Mamolavola Drafitra Hahatonga An'i Museveni Ho Filoham-pirenena Mandrakizay Ireo Mpanao Lalàna Ogandey

Uganda's president Yoweri Museveni is looking to extend his stay in power since he took over in 1986. Photo released under Creative Commons by Russell Watkins/Department for International Development UK).

Filohan'i Oganda, Yoweri Museveni mikasa hanitatra ny fijanonany eo amin'ny fahefana hatramin'ny nakàny izany tamin'ny taona 1986. Sary navoaka tamin'ny Creative Commons, avy amin'i Russell Watkins/Departemantan'ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena UK).

Manana fialan-tsiny tsara ny filohan'i Oganda, Museveni mba hirotsaka hofidiana indray amin'ny taona 2021 ary hanitatra ny fitondrany hatramin'ny 40 taona, noho i Anne Maria Nakabirwa, filohan'ny antoko Hetsi-pijoroam-pirenena ao amin'ny distrikan'i Kyankwanzi.

Voalaza i Anne Maria fa nangataka tamin'ny olona ao amin'ny distrika misy azy mba handresy lahatra ireo namana mpanao lalàna handany ny fanesorana ny fehin-taona ho an'ny kandidà ho filoham-pirenena ao Oganda ka hamela ireo mpitarika mahavita azy tahaka ny Filoha Museveni hanohy hiasa.

Nilaza izy fa nangataka tamin'ireo manam-pahefana ambony ao amin'ny antoko mba hanaisotra ny fetra taona ho an'i Museveni ahafahany hijanona eo amin'ny fahefana indray.

Tsy dia maro ireo Ogandey tohina tamin'izany vaovao izany satria tsy mahagaga ny olona intsony ny tolo-kevitra hafahafa tahaka izany.

Ny tolo-kevitra hanova ny lalàmpanorenana dia hita ho ezaka hametrahana an'i Museveni ho filoha mandrakizay.

Tezitra noho ny tetikasa, nangataka tamin'ireo namany tao amin'ny Facebook i Jackie Assiimwe Mwesigye; mpahay lalàna Ogandey mba hanohitra izany:

MPs, while meeting in Kyankwanzi, have resolved to push for lifting of the age limit for the Presidency in the Constitution.
We must resist this evil scheme. It does not help anyone, not Uganda, and not even the person for whom it is intended. Let's not fall into this trap.

Raha mbola nivory tao Kyankwanzi, dia tapa-kevitra handany ny fanesorana ny fetran-taona ho an'ny Fiadidian'ny Filoha ao amin'ny Lalàmpanorenana ny solombavambahoaka.
Tsy maintsy manohitra izany teti-dratsy izany isika. Tsy manampy na iza na iza izany, na i Oganda, ary tsy manampy akory ny olona izay iantefan'izany. Aoka tsy hilatsaka ao anatin'izany vela-pandrika izany.

Lalànan'iza anefa ireo?

Mandràra ny olona mihoatra ny 75 taona tsy hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena ny lalàmpanorenana ankehitriny.

Tsy afaka mirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny taona 2021 intsony araka izany i Museveni, izay 71 taona ankehitriny raha tsy hoe misy ovaina ny lalàmpanorenana.

Mety hiatrika fanoherana ao amin'ny antenimiera ahitana ny antokon'ny fitondrana Hetsi-pijoroam-pirenena maro an'isa matanjaka izay fanitsiana kely mety hisy.

Teo amin'ny fitondrana nandritra ny 30 taona i Museveni, ary eo amin'ny fe-potoam-piasany faha-dimy nanomboka tamin'ny 1996 izy amin'izao fotoana izao, raha nandresy tamin'ny fifidianana ho an'ny fe-potoam-piasana voalohany. Tsy nisy ny fetra ho an'ny fe-potoam-piasan'ny filoham-pirenena tamin'ny 1986 ka hatramin'ny 1996.

Latsaky ny 29 taona ny fitopolo isan-jaton'ny Ogandey ary filoha iray ihany no mba fantatr'izy ireo nandritra ny fiainany.

Tamin'ny 2005, nanitsy ny lalàmpanorenana ny solombavam-bahoaka Ogandey ka nanaisotra ny fetra amin'ny fehim-potoam-piasana ho an'ny filoham-pirenena.

Naneho ny alahelony tamin'ny fanohanana ny fanesorana ny fetra amin'ny fe-potoam-piasan'ny filoham-pirenena ny praiminisitra teo aloha sady kandidà filoham-pirenena 2016 Amama Mbabazi.

Tamin'ny fanehoana hevitra manoloana ny vaovao mety hanitsiana ny fetran-taona, Bireete Sarah mpisera Twitter, nanondro an-kolaka tamin-kafetsena fa nokaramaina ireo solombavambahoaka mba hifidy ny fanesorana ny fetra amin'ny fehim-potoam-piasana tamin'ny 2005:

Hijanona aho amin'ny taona 2021 – Museveni! Ho voafetran'ny Mandoava raha mbola mandeha ao amin'ny Parlemanta ianao ny fetran-taona!!! Ao isika vahoaka no miandrona

‘Tsy maintsy hanapa-kevitra ny Ogandey’

Tamin'ny 2014, nitatitra ny gazety iray mpivoaka isan'andro ao an-toerana fa nisy maromaro ny fangatahana avy amin'ny olon-tsotra sy fikambanana fiarahamonim-pirenena mangataka amin'ny Vaomiera Mpanitsy Lalàna ao Oganda mba hanitsy ny lalàmpanorenana ary hanala ny fetran-taona ho an'ny filoham-pirenena.

Nandritra ny fitsidihany an'i Alemaina tamin'ny volana Jiona, nanontany an'i Museveni ny gazety Alemà Spiegel, “Raha te-hirotsaka hofidiana indray ianao, dia mila ovaina ny lalàmpanorenana mba hanitatra ny fetran-taona ho 75 taona ho an'ny filoham-pirenena. Mety hitranga ve izany? “

Voalaza fa namaly i Museveni hoe: “ny Ogandey no hanapa-kevitra.”

Manantena i Sarah Bireete, mpisolovava iray hafa ao amin'ny firenena fa hampitsahatra ny drafitra fanesorana ny fetran-taona ny taranaka tanora:

 Tanora 0-30 taona avokoa ny 78% n'ny mponina ato amintsika. Ho taranaka lehibe hampitsahatra ny fanesorana ny fetran-taona ve izy ireo

Mpisera Twitter mampiasa anarana “She Wolf” namazivazy fa “ny fetran'ny fahafatesana” no tokony hoesorin'ny firenena:

Fahavalon'ny fandrosoana ireo solombavambahoaka manolo-kevitra hanala ny fetran-taona ho an'ny filoham-pirenana ireo. Maninona raha ny fetran'ny fahafatesana no hoesorina ka afaka mivelona mandrakizay ny mpitondra azy ireo?

Nalahelo kosa i Alexi Omondi fa nanaraka ny maodely fantatra manerana ny kaontinanta ny firenena:

Tena tsy voahevitra. tsy misy eritreritra ary fohy fijery. Inona no tsy mety amin'ny Afrikanina?

Tsy gaga intsony i Claire Ahabwe:

Tsy mahagaga ahy intsony izany. Na izany aza, tokony hampahatsiahivina izy ireo fa na ny mpandihy mahay indrindra aza nandao ny sehatra

Tsy dia faly loatra i Kiyingi Elly momba ny fivoaran-draharaha, manoro hevitra mba hanaovana andro ho an'ny alahelom-pirenena raha hahitsy tokoa ny lalàmpanorenana:

Tokony ambara ny andro ho an'ny alahelom-pirenena raha lany izany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.