Tahaka Izao No Mitranga Raha Manafoana Fampisehoana Mozika Elektronika Bonanza Tampoka i Moskoa

A glow-stick cocktail. Image edited by Kevin Rothrock.

Cocktail hazokely manome hazavana. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Noheverina fa ho lehibe ho an'ny mpanakafy mozika dihy elektronika (EDM) ny faran'ny herinandro voalohan'ny volana Jolay. Manodidina ny 10.000 ny olona nividy tapakila hanatrika ny “Fetibe Outline”- bonanza  mampiseho ireo mpanakanton'ny mozika elektronika maherin'ny 50 avy any Rosia, Fanjakana Mitambatra, Alemaina, ary Etazonia. Saika hotontosaina ao amin'ny orinasa taloha iray, izay ahitana zava-kanto napetraky ny mpanakanto andrenivohitra manerantany ihany koa ny fampisehoana.

Ora folo talohan'ny tokony nanombohan'ny fetibe, na izany aza, namoaka vaovao farany tampoka tao amin'ny Facebook ireo mpikarakara izay milaza fa nofoanana ny fampisehoana. “Tandremo!” hoy ny vakin'ny filazana. Nofoanana ny fetibe noho ny antony tsy miankina aminay. Haverina ny vola ho an'ireo tapakila efa lafo. “Mbola tsy mazava ny antony, saingy niely avy hatrany ny feo fa nanapa-kevitra tampoka handràra ny fampisehoana ny manampahefanan'ny tanànan'i Moskoa.

Nilaza tamin'ny mpanao gazety i Yelena Rossokhina, mpitondratenin'ny mpampanoa lalànan'ny distrika Moskoa fa tsy nahazo fahazoan-dalana sahaza amin'ny fanatontosana fampisehoana ireo mpikarakara ny fetibe. Nanasongadina ny loza ho an'ny filaminam-bahoaka, indrindra ny mety hisian'ny fahamaizana i Rossokhina. “Tsy fandraràna izany, fa fepetra fisorohana,” hoy izy nanazava.

Tsy misy olona mankasitraka ny fanafoanana ny fandaharam-potoanan'izy ireo, ary ny andro nandràran'i Moskoa izany mozika malaza goavana izany no andro niovan'ireo mpisera Facebook Rosiana ho manam-pahaizana momba ny fitantanana fampisehoana.

Niombon-kevitra tamin'ny mpampanoa lalànan'ny distrika ny Rosiana sasany, mahatsiaro ny zava-nitranga nahafatesana olona tamin'ny taona 2009 tao amin'ny toerana alim-pandihizana iray any Perm, izay olona 156 no namoy ny ainy noho ny fahamaizana. Nizara antontan-taratasy manjavozavo natao scan ny mpisera Facebook, izay toa mampiseho fa tara loatra vao nanatona ny biraon'ny prefektioran'i Moskoa ireo mpikarakara ny Fetibe Outline, no sady tsy nahavaly ny ahiahy ara-piarovana maromaro raha sanatria misy fahamaizana. Nanamafy ireo olona milaza fa efa zatra ny toe-draharaha fa tena misy ny antontan-taratasy, kanefa mbola maro ireo mpiserasera niroso tamin'ny fanangonan-tsonia antserasera mangataka fanazavana antsipiriany kokoa avy amin'ny fampanoavan'ny distrika. (Nahazo sonia 773 ny fanangonan-tsonia alohan'ny nikatonany ary nalefa tany amin'ny manampahefana.)

Nipetraka ankilan'ny (nanohana) ny mpikarakara ny fampisehoana ny hafa tao amin'ny Facebook ary manarararaotra ny fahatafintohinana hitsikerana ny manampahefana ao Moskoa. Nanatsoaka hevitra saro-takarina i Anton Nossik, mpandraharahan'ny media sady bilaogera malaza, milaza fa antony ampy ho an'ny Rosiana hifindra-monina ny fanafoanana ny fetibe. Nikolai Kononov, olo-malaza iray hafa ao amin'ny media rosiana kosa nanome tsiny ireo “mpanajary tanàna” izay nolazainy fa nametraka ny fahombiazan'izy ireo manokana alohan'ny tombotsoan'ny demokrasia, mandresy lahatra izy fa tsy niraharaha ny fikorisahan'ny manampahefana mankany amin'ny fitondrana tsirefesimandidy ao Rosia ireo olona ireo ary mizaka ny vokany ankehitriny.

Nidera ireo mpikarakara ny fetibe i Yekaterina Dementieva, lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny gazetiboky Afisha, ary nitsikera mafy ny mpampanoa lalànan'ny distrika tao amin'ny lahatsoratra Facebook noravahan'ny fiteny iray tao amin'ny hira nivoaka tamin'ny taona 2010 an'i Bogdan Titomir “Moskva Govno” ( “Diky i Moskoa”).

Tsy ny rehetra no nankasitraka ilay tsonga. Namoaka lahatsoratra Facebook mitsikera ny fanararaotan'i Dementieva an'i Moskoa i Alexey Kikot, avy amin'ny fampitam-baovao mpomba an'i Kremlin Life.ru, manome tsiny ireo mpikarakara ny fetibe noho ny fanafoanana ny fampisehoana. Tsy ela taorian'izay, nanangana fanangonan-tsonia antserasera i DJ Dmitry Fomichev izay mangataka amin'ny mpanao sivan'ny governemanta ao Rosia, Roskomnadzor, handroaka an'i Dementieva ao amin'ny Afisha noho izy manevateva an'i Moskoa. Hitan'i Fomichev fa manafintohina indrindra ny tombatomban'i Dementieva fa andrana amin'ny fanafoanana ny fiadiana ny Mondialy FIFA 2018 ny fanafoanana ny Fetibe Outline, mba hijerena ny karazan'ny fihetseham-pon'ny vahoaka ho setrin'ny tsy fanatontosana hetsika malaza iray.

Tsy nahomby, na izany aza, ny fanangonan-tsonia nataon'i Fomichev, tsy nahazo mpanohana mihoatra ny 130. Ary, raha lazaina ara-teknika, tsy manana fahefana hanala ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra amin'ny asany ny Roskomnadzor. Nahomby ihany koa i Fominchev, na izany aza, tamin'ny fametrahana adihevitra vaovao, nitarika fiampangana fa namerimberina karazana fihetsika mamelona ny Fampihorohoroana Stalinista Goavana izy.

Amin'ny teny hafa, faran'ny herinandro mahazatra tao amin'ny RuNet izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.