Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Shina: Voadaroka Ilay Mpilalao sarimihetsika Christian Bale Raha Nikasa Hamangy An'i Chen Guangcheng

Taorian'ny 48 ora nitondrana fiara avy any Beijing, toerana nanaovany fanentanana ilay horonan-tsarimihetsika The Flowers of War notontosainy, voadaroka ilay mpilalao horonan-tsarimihetsika Britanika Christian Bale  tamin'ny 15 Desambra 2011, raha nikasa hamangy ilay mpiaro ny zon'olombelona nogadraina Chen Guangcheng.

A screen capture of CNN's video of Bale being turned away.

Sary nalaina tamin'ny fakantsarin'ny CNN, ahitana an'i Bale voatositosika.

Niaraka tamin'i Bale ireo mpanao gazetin'ny CNN raha nikasa hiditra ao anatin'ilay tanàna nitazonana an'i Chen izy, noteren'ireo mpiambina hivoaka anefa izy, ary avy eo narahan'izy ireo tamin'ny minibus nandritra ny 40 minitra mahery i Bale sy ny ekipa mpanao gazety niaraka taminy. Vazivazy momba ny Batman no nameno ny tranokala sinoa Weibo sy ny tranokala hafa.

Iray volana lasa izay, tao amin'ny lahatsoratra iray ao amin'ny gazety New York Times, mpanao gazety Sinoa malaza Chen Min nitarika adihevitra mafonja tamin'ireo mpikatroka Sinoa, nilaza izy fa ny diplaomasia tsy mba miloa-bava ihany no afaka hanamaivana ny famaizana amin'ny tranga tahaka izao mahazo an'i  Chen Guangcheng izao, ny fahaverezan'ny governemanta Sinoa manoloana ny fifandraisana iraisampirenena no mahatonga ny manampahefana tsy mba milefitra.

Raha ny masontsivana napetraka sy ny fepetra ara-pilaminana no manakana ireo olom-pirenena Sinoa haneho hevitra mikasika an'i Chen, ny hafa kosa miombo-kevitra fa tokony tsy haneho hevitra ny vahiny manoloana ny tranga tahaka izao, ireo olona tahaka an'i Chen Guangcheng, izay notazomina amin'ny toerana mangina ve tokony hahita fomba hanehoany hevitra ?

Christian Bale, image from Weibo

Christian Bale, Sary ao amin'ny Weibo

Jereo ny vaovao misongadina amin'ny  Global Voices momba ilay mpikatroka Chen Guangcheng:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.