Haiti: Olo-malaza Haitiana nambara fa maty

Mbola sarotra dia sarotra ny fifandraisana anatiny sy ivelan'i Haiti ary maro amin'ny olona no mbola tsy afaka nahazo vaovao – raha misy – momba ireo tapaka sy namana, tonga ireo vaovao, mahaliana ihany, avy amin'ireo mpitoraka blaogy ivelan'i Haiti, momba ireo olo-malaza tsy hita na efa voalaza fa maty.

Ireo mpitoraka blaogin'ny Espas Ayisyen [Fr] dia nitatitra lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Fampielezam-peo Kiskeya [Fr], tamin'ny Alarobia 13 Janoary. Izy io dia manasongadina ny fijoroana vavolombelona nataona mpanao gazety Haitiana iray sy ilay mpaka sary Liliane Pierre-Paul [ireto misy andian-tsary nalainy nivoaka tao amin'ny Flickr], izay mitanisa ireo olona fanta-daza hita maty taorian'ny loza. Milaza momba izany izy  [Fr]:

ce nombre impensable de personnalités disparues laissait le pays dans un état de quasi-vacance décisionnelle.

Ity isa tsy hay saintsainina mahakasika olo-malaza nanjavona ity dia mametraka ny firenena anaty fahabangan'ny fandraisana fanapahan-kevitra.

Ity ilay lisitra noresahany:

Hédi Anabi / Patron de la MINUSTAH
-.Luis Dacosta / No 2 de la MINUSTAH
-.Monseigneur Serge Miot / Archevêque de Port-au-Prince (Décédé au cours de l’effondrement de la Cathédrale de Port-au-Prince)
-.Le Juge Roc Cadet / Doyen du tribunal civil (Décédé au cours de l’effondrement du Palais de Justice)
-.2 sénateurs décédés au cours de l’effondrement du Parlement
-.2 ministres du gouvernement en deuil : – Ronald Beaudin – Ministre de l’Économie et des Finances qui a perdu son fils lors de la catastrophe. – Patrick Delatour qui a perdu ses parents (Son père et sa mère)
-.3 directeurs généraux qui sont morts dans leurs ministères respectifs.
-.Mirna Narcisse Théodore, directrice générale du ministère de la Condition Féminine et des Droits de la Femme.
-.Le géographe et écrivain Georges et Mireille Anglade

-.Hédi Anabi / Patiraon'ny  MINUSTAH
-.Luis Dacosta / Laharana faha-2 ao amin'ny  MINUSTAH
-.Monseigneur Serge Miot / Arsevekan'i Port-au-Prince (maty nandritry ny firodanan'ny Katedralin'i  Port-au-Prince)
-.ny mpitsara Roc Cadet / Loholon'ny Fitsarana Sivily (Maty nandritry ny firodanan'ny Lapan'ny Fitsarana)
-.Loholona 2 maty nandritry ny fidoranan'ny Anteniliera
-.Minisitra 2 tao amin'ny governemanta: – Ronald Beaudin – Minisitry ny Toekarena izay namoy koa ny zanany lahy nandritry ny loza. – Patrick Delatour izay namoy ny raiamandreniny
-. Tale jeneraly 3 izay maty tany amin'ny ministera niasany avy.
-.Mirna Narcisse Théodore, tale jeneraly tao amin'ny Ministeran'ny Fari-piainana sy n y Zon'ny Vehivavy.
-. Ilay Zeografy sy ilay mpanoratra Georges sy Mireille Anglade vadiny

Ho an'i Georges Anglade, namoaka lahatsoratra iray nanambara ny nahafatesany niaraka tamin'ny vadiny ny Métropole Haïti [Fr]:

La scène littéraire haïtienne vient de perdre un grand homme, Georges Anglade et son épouse ont trouvé la mort lors du séisme qui a ébranlé l'île le mardi 12 janvier. L'auteur haïtien se trouvait à Port-au-Prince à l'occasion du festival Étonnants Voyageurs qui devait se dérouler du 14 au 17 janvier.

Namoy lehilahy manan-danja iray ny sehatry ny haisoratra Haitiana: nodimandry nandritra ilay horohorontany izay nanimba ny nosy tamin'ny Talata 12 Janoary i Georges Anglade sy ny vadiny . Tany Port-au-Prince ho an'ilay fety “Etonnants Voyageurs”, izay tokony natao nanomboka tamin'ny 14 hatramin'ny 17 Janoary ity mpanoratra Haitiana ity.

Cyberpresse.ca koa dia nanoratra lahatsoratra mametraka fanontaniana (na manamafy!) ny nahafatesan'ireo mpanakanto Haitiana avy amin'ireo orinasa mpamokatra mozika [Fr]:

L'épouvantable séisme qui a frappé Haïti mardi a aussi décimé sa communauté de musiciens, chanteurs, rappeurs et professionnels de la musique résidant à Port-au-Prince, sans compter les autres artistes haïtiens de la diaspora de passage.

Nisy akony teo amin'ny fiarahamonin'ny mpanao mozika, mpihira, mpanao “rap” sy ireo manam-pahaizana momba ny mozika hafa izay nonina tany Port-au-Prince ilay horohoron-tany nahatsiravina nahazo an'i Haiti tamin'ny Talata, ka tafiditra tamin'izany ireo mpanakanto Haitiana hafa avy amin'ny Diaspora izay tonga fotsiny hitsidika .
Tao amin'io lahatsoratra io ihany, nampahatsiahy ny mpamaky ny Espas Ayisyen Toulouse fa ankoatra ireo olo-malaza ireo dia mbola maro no faty tsy fantatra anarana eran'ny làlana [Fr]:

[…] Et une masse de “Tijosèf” c'est-à-dire des anonymes et des sans nom.

[…] Ary “Tijosèf” ( Josefa kely) be dia be, entina ilazàna ireo olona tsy fantatra anarana na tsy manana.

Jereo ato amin'ny Pejinay voatokana ho an'ny tatitra ireo fanampim-baovao momba ilay horohorontany tany Haiti.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.