Anisan'ireo lahatsoratra navoakanay manokana momba ny Fanoherana tany Ejipta 2011 ity.
Tonga teny amin'ny kianja Tahrir (Kianjan'ny Fahafahana) in-droa aho omaly, ny voalohany tamin'ny maraina, mialoha ny fialan'i Moubarak, taorian'ny kabariny ny omaly harivan'io, hoy Tarek Amr nitantara.
IlayEjiptiana mpihira sady mpitoraka bilaogy, Nadya Shanab, nitantara ny fiantraikan'ny kabary sy ny fanambarana nataon'ny tafika tamin'ireo vahoaka nihaino.
Taorian'ny fahatarana ora iray dia nanomboka nikabary ihany i Moubarak. Tsy hiala izy. Tezitra be ny olona. Nihiakiaka sy nitoraka kiraro izy ireo nitaky ny fandehanan'i Moubarak. tsy nahita mangirana ny rehetra.
Tamin'ny maraina dia nanao fanambarana faharoa indray ny tafika, izay milaza fa hanohana an'i Moubarak hatrany izy ireo hanatanteraka ny fanavaozana ny lalàmpanorenana izay nekeny hatao vokatry ny fitakian'ny vahoaka ary manaiky koa izy hanatanteraka fifidianana malalaka sy mangarahara amin'ny volana Septambra. Fahadisoam-panantenana no teny azo anambarana ny fihetseham-pon'ny vahoaka taorian'ilay kabary.
Raafatology manazava fa tsy misy hafa amin'ireo kabary nataon'i Moubarak hatramin'izay iny kabary iny. Isaky ny miandry zavatra avy aminy ianao da zavatra hafa ny azy no teneniny.
Nifonan'i Moubarak ny vono olona nataony hatramin'izay, fa tsy nifonany kosa ny mbola hovonoiny raha mijanona eo amin'ny fitondrana izy.
Nanontany tena izy raha toa ka efa milalao ny karatra farany eny aminy i Moubarak..
Toy ny mamaly ny fanontanian'i Amr Ezzat i Raafotology ary nanapa-kevitra ny hamaly azy ao amin'ny bilaoginy.
بعد منتصف الليل، وخطاب مبارك المثير للشفقة أكثر من الإحباط، امتلأ ميدان التحرير عن آخره بشرا وغضبا. كان تقديرنا مبالغا لما تبقى من كرامة مبارك وتقديره للأمور، كنا نظنها تكفي لكي يستسلم لحقيقة أن له لم يعد الاستمرار ممكنا ويكفي هذا.
مبارك يرفض الاستسلام للحقيقة ولكنه ينحني أكثر فأكثر أمام الشارع، إذن: إلى الشارع
Taorian'ny misasak'alina, rehefa vita ny kabarin'i Moubarak , izay sady nampalahelo no nandiso fanantenana, dia feno olona tezitra be ny kianja Tahrir. Tsy noheverina mihitsy ny fatran'ny fahamendrehana sy ny fahafahan'i Moubarak mijery ny zava-mitranga manodidina azy, noheverina fa mba manana fahamendrehana kely sy fahendrena bitika monja izy ka hanaiky tsy hifikitra amin'ny fitondrana intsony. Tsy nanaiky resy anefa i Moubarak, kanefa efa mihamandohalika manoloana ny fitakian'ny vahoaka any an-dalambe ihany izy izao : noho izany, mijanonà daholo eny an-dalambe.
Tena feno tanteraka ny kianja Tahrir araka ny efa nanampoizan'i Amr azy, araka ny fitantaran'i Tarek, kanefa nangina be tsy tahaka ny isan'andro ny vahoaka teny. Nijanona fotoana vitsivitsy teny aho ary avy eo nanapa-kevitra ny handeha hody. Mandalo eo amin'ny Maspiro ny làlako. Nisy olona mpanao fihetsiketsehana vitsivitsy koa teo, tsapako ny fahadisoam-panantenany noho ny tsy nahatrarany ny tanjona niriany, dia ny hanongana ny fitondrana izany. Afaka kelikely, teny an-dàlana mankany an-trano, dia henoko tao amin'ny radio nolalovako fa voatery nametra-pialana i Moubarak. Tsy nino avy hatrany aho. Nihazakazaka nody aho ary avy hatrany dia nijery ny vaovao rehetra tamin'ny fahitalavitra, tamin'ny twitter, sy ny bilaogy araka izay tratrako.
Feno fifaliana be ny tontolon'ny bilaogy ejiptiana, ary samy neneho izany tamin'ny fombany daholo ny tsirairay. Ny sasany, toy ny Egyptian-Wish, nirehareha tamin'ny zava-bitany ary faly hiatrika ny ho avy.
في رفع الظلم عن بلدي
يا رب ما فيش مصري يتسجن تاني علشان رأيه
يا رب ما فيش مصري يضرب في قسم بوليس
يا رب مافيش مصري يتاخد حقه بالغصب
يارب خلينا نعمل حكومة تبقي في خدمتنا ومش فوقنا
Mino aho fa tsy hisy intsony Ejiptiana hogadraina noho ny heviny.
Ny hafa tahaka an'i Zeinobia tsy nahitana teny firy.
Ny hafa toa an-dry Mohaly, ankoatry ny fampijaliana sy ny kolikoly, dia nino tanteraka fa ho to ny nofinofiny indray andro any.
Ary ny sasany toa an'i Raafatology mbola tsy mino ihany.
Rehefa avy eo, araka ny fitantaran'i Tarek Amr, dia nanapa-kevitra ny hiverina eny amin'ny kianja Tahrir aho, amin'ity faharoa ity kosa dia mba handray anjara amin'ny fety. Vao nivoaka fotsiny anefa aho, dia hitako fa tsy hiandry ho tonga eny amin'ny kianja Tahrir akory vao hahita fifaliana, satria hitako avy any an-tranoko izay miala kilometatra maromaro avy eo ny zava-miseho. teny an-dalana rehetra teny mandrapaha-tongako teny amin'ny kianja Tahrir, mihirahira ny olona, mandihy ary manofahofa sainam-pirenena. Hatramin'izay mantsy dia manao fety tahaka ny eny an-dalambe ny olona rehefa mandresy amin'ny baolina kitra, fa omaly kosa dia olona be dia be no teny an-dalana, tena faly be, ary nanao fety be mihoatra noho ny amin'ny baolina kitra.
Anisan'ireo lahatsoratra navoakanay manokana momba ny Fanoherana tany Ejipta 2011 ity.