· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Febroary, 2011

Bahrain: Kaonty Mampivarahontsana Avy Amin'Ireo Nanatri-Maso ny ‘Vono olona’ Tao Pearl

Mitohy mipoitra ireo fitantarana mampihoron-koditra momba ilay fanafihana niharo halozàna talohan'ny andro miposaka tao amin'ny renivohitra Barhaini, ahitàna ireo mpanao fihetsiketsehana naparitaky ny mpitandro filaminana avy tao amin'ny rond-point Pearl, toerana nofinidin-dry zareo hitobiana mba hanindriana ny fitakiany, raha samy mbola miezaka hanakatra ny tena nahazo azy ireo ny vahoaka Barhaini sy izao tontolo izao.

Iran: Lahatsarin'ny hetsika androany

Na dia eo aza ny fandraràn'ny Governemanta, nanao fihetsiketsehana tany aminà tanàna maro ireo Iraniana androany, anisan'izany ny tany Tehran (sary eto ambony), Shiraz, Isfahan, ary Rasht. Nangataka ny fahalalahana hanao fihetsiketsehana miaraka amin'ny vahoaka Ejiptiana sy Toniziana ny mpanohitra Iraniana kanefa dia notsipahan'ny Fitondrana islamika izany fangatahana izany.

Ejipta: Wael Ghonim navotsotra?

Fanampim-baovao:Naheno tsaho maro mifanohitra izahay momba ity tantara ity any an-toerana ary miandry porofo bebe kokoa manamarina fa navotsotra i Ghonim. Navotsotra androany i Wael Ghonim, mafana fo Ejiptiana amin'ny aterineto sady mpiasan'ny Google, noho ireo Ejiptiana mbola manohy mangataka ny fifaranan'ny fitondràn'i Mubarak. Notendren'ireo mpitolona ao amin'ny Kianja Tahrir ho mpitondra tenin-dry zareo i Ghonim, mba hanerena ny governemanta hamotsotra azy.

Alzeria: Mpanao Fihetsiketsehana Voasambotra, Voadaroka tamin'ny Diaben'ny #Feb12

Efa nahafaka mpanao jadona roa sahady ireo mpanao fihetsiketsehana tao Tonizia sy Ejipta saingy ny manampahefana Alzeriana kosa mbola nahita fahombiazana hatrany amin'ny fanakanana ireo hetsi-panoherana izay nanomboka avy hatrany taorian'ny hetsiky ny Toniziana tany am-piandohan'ny volana Janoary 2011. Ireo saripika sy lahatsary eo anivon'ny aterineto dia mampiseho ny fisamborana sy ny herisetra ara-batana natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana.