Tantara mikasika ny Fanatanjahantena tamin'ny Aogositra, 2011
Kolombia: Nanaiky ny fialan'i ‘Bolillo’ Gómez tsy ho Mpanazatra ny Federasiona
Ny alahady 21 aogositra dia nanaiky ny fialany amin'ny maha-mpanazatran'ny ekipam-pirenena Kolombiana amin'ny baolina fandaka azy i Hernán Darío Gómez ratified raha nandona vehivavy iray tao Bogotá. Nanaiky ny fialany tamin'ity indray mitoraka ity ny Federasionan'ny Baolina fandaka tamin'ity indray mitoraka ity, saingy nitohy hatrany ny adihevitra an-tserasera.
Peroa : Baolina kitra, Dokambarotra Amin'ny Fahitalavitra , Fitrandrahana Harena An-kibon'ny Tany ary Tambanjotra Sosialy
Ny Talata, 19 Jolay [es], raha mbola nijalytamin'ilay lalao manasa-dalana teo amin'ny Peroa-Orogoay tamin'ilay Amboaran'i Amerika ry zareo Peroviana, nanana n y antony nandefasana bitsika tamin-katezerana ireo mponin'ny aterineto nijery ilay lalao baolina : Dokambarotra nataon'ny Sociedad Nacional de Mineria, Petróleo and Energia [es] (National Institute of Mining, Oil and Energy) na ny (Foibem-pirenena misahana ny harena an-kibon'ny tany, Solika ary ny Angovo) niaraka tamin'ilay mpilalao baolina taloha Juan Carlos Obitas eo amin'ny toeran'ny mpilalao fototra, nalefa nandritra ny fialan-tsasatra, izay nampiasa ny fifandrafiana nisy taloha teo amin'ny Peroa sy ny "Chile" mba hitadiavana ny olona mitsipaka ny fisondrotan'ny haba amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany.