Ny 18 May, nandritra ny diany, nahavita asa famonjena nahatalanjona tamin'ny alalan'ny fanavotany Maleziana iray mpihanika tendrombohitra tao an-Tendrombohitr'i Everest i Gelje Sherpa, mpihanika tendrombohitra matihanina sady mpitari-dalana avy ao Nepal. Araka ny voalazan'ny tomponandraikitra iray ao amin'ny governemanta, tany amin'ny toerana avo be izay ambany dia ambany ny tahan'ny ôksizena, no niseho ity asa famonjena “tena tsy fahita firy ity”. Antsoin'ny rehetra matetika hoe “Faritry ny fahafatesana” ilay toerana noho ireo fepetra maro mampidi-doza ao aminy sy ny fahafatesan'olona marobe nitranga tany.
Ny 18 May, rehefa iny nitarika Shinoa mpihanika tendrombohitra iny indrindra i Gelje Sherpa, ho any an-tampon'i Everest (8 849 metatra na 29 032 felan-tongotra), dia nahita zava-dehibe : Maleziana iray mpihanika tendrombohitra no indro tafahitsoka sy efa tsy hahatsiaro tena anaty hatsiaka mamirifiry. Mba hanavotana ny ain'ilay mpihanika tendrombohitra dia nandresy lahatra ilay Sinoa mpanjifany i Gelje Sherpa mba hamàrana ny fihanihana tendrombohitra ary hiverina hidina any amin'ny toby filasiana ao Everest, nahafahany nifantoka tamin'ny fanavotana ny ain'ilay Maleziana mpihanika tafahitsoka.
Nilaza ny mpampiasa Twitter iray, Joe Pompliano hoe:
Meet Gelje Sherpa.
He was taking a private client up Mt. Everest when he noticed someone dying just 500 meters from the summit.
So he ran over, wrapped him in a sleeping mattress, gave him oxygen, put him on his back, and hiked him 6 hours down the mountain to safety.
LEGEND. pic.twitter.com/M6AjW2Oywj
— Joe Pompliano (@JoePompliano) June 5, 2023
Fantaro i Gelje Sherpa.
Teo ampitondrana ny mpanjifany manokana ho eny amin'ny tendrombohitra Everest izy no nahatsikaritra olona an-dalam-pahafatesana, 500 metatra monja tsy ho tonga eny an-tampony.
Ka nihazakazaka, nofonosiny kidoro fatoriana, nasiany rivotra, nataony teo an-damosina ary nentiny an-tongotra ora 6 nidina ny tendrombohitra mba ho azo antoka.
MALAZA. pic.twitter.com/M6AjW2Oywj
— Joe Pompliano (@JoePompliano) 5 Jona 2023
Tao anaty tafatafa iray niarahana tamin'ny Guardian News, nomarihin'i Gelje fa zava-dehibe kokoa ny mamonjy aina noho ny fandehanana any an-tampony. Nobabeny tao an-damosiny ilay mpihanika tafahitsoka, avy any amin'ny 1 900 felan-tongotra (580 metatra eo ho eo), amina haavo tafahoatra ; adiny enina teo ho eo no naharetan'ilay fanavotana. Nanoratra teo amin'ny kaontiny Instagram i Gelje mikasika ilay fanavotana : “Izaho ihany no nitondra azy teny an-dàlana hatreny amin'ny Toby faha-4, ary nanomboka teo no nanampian'ny tarika iray mpamonjy voina .”
Nibitsika i Naser mpampiasa Twitter hoe :
This is Gelje Sherpa, a hero who risked his own life to rescue an ungrateful mountaineer who almost died while trying to summit Mount Everest by carrying him for six hours.
Sherpas are unsung heroes & deserve way more recognition than they get. pic.twitter.com/SWttmeEXQe
— Naser (@NaserMestarihi) June 5, 2023
Gelje Sherpa io, mahery fo iray nanao vy very ny ainy mba hanavotana, tamin'ny alalan'ny fibabena nandritra ny adiny enina ny mpihanika tendrombohitra iray tsy nahay nankasitraka, izay saika maty teo ampikasana ny hihanika ny tendrombohitr'i Everest.
Mahery fo tsy misy mpidera ireo Sherpas ary mendrika ny hankasitrahana bebe kokoa noho izay azony.
— Naser (@NaserMestarihi) 5 Jona 2023
Fanadinoana hafahafa
Nahazo tehaka mirefodrefotra sy fankasitrahana eran'izao tontolo izao ny fihetsika feno herim-po nataon'i Gelje Sherpa, ary nisy ireo fantsom-pilazam-baovao iraisam-pirenena marobe nanamarika ny fihetsiny mahery fo. Na izany aza, sahala amin'ny toa misy olona iray tsy mba sambatra tamin'ny nanavotana azy : ilay Maleziana mpihanika tendrombohitra irery ihany, Ravichandran Tharumalingam. Tao anaty lahatsoratra Instagram iray, nanararaotra izany i Tharumalingam hanehoana ny fisaorany an'ireo mpanohana azy, tsy nilaza ny momba an'i Gelje Sherpa mihitsy. Fotoana fohy taorian'io hafatra io, nanomboka nanatefotefoka an'i Tharumalingam amin'izay ireo mpampiasa media sôsialy noho ny fanaovany tsinontsinona ny anjara andraikitra noraisin'i Gelje namonjena ny ainy. Rehefa niha-henjana ny toe-draharaha dia nandefa hafatra hafa iray indray i Tharumalingam nilaza ny fankasitrahany an'ireo Sherpas izay nandray anjara tamin'ny famonjena azy, anisan'izany i Gelje Sherpa.
Ny anjara toeran'ireo Sherpas ao Everest
Ao Nepal no misy ny Tendrombohitra Everest, heverina ho tendrombohitra avo indrindra eran-tany. Valo amin'ireo tendrombohitra folo avo indrindra eran-tany no hita ao Nepal ka mahatonga azy ho toerana fiantsonana malaza ho an'ireo mpihanika tendrombohitra.
Ny fihanihana ny tendrombohitr'i Everest, nohajaina ho toy ny fitsapàna farany indrindra ho an'ireo mpihanika, dia tsy ho tanteraka velively raha tsy misy ny vondrona iray matihanina miavaka ao Nepal fantatra amin'ny anarana hoe Sherpas. Afangaro foana matetika amin'ireo mpitatitra tsotra, ireo Sherpas dia avy amina vondrom-poko iray mifàka lalina ao anatin'ny kolontsaina sy tantaran'i Nepal. Hatramin'ny taranaka nifandimby maro no nonina tao anatin'ireo faritra be tendrombohitra ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo ary nahafehy tsara ny fahafahana miaina ao anatin'ity rivo-piainana sarotra isanandro ity.
Avy amin'ny fampiasana ny traikefan-dry zareo, mandray anjara lehibe isaky ny fihanihana tsirairay ao amin'i Everest ireo Sherpas. Manampy izy ireo amin'ny fametrahana ny toby, mahandro sakafo ho an'ny ekipan'ny dia, mitatitra ireo tavoahangin-drivotra mankany amin'ny toby ary manome torohevitra sy tohana mandritra ireo dia sarotra mankany an-tampon'i Everest. Izy ireo no hazondamosin'ny fitsangatsanganana rehetra sady maro an'isa amin'ireo atleta tsara indrindra erantany. Tsy hoe mitari-dalana fotsiny ireo mpihanika ry zareo fa miaritra loza amin-kerim-po ihany koa mba hamonjena ireo mpihanika hafa.
Indrisy anefa fa tena mbola tsy fantatr'izao tontolo izao ireo Sherpas, matetika takona sy heverina ho sahala amin'ireo mpibata entana tsotra fotsiny. Milaza ireo tatitra fa karama vary masaka no raisin'ireo mpibaby entana isanandro, dimy dolara amerikana no salan'isany amin'ny ankapobeny, raha toa ka mety hahatratra efatra ka hatramin'ny dimy arivo dolara amerikana kosa ny an'ireo mpitari-dalana za-draharaha amin'ny asan'izy ireny rehefa mandeha miakatra. Mizaka enta-mavesatra ireo mpitatitra entana ireo, mitondra entana maherin'ny telopolo kilao isan'olona mandrapahatonga eny amin'ny toby filasiana. Na izany aza anefa, zara raha ampy ho an'ny filàna fototra ho an'ny fianakaviany ny vola miditra amin'izy ireo.
Na mety ho nandray anjara tamin'ny fanamoràna ny fihanihana ny tendrombohitra ao Everest aza ireo Sherpas, dia lavitra an'izay ny tena zava-misy. Marobe ireo Sherpas mpihanika tendrombohitra nahavita nanamontsana ny zavabita tsara indrindra, nitondra ny Fitsidihana an'i Himalaya ho eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary nitondra fankasitrahana bebe kokoa. Nepal, na eo aza ny fahafahany ho loha-laharana eran-tany amin'ny fihanihana tendrombohitra dia miatrika fanamby noho ny tsy fisian'ny fanohanana matanjaka avy amin'ny governemanta sy ny tsy fahampian'ny loharan ara-olombelona araka ny tokony ho izy.