fanavaozana ny retirety sy ny hetra

Amin'ny fiantraikan'ny fahefana malefaka tiana aseho izao tontolo izao, ahoana ny fihetsiky ny Rosiana manoloana ny firohotry ny vahiny maro dia maro, toa tsy voafehy?
Ireo Feo Avy Any Azia Atsimo
Famintinana fohifohy mikasika ireo zava-nitranga tao Azia Atsimo (2006).
Zeorzia: Loza niseho nandritra ny fanokafana ny lalao Olaimpika ririnina
Nivoaka taorian'ny misasak'alina tamin'io andro io ihany tao amin'ny forum Zeorziana ny vaovao momba ny fahafatesana mahatsiravina an'ilay mpikorisa an-kalesin-dranomandry Zeorziana Nodar Kumaritashvili ora vitsy mialohan'ny fanokafana ny Lalao Olaimpika Ririnina 2010 tany Vancouver, Kanadà.
Rosia: Bilaogera maty tany an-tendrombohitr'i Elbrus
Olona 30 eo ho eo no maty isan-taona any amin'ireo tendrombohitr'i Rosia; tamin'izy ireo, folo teo ho eo no maty tany Elbrus.