Haiti: Ny olana nateraky ny fanampiana iraisam-pirenena

Dimy andro aty aorian'ny horohoron-tany namotika ny renivohitry Haiti, Port-au-Prince sy ireo tanàna hafa toa an'i  Leogane sy Jacmel, dia mbola sarotra ho an'ny mpamonjy voina sy ireo mpitsabo ny mamonjy ireo mponina sisa tsy maty.

Na izany aza anefa, tsy avy amin'ny tsy finiavana hanampy eo amin'ny fianakaviam-be iraisam-pirenena anefa izany tsy fahatomombanana izany, fianakaviana iraisam-pirenena izay avy hatrany dia naneho ny fiaraha-mientany hanampy, araka ny fanazavan'ny AlterPresseHaiti [Fr]:

[…] La visite de Ban Ki Moon suivra celle de la secrétaire d’État des États-Unis, Hillary Clinton, qui a passé quelques heures à Port-au-Prince ce 16 janvier afin d’exprimer au président René Préval et au peuple haïtien la solidarité et l’engagement de Washington.
[…]
Pour sa part, le président français Nicolas Sarkozy avait dépêché le 14 janvier à Port-au-Prince le secrétaire d’Etat à la coopération, Alain Joyandet, pour exprimer « la solidarité de la France à ce peuple meurtri ».
Le président dominicain, Leonel Fernandez, avait effectué le 13 janvier une visite surprise à la capitale pour présenter ses sympathies au président Préval et au peuple haïtien.

[…] Ny fitsidihana nataon'i Ban Ki Moon narahan'ny fitsidihana nataon'ny sekreteram-panjakana amerikana Hillary Clinton, nandritra ny ora maromaro tany Haiti ny 16 janoary lasa teo no naneho ny fiaraha-mientana amin'ny filoha René Préval sy ireo vahoaka any an-toerana ary koa maneho ny fandraisana andraikitra ataon'i Washington.
[…]
Ho an'yn filoha frantsay Nicolas Sarkozyindray dia nialohavan'ny fitsidihana nataon'ny sekreteram-panjakana  miahy ny fifandraisana, Alain Joyandet, tamin'ny 14 janoary ny azy, nanehoany ny fiarahan'i Frantsa amin'ny “vahoaka Haitiens niharam-boina”.
Nanao fitsidihana tampoka tany an-toerana koa ny filoha dominikana Leonel Fernandez tamin'ny 13 janoary nanehoany ny fiarahany amin'ny filoha Préval sy ny vahoakany.

Tsy afaka manamora ny fahasarotana iainan'ireo mpamonjy voina anefa ireny fitsidihana notanterahan'ireo mpitondra fanjakana ambony ireo. Ny bilaogy martinike Bel Balawou no milaza ny fomba fitantanana ny seranam-piaramanidina ao Port-au-Prince [Fr]:

Haïti: des avions remplis d'aide refoulés, des dizaines de personnes obligées de dormir sur le tarmac faute de pouvoir s'envoler, des tonnes d'aide attentant d'être distribués du fait d'une mauvaise coordination: la colère grondait samedi à l'aéroport de Port-au-Prince.

Haiti: fiaramanidina feno fanampiana averina fotsiny, olona am-polony maro voatery matory eny amin'ny lalan'ny fiaramanidina satria tsy afaka mandeha, fanampiana an-taoniny maro miandry ny fizarana azy satria ratsy ny fandrindrana: nipoaka ny hatezerana teny amin'ny seranam-piaramanidin'i Port-au-Prince tamin'ny asabotsy.

Indro ny ampahany amin'ny taratasy nalefan'ny Médecins Sans Frontières manamarina izay voalazan'ny Bel Balawou's :

Port-au-Prince/Paris /New York, 17 janoary 2010—Médecins Sans Frontière (MSF) mangataka ny hamelana ireo fiaramanidina mitondra fitaovam-pitsaboana sy fandidiana hipetraka ao Port-au-Prince hahafahana mitsabo ireo maratra marobe mila fandidiana maika. Tokony homena ireo fiaramanidina mitondra fitaovana sy mpitsabo ireo ny fahazoan-dalana voalohany hiditra ny seranam-piaramanidina.

Any amin'ny bilaogy hafa toa an'ny Potoprincipe [Fr] ny fanazavana:

La gestion de l'aéroport de Port-au-Prince, capitale haïtienne largement détruite par un puissant tremblement de terre mardi, a été confiée vendredi aux Américains par le gouvernement haïtien.
Mais plusieurs avions transportant de l'aide n'ont pas pu atterrir.

Nomen'ny governemanta Haitiana an-dry zareo amerikana ny fitantanana ity seranam-piaramanidina ao an-drenivohitra Port-au-Prince ity, seranana potiky ny horohoron-tany ny talata lasa teo.
Kanefa fiaramanidina marobe mitondra fanampiana no tsy afaka miditra ao.

BelBalawou manome fanazavana bebe kokoa momba ity toe-javatra ity [Fr]:

Cette gestion de l'aéroport par les Américains a même créé des tensions diplomatiques après le refoulement vendredi d'un avion français qui avait à son bord un hôpital de campagne, alors que les moyens pour traiter les blessés manquent cruellement.

Niteraka olana ara-diplomatika ny fanomezana ny fitantanana an-dry zareo amerikana taorian'ny namerenany ny fiaramanidina frantsay nitondra trano voarafitra ho toeram-pitsaboana any ambanivohitra, kanefa tena tsy ampy mihitsy ny fikarakana ireo maratra.

Ao amin'ity soratra ity ihany, Potoprincipe manazava fa firenena hafa koa no niaina toe-javatra tahaka izany [Fr]:

Des sources officielles ont par ailleurs indiqué à l'AFP qu'un avion cargo de l'armée argentine, transportant notamment du matériel médical et une unité de purification d'eau, était toujours bloqué samedi dans un aéroport situé à 120 km de Saint-Domingue, que deux avions mexicains avaient dû attendre “deux jours et demi en République dominicaine” avant d'être autorisés à atterrir et que 40 tonnes d'aide en provenance du Pérou avaient été finalement acheminées par voie terrestre samedi depuis Saint-Domingue.

Vaovao mari-pototra no voarain'ny AFP fa fiaramanidina iray an'ny tafika arzentina nitondra fitaovam-pitsaboana sy fitaovana fanadiovana rano no mbola tafahitsoka ao amin'ny seranam-piaramanidina any Saint-Domingue, 120Km, tamin'ny asabotsy lasa teo, fiaramanidina meksikana 2 voatery niandry “2 andro sy tapany” tany amin'ny Repoblika Dominikana, izay vao tafapetraka tao Port-au-Prince, fanampiana 40 taonina avy any Pérou no nalefa an-tanety avy any Saint-Domingue ny sabotsy lasa teo.

manoloana izany fanankianana rehetra izany dia naneho ny heviny ny fanjakana amerikana. Bel Balawou mitatitra ny resaka natao tamin'ny manam-boninahitra amerikana iray[Fr]:

‘On décide en coordination avec l'ONU et les Haïtiens’, a expliqué M. Merten, en rappelant la nécessité de hiérarchiser les priorités: ‘il est clair qu'il y a un problème’, a-t-il reconnu. Il met néanmoins en avant le fait que les Américains ont été capables de rendre, en 24 heures, utilisable l'aéroport dont la tour de contrôle a été touchée par le séisme.

‘Notapahana niaraka tamin'ny ONU sy ry zareo Haitiana ny fanapahan-kevitra,’ hoy Merten, izay nahatsapa ny tena zava-dehibe: ‘mazava ho azy fa misy ny vahaolana’, hoy izy nanaiky. Notsindriany mafy koa ny nahavitan'ny amerikana namerina ny fampiasana ity seranam-piaramanidina ity tao anatin'ny 1 andro na dia nisy fahapotehana aza ny trano fitaratra mibaiko ityseranana ity nandritra ny horohoron-tany.

Niteraka fanontaniana any amin'ireo mpitoraka bilaogy ity fahasarotana ara-politika ity, Bel Balawou no milaza heviny ny amin'ny ny tokony hitantanana ireo fanampiana iraisam-pirenena ireo [Fr]:

L'administration de l'aide internationale est généralement confiée à du personnel issu du pays bailleur de fonds. Pour réaliser la promesse du développement, il faut changer cette pratique et embaucher du personnel local, estime un auteur américain qui connaît bien Haïti.

Apetraka amin'ny mpiasa avy any amin'ireo firenena manome fanampiana ny fitantanana azy ireny amin'ny ankapobeny. Mba hahatomombana ny fampanantenana ho amin'ny fivelarana dia ilaina ny fanoloana ireny olona ireny ho olona avy any an-oerana ihany, araka ny nambaran'ny mpanoratra amerikana iray izay mahafantatra tsara an'i Haiti.

Ny tahotra ny amin'ny ampitson'i Haiti, mikasika ny fianakaviam-be iraisam-pirenena sy ny fanampiana dia nolazaina tao amin'ny radioa Kiskeya, izay namoaka lahatsoratra mitondra ny lohanteny hoe “Mizotra mankany amin'ny fanjanahana indray ve?” [Fr]:

Une bonne partie de l’intelligentsia est soit en deuil ou prise sous les débris. L’aide internationale ne s’embarrasse même plus de consulter les forces vives du pays pour coordonner la distribution de vivres. Haïti est édentée.

Na misaona na potika ny ankamaroan'ny intelligentsia-tsika. Ireo firenena vahiny mitondra fanampiana tsy manontany ny hery velona any an-toerana intsony ny amin'ny hitantanana ny fizarana ny sakafo. Banga i Haiti.

Ao amin'ity lahatsoratra ity ihany, ny mpanoratra Harold Isaac no manindry ny fiantsoana ireo fianakaviam-be Haitiana:

Et c’est là qu’un rendez-vous historique est en train de se révéler : Une opportunité exceptionnelle de mobilisation de toutes les forces vives et compétences d’origines ou d’affinités haïtiennes, de l’intérieur et de l’extérieur, pour constituer une alternative fiable de gouvernance.

Eto ny fifanomezam-potoana mana-tantara: fotoana tsy manam-paharoa hamohazana ireo hery velona rehetra miaraka amin'i Haiti, anatiny sy ivelan'ny firenena, hananganana fiaraha-monina mahafatrapo.

Tsidiho ny  Global Voices Haiti Earthquake page ho an'ny tohin'ny vaovao rehetra.

Fabienne Flessel

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.