Shina: Miteraka Tsikera Ilay Areti-Mifindra EV71.

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2008)
Na tsy misy ifandraisany amin'ny gripan'ny vorona aza, ny fiparitahan'ny HFMD (Hand Foot and Mouth Diseasefièvre aphteuse) vao haingana ao Shina dia manome tombony antsika hijery ny fomba famalian'ny governemanta Shinoa manoloana ny valanaretina iray. Nandritra ny faran'ny herinandro, nandefa fanairana nasionaly i Shina mba hifehezana ilay aretina satria niparitaka tany amin'ny faritra maro hafa ao Shina koa izy io. Na izany aza, tsy nisy afaka mahita ny fiafaran'io fanaintainana io isika izay mitombo isanandro vaky. Zarain'i  Chenguang [zh], bilaogera, ny heviny amin’ny alalan’ny fanoharana azy io amin’ny  valanaretina  SARS tamin'ny taona 2003.

在4月23日之前,安徽省疾病控制方面的专家一直为病因的确诊感到焦虑和担忧。但后来却发现引起此次公共卫生事件暴发的“真凶”,竟然是在40年前就已发现的常见肠道病毒EV71,而且这种病毒引发的“手足口病”在全世界很多国家和地区都已经出现过,就在去年的安徽邻省山东,也出现过近万例的报告,也有死亡病例。

Talohan'ny 23 aprily, nanahy sy natahotra ireo manam-pahaizana momba ny ady amin'ny aretina tany amin'ny faritanin'i Anhui noho ny fanamafisana ny antony nahatonga ilay aretina. Saingy taty aoriana izy ireo dia nahita ny fototra voalohany niavian'ity tranga ara-pahasalamana manjo ny daholobe ity, ny viriosy EV71 efa 40 taona lasa izay, ary io viriosy io no niteraka ny “aretim-borona” tany amin'ny firenena maro manerana izao tontolo izao. Tamin'ny taona lasa, tany Shandong, faritanin'i Anhui mpifanolo-bodirindrina, dia efa nahatratra 10.000 teo ho eo ny tranganà aretina voalaza, nisy fahafatesana vitsivitsy.

当外界问责安徽省卫生厅“没有及时向卫生部上报病情”时,“肠道病毒EV71感染不是法定必须上报的传染病”这个最冠冕堂皇的理由就把应该承担的重大责任推得一干二净。而当时的实际情况是,阜阳已经因此死了十多个患儿了。

Rehefa tonga any amin'ny Biraom-paritry ny Fahasalamana ao Anhui ny tompon'andraikitra avy any ivelany, nangataka ny “tatitra ara-potoana mety momba ny aretina ho an'ny minisiteran'ny fahasalamana”, ilay fialantsiny nanaitra hoe “ny aretin'ny tsinay EV71 dia tsy aretina mila anaovana tatitra” no namindra tanteraka ny fientenentanana ho any amin'ny hafa. Tamin'izany fotoana izany, any anaty vaovao, mihoatra ny 10 ireo zazakely maty tany Fuyang.

事后,更有官员在接受媒体采访时说,“我国每天大约有2万到3万例各种传染病报告,每年大概有600多万个病例报告,每例都通报,不是造成社会不稳定吗?”

Taorian'ilay loza dia mihoatra ny iray ireo tompon’andarikitra nilaza tamin'ny fampahalalam-baovao fa: “Misy 20 000 ka hatramin'ny 30.000 ny tranganà valanaretina hita isan’andro ao Shina ary tranga mihoatra ny 6 tapitrisa no voatatitra isan-taona. Raha mitranga amintsika ny iray amin’izy ireny, tsy hiteraka fikorontanana ara-tsosialy ve izany ?

思想上重视,实践上落后。在中国行政文化中,保一方平安,是官员不得不严重关注的事项,搞不好是要丢乌纱帽的。上级官员也会动辄以“祖国和人民”的利益教育下级官员。然而,这会促使管理者只重视“社会安全事件”,现对忽视”公共卫生”/“自然灾害”;为了尽可能“明晰”负责,遇有危机事件出现时,或者隐而不报,或者上报了事。缺乏超越常规处置应急事项的动力和机制,也极为缺乏预警的技术手段以及技术与管理有效对接的能力。年初的南方大雪,气象部门是事前有所预测的,但却没有将此预测转化为应急管理的一部分。阜阳EV71感染事件之后,人们会再次想到我们政府公共卫生应急管理能力的低下,急需为应急管理制定相应的法律。

Ny fiheverana ideolojika, fa ny fampiharana nilaozan’ny toetrandro. Ao amin'ny kolontsaina mitondra an'i Shina, ny fiarovana no tena mampiasa loha mafy tokoa ny manampahefana. Raha tsy izany, dia mety hiala amin’ny toerana ofisialy misy azy izy ireo. Ireo mpiasam-panjakana ambony matetika dia hampiasa “ny firenena sy ny vahoaka” hampianatra ireo mpiasam-panjakana mbola amin’ny dingana ambany. Na izany aza dia hanome lanja fotsiny ireo mptantana ny “tranga fiarovana ara-tsosialy ” izany, ary tsy hiraharaha ny “fahasalamam-bahoaka” / “loza voajanahary”. “Hialàna” ny andraikitra, ao anatin'ny fotoan-tsarotra, dia toa ny manafina, fa tsy ny manao tatitra na na “mandefa tatitra miakatra” fotsiny no ataon-dry zareo. Ankoatry ny tsy fisian’ny rafitra sy ny fomba mahomby handraisana an-tànana ireo olan'ny vonjy taitra, ny governemanta ao an-toerana koa dia tsy manana teknolojia fanairana mialoha sy fitaovana ara-teknika mba hakàna ny fahaiza-mitantana. Efa hitan’ny sampan-draharahan'ny momba ny toetrandro nialoha ilay orampanàla be dia be tany atsimo tamin'ny fiandohan'ity taona ity saingy tsy misy ny fiomanana ao anatin'ity ampahany ny fitantanana ny vonjy taitra ity.

Lazain'ny blaogera Lelelele [zh] fa betsaka ny fanahiana izay mety hipongatra avy amin'ireo olan'ny fifindran'ny EV71 amin'ny daholobe.

安徽省卫生厅在4月29日的新闻通报中称,省财政安排了1000万元专款用于购置救治设备。但截至5月2日,大多数病童家属还不知道这一规定,也并未享受政策实惠,继续承受着医院高收费之苦。相对于以谎言辟谣,某种程度上还只属于行政良知的范畴,而当地对于专项拨款“去无踪”则显然远远超越了良知的边界,这令人费解!

Ny 29 Aprily, nambaran'ny Biraom-paritry ny Fahasalamana ao Anhui fa 10 tapitrisa RMB no nampiasaina hividianana fitaovana fitsaboana. Saingy hatramin'ny 2 May, ny ankamaroan'ny fianakavian'ireo niharam-boina dia tsy nahalala io fitsipika io ary tsy nahazo tombony na kely aza tamin'ilay politika, ary mbola miaritra ny halafon’ny vidin’ny fanafody. Raha oharina amin'ny fitsipahana ny tsaho izay, amin'ny lafiny iray, miankina amin'ny feon'ny fieritreretana, mihoatra lavitra noho izany ny “fanjavonan” ny fanapariahana ara-bola. Tena tsy azo eritreretina!

Heverin'ilay blaogera Anglisy, FLA_MEDIC fa tsy tomombana ny rafitra ara-pahasalamana sy ara-pahadiovana ao Shina.

Tamin'ny taona 2003, nafenin'i Shina ny zavamisy hoe nahita tranga an-jatony tamin'ilay karazana vaovao tamin'ny aretin-tratra mahafaty ry zareo, izay lasa fantatra amin'ny hoe SARS, nandritra ny volana maromaro izay. Taloha, tsy mailaka kokoa ry zareo namboraka momban’ny gripam-borona, ary  nihisatra tamin'ny fandefasana ampahany hotiliana tany amin’ny OMS.

Miteny mihitsy aza ilay blaogera Yin Minhong fa tokony hametra-pialana ny Praiminisitra Wen Jiabao raha tsy vitan'ny governemanta ny  mifehy ny fihanaky ny aretina .

Tafakatra ho 11.905 ny trangan'ny aretin'ny fièvre aphteuse (HFMD) tany Shina tamin'ity taona ity, tamin'ny alatsinainy 5 May 2008, ka nahafaty olona 26, araka ny filazan'i Xinhua an'ireo tarehimarika ofisialy. Tang Xiaoping, manampahaizana manokana momba ny areti-mifindra no sady tale lefitry ny biraon'ny sampan-draharahan'ny fahasalamana ao Guangzhou dia nilaza fa vokatry ny baikon'ny Minisitry ny Fahasalamana tamin'ny zoma ilay fitomboany haingana, baiko izay manasokajy ny HFMD ho anisan’ny areti-mifindra sokajy C tsy maintsy anaovana tatitra any amin’ny ministera.

Mpanoratra iray tsy mitonona anarana no namoaka teny vitsivitsy milaza fa ny fiparitahan'ny EV71 dia maneho olana sosialy anatiny sy goavana kokoa ao Shina.

Mety hanampy ny fametrahana ity valan'aretina ity ao anatin'ny vanimpotoana nisiany ary hijery ny tantaran'ireo fiparitahana fahiny ary koa ny fepetra fara-pahasalaman'ny ankizy ao amin'io ampahany amin'i Shina io. Noho ny antony maro smihfa, mety ho atahorana kokoa ve ireo ankizy ireo? Mora tratran’ny otrikaretina hafa ve izy ireo? Toy ny ahoana ny fiahiana ara-pahasalamana, fahantrana, toekarena any amin'io ampahany ao Shina io. Toa tena faran'izay voaloto ny rivotra any.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.