Oram-baventy tao Kolombia vokatr'ilay antsoina hoe “phenomene ‘la niña’ ” — izay nanomboka tany amin'ny 2010 [es] nefa mbola nitohy hatraty amin'ny fiandohan'ny volana Martsa 2011 — mahatonga ny firenena ho anatin'ny mena faratampon'ny fampitandremana. Mponina aminà departemanta 28 no voadona mafy tokoa: tondradrano, tany mihotsaka ary fiakarana tampoky ny renirano sy ireo riandrano kely izay namela tra-boina maherin'ny telo tapitrisa sy sasany .
Fomba fijery sy tatitra maro mikasika io olana io no miparitaka be [es] ao amin'ny aterineto. Ny bilaogy Noticias del Clima (Weather News) dia miresaka ny fampitandremana mena ho fisorohana [es], izay nanery ny Sampana Mpiahy ny Loza mitatao ao amin'ny Ministeran'ny Atitany sy ny Fitsarana hilaza ny fampitandremana mena tamin'ity tapany faharoa amin'ny vanim-potoan'ny ririnina ity.
Avy any Cali, ao amin'ny bilaoginy Los vainazos de Juankmu, Juankmu mitaraina ny amin'ny toe-javatra sarotra iainana [es] efa nitoetra hatramin'ny 2010.
Coeomo siempre, la gente de este país sigue creyendo que el problema de los damnificados se resuelve solamente mandándoles comida y agua. P**O PAÍS DEL INFIERNO!. Es increíble que haya gente que desde diciembre vive en carpas y arrinconados en polideportivos y escuelas, y hoy estén pasando por lo mismo. ¿Qué diablos hicieron los gobernantes en todo este tiempo?
Avy any Ibagué, Carlos Arturo Gamboa, ao amin'ny bilaoginy Tutor Virtual [es], dia manontany ilay filoha Kolombiana teo aloha Álvaro Uribe sy mampiditra azy anatin'ity vanim-potoana saropady ity:
¿Para qué le sirve, al desmantelado general Uribe Vélez, haber invertido la mayor parte del presupuesto nacional en un programa de seguridad democrática durante diez años, hoy cuando el país naufraga en la desidia? Hubiese sido mejor construir un Plan Nacional de Desarrollo pensando en las prioridades de la gran población expuesta a estas catástrofes, no porque ellos lo deseen, si no que por falta de vivienda se ven abocados a construir sus ranchos en los desfiladeros, en las orillas de las quebradas o a la sombra de montañas inestables.
Ao amin'ny Facebook, ireo mpampiasa dia namorona [es] kaonty [es] misandrahaka misy olona samihafa mandray anjara aminà fanentanana ho fanehoam-piraisankina. Saingy ilay fanentanana koa dia manana ny vohikala ofisialiny manokana antsoina hoe Colombia Humanitaria [es] (Humanitarian Colombia), izay miara-miasa amin'ny Fiadidiana ny Repoblika ao Kolombia, sady manana koa ny kaonty manokany ao amin'ny Twitter [es]. Nanani-bohitra tao amin'ity vohikala ity daholo ireo lahatsoratra misy fanehoankevitra samihafa, isan'izany ny ahiahin'i Alejandro Ayure (@Alejoayure) ho setrin'ny bitsika iray nalefan'i Dinero magazine (@RevistaDinero):
Ojalá! Hoy estuvimos en Utica, y no a ido ningún representante de Colombia Humanitaria!!… ¿Dónde están? ¡Que aparezcan!
Luis Armando Herrera (@luisarmandohb) nametra-panontaniana [es] ny amin'ny fomba hitantanana ny volan'ny Colombia Humanitaria:
En términos castizos, se están robando los recursos de Colombia Humanitaria

Ireo traboina noho ny tondradrano eo amin'ny fonenana vonjimaika iray ao Kolombia, Sabaneta, Antioquia. Sary: Lully
Mpampiasa iray ao amin'ny Twitter no maneho ny ahiahiny mikasika ny fahasahiranana lalina any amin'ny faritra samihafa. Carlos Rodríguez Arana (@CarlyRodriguezA) miteny hoe [es]:
Muy preocupado con la ola invernal!!! El Rio magdalena en Magangué esta subiendo 10 cm diarios. Colombia necesita de todos!!! Yo ♥ Colombia
Javier Contreras (@jcontrerasa) manoritsoritra ny zava-misy ao anatin'ity ampahany ity [es]:
Viendo las imágenes de la situación en el país, lo que está viviendo Colombia no es una ola invernal sino una ola infernal…
Darwin José Cuesta (@pecesito_03) miantso fanampiana ao amin'ny bitsika alefany [es]:
Critica la situación por ola invernal en Colombia, y las ayudas nada que llegan en la mayoría de zonas afectadas del país.
Farany, José Antonio Daza (@joseplazagarcia) mampitandrina [es]:
Las Inundaciones y derrumbes por El Invierno en Colombia eran Tragedias Anunciadas…Y para Variar no se hizo nada para prevenirlas…