Efa nahafaka mpanao jadona roa sahady ireo mpanao fihetsiketsehana tao Tonizia sy Ejipta saingy ny manampahefana Alzeriana kosa mbola nahita fahombiazana hatrany amin'ny fanakanana ireo hetsi-panoherana izay nanomboka avy hatrany taorian'ny hetsiky ny Toniziana tany am-piandohan'ny volana Janoary 2011.
Lahatsary ahitàna an'ireo mpanao fihetsiketsehana an'arivony no efa tafakatra ao amin'ny Youtube sy facebook. Ity lahatsary manaraka ity dia nampakarina tamin'ny 12 -Febroary tokony ho tamin'ny 11 ora ao Londona ary mampiseho ny fisamborana an'ireo mafàna fo maro tamin'ny fifandonan'ireo mpitandro filaminana tamin'ireo mpanao fuhetsiketsehana tao anatin'ny hogahoga:
Nanomboka nivoaka koa ny sarin'ireo olona naratra, tahaka ity sarin'ny Solombavam-bahoaka Alzeriana Derguini Boubekeur mangana eo amin'ny handriny ity:
Ilay Solombavam-bahoaka Alzeriana Derguini Boubekeur naratra nandritra ny hetsika, avy amin'ny pejy facebook-n'ny hurt during protests via RCD Algerie facebook page
Ireo mpitoraka bilaogy sy mpampiasa twitter ao Alzeria dia samy nandefa fanavaozam-baovao avy any amin'ny fihetsiketsehana daholo.
Ohatra, Nidhal ao amin'ny bilaogy Algérie-politique manoratra momba ny 11 Febroary:
Alger. 19h00. Des dizaines de policiers anti émeutes ont encerclé le siège régional du RCD à Didouche Mourad à Alger.
Ny fanovàana tany Tonizia sy Ejipta no mazava tsara izao fa tao an-tsain'ireo Alzeriana.
Lehilahy iray tsy an'asa, 36 taona, no nandoro tena ary maty tany -Atsinanan'ny tananan'i El Oued, mitatitra ny Algerie Politique (fr):
Ce vendredi, un chômeur de 36 ans qui s'était immolé par le feu dans la ville d'El Oued, à l'extrême est de l'Algérie, a succombé à ses brûlures. Lotfi Maamir, père de six enfants, est mort au service des grands brûlés de l'hôpital de Douera, dans la banlieue sud-est d'Alger, selon cette source. Il s'agit du quatrième décès par immolation enregistré en Algérie depuis la mi-janvier.
Satria i Mubarak voahilika niala an'i Ejipta, tsy vitan'i Djazair avant tout, Alzeriana mpitoraka bilaogy, ny tsy hampitovy azy ity tamin'ny fihaonana ara-panatanjahantena baolina kitra Ejipta-Alzeria tamin'ny taona lasa izay niafara taminà fifandonana ka dia nampakatra ity sariitatra manaraka ity izy izay milaza fa (fr):
Voahilika teo amin'ny fitondrana i : Ejipta 1 – Alzeria 0 ” tsy maintsy manasahala isika. Manilika an'i Boutef ” (Anaram-petaky ny filoha Alzeriana)
Hetsi-panoherana mitovitovy amin'izany no natao tao an-tananan'i Oran araka ny fanavaozana anaty live stream hita anaty bilaogy maro.
Mpampiasa iray ao amin'ny Facebook no nampakatra ny fanavaozana manaraka eto mikasika ny diaben'ny 12 Feb (fr):
Les jeunes envoyées par la police pour agresser les manifestants se sont retournés contre leurs sponsors. Ils se sont mêlés aux manifestants pour scander Bouteflika dégage. Ils expliquent leur retournement par le fait qu'ils ont été manipulés
Ao amin'ny twitter, ireo Alzeriana mpampiasa twitter dia miantso fanohanana ny tolona ataony amin'ny fahana twitter miaraka amin'ny tenifototra #feb12.