Tafiditra anaty tantara noho ny isa ambony indrindra tsy mbola nisy teo amin'ny cricket sokajy vehivavy T20I ny Antilles, fa afaka ny handrombaka io andiany io ve izy ireo?

Sary nasongadina noforonina tamin'ny alalan'ny fampiasana singa Canva Pro.

Ao anatin'ny fisandratan'ny tarika vehivavy mpilalao cricket avy ao Antilles, izay nahatratra ny tontalin'isa ambony indrindra mbola tsy fahita teo amin'ny tantaran'ny cricket vehivavy T20I tamin'ny 2 Octobra teo – niaraka amin'ny ambim-baolina iray sy ‘guichets’ fito – nifaly ny tontolon'ny bilaogy Karaibeana noho ity fandresena nahazoana isa 213 ity. Azo antoka tamin'ny ampahany ity fandresena tsy manam-paharoa ity tamin'ny fahaizana mahatalanjona nananan'ny kapitenin'ny tarika, ilay Barbadiana Hayley Matththews, izay nahafaty 132 tamin'ireo 64 nanoloana an'i Aostralia tao North Sydney Oval :

ILAY FIHAZAKAZAHANA AMBONY INDRINDRA TAMIN'NY TANTARAN'NY T20I VEHIVAVY 🤯#Nanenjika 213 i #WestIndies nanoloana an'i Astralia. An'i  #HayleyMatthews ny isa 132 tamin'ny 64,  misy 20 ‘fours’ sy 5 ‘sixes’

🎥: cricketcomau#AUSvWI #T20Cricket #WomensCricket #CricketTwitter

pic.twitter.com/87ZPRY2dc2

— Niche Sports (@Niche_Sports) 2 Oktôbra 2023

Hayley Matthews no nitana ny isa ambony indrindra tamin'ny hazakazaka amin'ny T20I,  manana hazakazaka 132.

#SKY247 #HayleyMatthews #T20I #WestIndies #Australia #WIvsAUS #WomensCricket pic.twitter.com/sbC9EJJFvB

— Sky247 (@officialsky247) October 2, 2023

Mitovy amin'ny fitambarana andian-dalàao telo ny fahombiazana miavaka vitan'ilay ekipa, nametraka ny Antilles ho amin'ny toerana stratejika hibata fandresena iray manoloana ilay tompondaka erantany amin'ny vehivavy ankehitriny. Kasaina hatao ny Alakamisy 5 Octobra amin'ny 4h 00 maraina ny lalao fanapahan-kevitra, ora ao Karaiba Atsinanana (19h 00). Ora vao maraina ho an'ny atsinanan'i Aostralia, ao amin'ny Allan Border Field any Brisbane. Raha toa hibata fandresena i Antilles dia fotoana miavaka be ho an'ny ekipa io izay vao avy nivoaka tamin'ny lafiny ilany nizakàny  faharesena 15 nifanesy, sy ho ana faritra iray izay nanjaka tamin'ity fanatanjahantena ity tany aloha tany

Ny Twenty20 International (T20I) dia endrika iray amin'ny cricket izay lalaovin'ny mpikambana ao amin'ny International Cricket Council (ICC), izay hiatrehan'ny ekipa tsirairay avy 20 ‘overs’ mahery, tsy mitovy amin'ny fitsapàna cricket mahazatra, izay misy lalao efatra, lalaovina mandritra ny dimy andro.

Amin'izay indrindra, ny Praiminisitr'i Barbady, Mia Mottley, no iray tamin'ireo niarahaba voalohany an'i Matthews sy ny ekipany noho ny fandresena azony, nilaza teo amin'ny pejiny Instagram hoe :

Tena faly aho mahita ny kintan'ny cricket-n'i Barbade […] manamafy ny toerany amin'ny maha #1 amin'ireo rehetra mahay indrindra  ao anatin'ny Filaharana ICC  T20I Vehivavy.

Nitranga izany taorian'ny zava-bitany mahatalanjona nanoloana an'i Aostralia, izay nahazoany ny isa 132 tamin'ny hazakazaka – isa ambony indrindra azon'ny vehivavy iray mpilalao cricket ao Antilles tamin'ny T20I, nahazo ‘guichets’ 3 – ka mahatonga azy ho ny  vehivavy faharoa tamin'ireo T20I rehetra nanamarika ny taonjato sy nahazo guichets 3 – ary nanampy an'i Antilles  hamarana ny hazakazaka fifanenjehana  avo indrindra tamin'ny cricket vehivavy T20I.

Io zavabitany ambony indrindra io no niantoka ny fahazoany im-7 nisesy ny loka ho vehivavy Mpilalao miavaka nandritra ilay fifanandrinana.

Fantatro fa eken'ireo Barbadiana rehetra ary na ireo Antillais koa aza ny fahaiza-manao anananao amin'ny cricket, koa miarahaba anao sy ireo Windies ihany koa izahay noho ny fandresenareo.

Pejy iraisam-pirenena iray ho an'ny cricket no niantso ilay fandresena ho manan-“tantara”, raha toa ny cricket.com kosa niantso azy io ho “fandonana tena tsara vitan'i Hayley Matthews”.

Vehivavy mpilalao lozabe i Hayley Matthews tao amin'ny T20I vehivavy.#HayleyMatthews #Cricket #WomensCricket #SkyExch #WestIndies #ENGWvsWIW #T20Is pic.twitter.com/Lyf8J8AFfg

— SkyExch (@officialskyexch) 1 Oktôbra 2023

Talohan'ny lalao tamin'ny 2 Oktobra, nananihany i Andrea Jones, mpankafy an'i Aostralia, hoe :

Ekipa tena sarotra resena foana ny Vahivay Aostraliàna, na aiza na aiza eto amin'izao tontolo izao, fa indrindra ao an-trano. Raha samy mpilalao, ao amin'ny ekipa vehivavy an'i Antilles, i Hayley Matthews ihany no mety ho tafiditra any amin'ny lafin'ny ekipam-behivavy aostraliàna, ary dia miandrandra fifaninanana iray mandeha ila izahay amin'ny Alatsinainy. Ny vinavinay dia hoe handresy mora indray ireo vehivavy Aostraliana.

Taorian'ny lalao, na izany aza, ireo mpankafy cricket ao Karaiba dia naniry ny hahafantatra bebe kokoa momba an'i Matthews, raha ny ekipa Aostraliana kosa indray nankasitraka ny fahareseny, na toa aza tapa-kevitra kokoa ny hanaporofo ny heriny amin'ny lalao fahatelo :

Nilalao tsara ny Antilles

Ho an'ny mpanapa-kevitra amin'ireo andiany ao Brisbane amin'ny Alakamisy

#AUSvWI pic.twitter.com/R8SzMM6oun

— Australian Women's Cricket Team 🏏 (@AusWomenCricket) 2 Oktôbra 2023

Hanongilan-tsofina ireo Karaibeana mpampiasa aterineto sy mpanaraka ny cricket hijery raha toa ny mariky ny cricket “calypso” avy ao amin'ny faritra ka hivoaka ho mpandresy manoloana ireo tompondaka erantany amin'izao fotoana izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.