Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay momba ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011.
Mitohy mipoitra ireo fitantaràna mampihoron-koditra momba ilay fanafihana niharo halozàna talohan'ny andro miposaka tao amin'ny renivohitra Barhaini, ahitàna ireo mpanao fihetsiketsehana naparitaky ny mpitandro filaminana avy tao amin'ny rond-point Pearl, toerana nofinidin-dry zareo hitobiana mba hanindriana ny fitakiany, raha samy mbola miezaka hanakatra ny tena nahazo azy ireo ny vahoaka Barhaini sy izao tontolo izao.
Indreto fanehoan-kevitra vitsivitsy avy tao amin'ny Twitter faramparany avy any Barhain:
@emoodz: Afotitry ny fitondrana amin'ny vahoakany ihany ny tafiny, mba henon'izao tontolo izao ve ny tomaninay? #bahrain #feb14 #lulu
@aalman81: Isika rehetra dia.. “@ehsankooheji: Mitomany aho…”
@BaghdadBrian: Vono olona eto #Bahrain ary feno miaramila ny tanàna, 5 no lavo tsy misy fiara mpamonjy voina, vonjeo, vonjeo, feo antso vonjy: http://bit.ly/fe0LrE. #feb14
@awa9999: Mpitondra vonjy voina voalohany voadaroka raha nanao ny fandraisana an-tànana voalohany tamin'ity maraina ity http://yfrog.com/hsq1aylj #bahrain #feb14
@maryamalkhawaja: Mpitsabo mpanampy: ” nanangona ireo naratra noho ny daroka nataon'ny polisy mpandrava korontana azy ireo izahay, ireo polisy izay niteny fa baiko no tanterahan-dry zareo” #bahrain #feb14
@NickKristof: fiara mpamonjy voina 10 teo ho eo, an'ny mpitsabo mpanampy no notafihan'ny polisy tao #Bahrain. Nitafatafa tamin'izy ireo aho, nahita ny ratrany.
@NickKristof: #Bahrain mpamily fiara mpamonjy voina iray no nilaza tamiko fa manampahefana iray ao amin'ny tafika #Saudi no nanambana azy basy teo amin'ny lohany, niteny fa hotifiriny izy raha manampy ireo naratra.
@Dr_Murtadha: Antso maika ho an'ireo vahoaka tia tanindrazana sy .. miangavy mandehana manome rà any amin'ny toby fanangonana rà #Bahrain #feb14 #lulu
@Nabeelrajab: sary vitsivitsy momba ny androany azonao jerena http://goo.gl/9o1CX #feb14 #bahrain
@yslaise: Ho solon'ny ozona.. dia tokony hivavaka ianao ho an'ireo namoy aina & manomeza rà ho an'ireo naratra #14Feb #Bahrain
@aalman81: Hiandry ny lahatsary misy ny antsipirihany kokoa mikasika ny zava-nitranga androany izahay mba hahafahana manome ny fomba fitsara amin'ny maha mpanao gazety sy mpanadihady. #Bahrain
@saralicious: Reveko be ilay fihetsiky ny TV ao Bahrain tsy mamoaka na inona na inona momba ny zava-misy ao amin'ny firenena. #Bahrain #Feb14
@EssaEsam: Ny haben'ny fankahalàna hitako dia tena tsy mampino. Nankaiza no nalehan'ireo tena Barhainis e? #Bahrain #Feb14
@HussaKhalid: @ytaima Miangavy anao tazony ho anao ny hevitra sy ny fomba fijery vahiny anananao ho any ivelan'i Barhain. Ho ela velona anie ny Mpanjaka Hamad. #Bahrain #feb14
Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitra manokana ataonay momba ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011.