Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Jolay, 2016
Hahazo Ny Zom-pirenena Amerikana Izy 60 Taorian'ny Nananganana Azy, Saingy An'arivony Maro Ireo Mbola Miandry Ny Zom-pireneny
Nilaza ireo mpiaro ny ankizy natsangana fa olona 15000 natsangana avy any ivelany no mbola tsy nahazo zom-pirenena ka miandry lalàna hanome azy ireo izany.
Nahazo Fanohanana Tamin'ny Aterineto Ny Lehiben'ny Minisitra Ao Myanmar Noho Ny Fihantsiana Nataony Tamin'ny Vondrona Radikaly Bodista
Nampiasaina tao amin'ny Facebook ny tenirohy #NoMaBaTha izay anisan'ny fanentanana miaro ny lehiben'ny minisitra manoloana ireo mpanohana antserasera ny vondrona ifotony bodista ao Myanmar
Mamolavola Drafitra Hahatonga An'i Museveni Ho Filoham-pirenena Mandrakizay Ireo Mpanao Lalàna Ogandey
"Fahavalon'ny fandrosoana ireo solombavambahoaka manolo-kevitra hanala ny fetran-taona ho an'ny filoham-pirenana ireo. Maninona raha ny fetran'ny fahafatesana no hoesorina ka afaka mivelona mandrakizay ny mpitondra azy ireo?"
Tsy Ankasitrahan'ny Fiarahamonina Irakiana Ny Lehilahy Mandihy An-dalambe, Saingy Nanohy Nandihy Izy Na Izany Aza…
Namoy ny ainy izy tamin'ny taona lasa, hoy i Adel Al-Jaf: "Handao an'i Iraka aho indray andro ary handeha any amin'ny toerana misy ny olona mankafy dihy fa tsy miady amin'izany."
Mamolavola Indray ny Fikatrohana Ara-politika Ao Zimbaboe Ve Ny Fanentanana Antserasera #ThisFlag (Ity Sainam-pirenena ity)?
"Raha mijanona ho sehatra fanehoana hatezerana fotsiny ihany ny fanentanana #ThisFlag, dia aleo ho izay. Azo ekena ihany koa izany. "
Raha Atao ‘Teny Faharoa’ Ofisialy Ao Jamaika Ny Teny Espaniola. Ahoana Ny Patoà?
"Ny teny Anglisy no tokony ampianarina ho teny faharoa. Andeha hikarakara ny antsika alohan'ny hijerena ny any ivelany."
Tahaka Izao No Mitranga Raha Manafoana Fampisehoana Mozika Elektronika Bonanza Tampoka i Moskoa
Tsy misy olona mankasitraka ny fanafoanana ny fandaharam-potoanan'izy ireo, ary ny andro nandràran'i Moskoa izany mozika malaza goavana izany no andro niovan'ireo mpisera Facebook Rosiana ho manam-pahaizana momba ny fitantanana fampisehoana.
#TsyMatahotraAhoNyHilazaIzany: Milaza ny Herisetra Ara-nofo Niainany Ny Vehivavy Ao Amin'ny Media Sosialy Okrainiana
Malaza ao amin'ny ampahan'ny Facebook Okraniana ny tenirohy vaovao #ЯНеБоюсьСказати (#tsy matahotra ny hilaza izany aho). Amin'ny tenirohy, nizara ny tantarany sy ny zavatra niainany momba ny sotasota ara-nofo, herisetra ara-nofo, sy ny herisetra an-tokantrano ny mpiserasera.
Araka ny Filazan'ny Indiana, Tamin'ny taona 1947 No Nitranga Ny Tena Brexit (Fialàn'ny Britanika)
Mety hisy fiantraikany goavana eo amin'ny toekarena, varotra sy politika manerantany ny Brexit -- saingy manana ny fomba fijeriny manokana momba ny fanapahan-kevitr'i UK hiala amin'ny Vondrona Eoropeana i India.
Mitohy ny Sivana Ao Myanmar Satria Tsy Navelan'ny Governemanta Alefa Ny Horonantsary Mitsikera Ny Tafika
"Raha te hiady amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona marina i Myanmar, dia tokony amporisihana ny kolontsaina, ny zavakanto sy ny haino aman-jery hitondra ny fahamarinana, ny tantara mampalahelo sy ny fahadisoana - taloha sy ankehitriny - ho hitan'ny rehetra.."