Gazetibokin'ny Fahasalaman-Dehilahy Ao Kazakhstan Miteny Ratsy Ny Fahasalaman'ny Vehivavy

Sary nampiasaina tao amin'ny tranonkalan'ny Fahasalaman-dehilahy ao Kazakhstan mba hampahafantarana ilay fanentanana maneso miparitaka be.

Lahatsoratra mpiara-miasa  avy ao amin'ny EurasiaNet.org ito manaraka ito.

Nandrehitra afo ny fanontàna Kazakhstan an'ny gazetiboky Men's Health (Fahasalaman-Dehilahy) tamin'ny fanesoana ilay fanentanana momba ny fahasalaman'ny vehivavy miaraka amin'ny fakàna tàhaka mandika vilana manohitra ny fanentanana izay mampirisika ny lehilahy hihaotra matetika kokoa ny tranombihiny

“Raha misy fanentanana feminista (manindrahindra ny maha-vehivavy), tokony hisy vazivazy momba ny fanentanana feminista, raha tsy zany, fanakavahana ny lehilahy izany,” hoy Karim Kadyrbayev, mpanoratra ho an'ilay gazetiboky, niady hevitra teo amin'ny fanehoankevitra nanaraka ny fandefasana an'ilay fanentanana maneso, izay manana ny tenifototra azy manokana — #ScratchIfItItches (#чешиесличешется) #Mihaotralftltlt

Nivoaka teo amin'ny aterineto tamin'ny Febroary 13 ny bilaogin'i Kadyrbayev ary nanasongadina sarin'ny mpilalao sarimihetsika Jim Carey sy mpilalao baolina kitra Cristiano Ronaldo ary Lionel Messi miaraka amin'ny tànan'izy ireo eo amin'ny tranombihiny.

Filazana sahisahy ny milaza fa niharan-doza noporiporetin'ny fanentanana sosialy tarihan'ny vehivavy ireo lehilahy ao Kazakhstan, fa tsy misy dikany ireo mpankahala vehivavy ao amin'ny firenena raha tsy hoe very saina.

Niantomboka tamin'ireo mpilalao sarimihetsika malazan'ny Bollywood ny fandraisana andraikitra nangalan'ny Men's Health hevitra, izay naka ho fahazarana ny fandefasana sarin'ny tenany mitàna salakam-behivavy, miaraka amin'ny tenifototra #FanambyPadman (#PadmanChallenge) sy #TsyMenatraAho (#Iamnotashamed)

Misaotra anao @pulkitsamrat nanendry ahy ho amin'ny #padmanchallenge
Manendry an'Atoa World antsika #RohitKhandelwal, Oliravina world 2000 @priyankachopra no sady ilay tian'ny olona rehetra @RanveerOfficial
PS tsy zava-behivavy ihany izy io! pic.twitter.com/2jEIIxD5ac

Ny hamotika ny holatry ny fitsaratsaram-poana mbola manodidina ny tontolon'ny fadimbolan'ny vehivavy manerana ny tany no tanjona. Lasa manerantany ilay fihetsehampo niparitaka, niaraka tamin'ny fipongaran'ilay lasibika Natalia Vodianova ho toy ny tarehy farak'izay malaza ao amin'ilay fanentanana any amin'ny tontolo miteny Rosiana.

Fanamby #PadMan lasa malaza miaraka amin'ny lasibika Natalia Vodianovahttps://t.co/eGVmk0ORzr

Voatery namaly ny fitopan'ny fanehoankevitra ratsy teo amin'ny aterineto ho an'ny vazivazin'ny Men’s Health Kazakhstan, nanoratra teo amin'ny Facebook ny Febroary 14 i Kadyrbayev fa tsy natao hihomehezana an'ireo salakam-behivavy ny teny vilana #Mihaotralftltlt . Fa kosa, hoy izy, manakiana an'ireo fanentanana eo amin'ny aterineto izay “tsy mahavita na zavatra iray” aza amin'ny ankapobeny.

Na nisy aza iny fehezanteny fanehoankevitra iny, sarotra ny mijery ny lahatsoratrin'ny Men's Health ivelan'ny toejavatra nisian'ilay valinteny ratsin'ny patriarika izay miandry tsy mtsahatra ny hetsika rehetra eo amin'ny aterineto ao Kazakhstan natao hanondrotana ny lanjan'ny vehivavy. Tamin'ny namoahan'ny dokotera Asel Bayandarova mipetraka eo Almaty ny lahatsoratrateo amin'ny Facebook izay miteny fa tsy tokony hanaiky ny fiandrandràna “kidaladala” avy amin'ny fiarahamonina nentim-paharazana ireo vehivavy Kazakh, nasiaka ny fanehoankevitra.

Nampanarahan'i Bayandarova an'ilay lahatsoratrany ny sarin-tenany tsy nitafy afa-tsy ny tapany ambanin'ny akanjo mizara roa fitondrany milomano. Miaraka amin'ireo hafatra fankatoavana be dia be amin'ny fo manontolo, nisy ireo fanehoana feno hatezerana, avy amin'ny lehilahy mifikitra amin'ny nentim-paharazana ny ankamaroany.

Tsy zava-maningana amin'ny Kazakhstan ireny karazana fanehoankevitra manohitra ireny, mazava ho azy. TSy ela akory iay i Steve Bannon, mpanolotsaina fahin'ny Filohan'i Etazonia Donald Trumpy, avy amin'ny fatra-mpandala ny nentin-drazana, no nampintandrina masiaka fa ny hetsika #IzahoKoa dia nametraka loza mitatao ara-pisiana ho an'ny Antoko Repoblikana.

Nampitandrina an'i Trump i Stave Bannon fa mbola ho lehibe kokoa noho ny Tea Party ny ‘hetsika manohitra ny patriarika” #AtaovyMatahotraIndrayNyFasista #MakeFascistsAfraidAgain

Nahazo fanamelohana tamin'ny 2016 avy amin'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana ny hetsika iray hafa mitovy amin'io manaraka fotokevitra eo ambanin'ny tenifototra Okrainianina- sy teny Rosiana voadika amin'ny hoe “Tsy matahotra ny hiteny aho”.

Noraisina tamin'ny tsy fahatkisana loatra ilay fanentanana malaza hanalàna ny fitsaratsaram-poana ny fadimbolan'ny vehivavy, mandritra izay fotoana izay, nanerana ny aterineto amin'ny teny Rosiana, araky ny filazambaovao Regnum mpomba ny ao Kremlin.

Nanomboka tamin'ny alin'ny andro namoahana ny horonantsary Bollywood atao hoe Padman ilay fanentanana izay mitety ireo fady ara-kolontsaina manodidina ny fadimbolan'ny vehivavy ao India. Notaterin'ny Regnum fa betsaka amin'ireo mpampiasa tambajotra sosialy no miahiahy an'i Vodyanova ho mahazo vola avy amin'ny mpanohana ny Padman ary tena mirotsaka marina tokoa amin'ny fampahafantarana an'ilay horonantsary, fa tsy izay antony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.